Archive pour septembre, 2019
Alohan’ny hanokafana ny vava sy hitenitenenana foana dia vakio tsara ny asa sarotra na tadiavo ao @ wikipedia ny dikan-teny malalaka mahakasika ny atao hoe ANDEVO raha ny teto IARIVO sy Madagasikara no resahana.
Sary nalaiko teny Anjohy. Antananarivo misandrahaka anaty korontana miampy ny fitsanganan’ireo tranobe manimba ny hasin’ilay tendrombohitra.
« Antananarivo madio ny tanjona ka tadidio » filamatra mbola tsaroako tsara fahiny raha mbola nisy ny fahatogavan-tsainan’ireo mpitondra sy ireo mponina teto Iarivo. Fotoana fohy ihany anefa no nahita mangirana sy filaminana ity tanàna ity raha atao ny jery todika nanomboka t@ fanjanahan-tany.
Sady mampalahelo no mahatezitra tanteraka ny zavatra iainana eto ankehitriny satria, ny ambony lasa ambany, ny ambany lasa ambony. Tsy misy lohany sy vodiny intsony ny lamina any ka atao izay tsy maha te honina ilay tanàna nahalehibe no sady renivohitr’i Gasikara.
Izany ve ny tanjona sa isika mponina no efa maty heritreritra ka lasa kamo lahy sy kamo vavy ampiasa saina @ fitadiavambahaolana? Sa tinareo omena sy ho hanjakainy vahiny ny tanàna dia eto isika rehetra manao andevombazahy? Maro ny fanontaniana azo hapetraka fa ny tena mahavalalanina dia ianareo mpitondra nifandimby mifanilika andraikitra anefa, samy mpangalatra sy tompony kolikoly avokoa. Tsy misy afaka @ izany ianareo Tompokolahy sy Tompokovavy izay nifandimby nitantana ity tanàna ity!
Na mahantra sy sahirana aza isika dia tsy tokony ho maty heritreritra satria tsy « quatre mi » na adala ka tsy afaka mandinika sy mampiasa saina intsony.
FAVELA NA BIDON VILLE
Sary nalaina tao @ Google, FAVELAS any Amérika Atsimo
Ny atao hoe FAVELA dia BIDON VILLE ny filazantsika azy. Trano ratsy bika sy ratsy endrika fa indrindra tsy manaraka ny tokony ho izy ny atao hoe favela. Mitovy tanteraka @ izao ny firafitr’ireo trano misy eto Antananarivo.
Novaina container vitsivitsy ny trano sachet tetsy Ampefiloha ary nankalazaina fa niasa mafy ny minisitriny mponina, mody mitabataba ireo milaza ho azy fa mpiaro ny zon’olombelona hitadiavana famatsiana hamenoana ny paosy sy hisehosehoana @ haino aman-jery fa mpandray andraikitra. Ny sasany indray tompondaka @ fisintonana lakilosy ary milaza ho mpiaro ny ambany tanàna hanaovana racket ny mpanakarena sy ireo olona manantsaina tia ny soa sy ny tsara ary manankatao.
Mahatsikaiky fa dia olona mahantra ara-tsaina avokoa no mameno ny sehatra. Voafitaka @ zavatra tsy misy fotony ny rehetra satria, kamo hanohitra ilay tsy rariny sy tsy mety any ka izay sisa ny takatrin’ny atidohan’ireny karazan’olona hafahafa fiainana sy fomba amam-panao ireny. Na ny mitondra na ny entina dia very fanahy mbola avokoa!!!
Tanàna maloto indrindra fahatelo manerana izao tontolo izao i Antananarivo ary voalohany raha ny eto Afrika no asian-dresaka. Mponina tsy manana olana @ fifangarohan’ny tay sy ny amany @ ranon’ny JIRAMA. Mponina tsy manana olana @ setroka fiara sy moto tsy ampy karakara mameno ny tanàna, miteraka aretin-tratra faobe sy fahasemporana. Mponina tsy manana olana @ fividianana legioma sy voankazo @ tany. Mponina tsy manana olana @ fividianana hanina masaka masiso sy be menaka tsy misy fotony, mponina tsy manana olana @ fividianana hena tsy anaty fitoerany feno vovoka sy setroka sy ny sisa.
Raha ny tena izy dia olona maty heritreritra ny mponina eto Iarivo ka mila entina sy fehezina ohatran’ny biby mba hanaraka ny rindrandamina izay tokony hapetraka.
SOSOKEVITRA SY VAHAOLANA
Sary nalaiko androany 12 septambara teo Antsakaviro, miodina anaty fitohanana ny taxibe iray anaty lalana tery dia tery.
Trano manakona ny « point de vue panoramique » eny @ « chalet » Anjohy. Nitsangana tampoka tao anatiny fotoana fohy nanomboka ny fitondrana Tetezamita.
Raha tiantsika ny hanavotra ity tananan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy ity dia mila hatsahatra ny fanaovana lafika ny vahoaka ary tsy tokony ampiainana ireto farany intsony ny fiainan’andevo.