Archive pour août, 2008

tonga dia Obama ihany no ady eo fa sterile be loatra ireo republicain ireo marina mafy!……………….clap, clap!

Publicités

BARCAMP MADAGASCAR

Vao naheno ny tenako ny momba ity BRACAMP MADAGASCAR ITY dia faly satria zavatra tsy dia fahita firy eto an-toeranan ary azo lazaina fa zavatra mahafinaritra koa izany indrindra no naha tongany tenako nirotoroto amin’ny fifanampiana koa araka izany dia faly aho milaza aminreo namana sasany fa dia ny HOTEL IVOTEL ao ambohidahy dia nanaiky ny ampian-trano antsika rehetra ary dia nanome connexion gratuite koa izy fa dia misaotra sy mankatelina tanetraka any Patrick izay tompony ary azo lazaina fa dia namana akaiky ny tena ihany koa satria dia efa ela no nifankalalana izahy roa lahy.

Izay ary aloa ny momba ity session 1 ny BARCAMP avy aty amiko ity fa dia ho hitanareo mindalana eto ihany ny tohiny tantara fa ny azo ambara dia ny oe tongava maro e.

Tena mety hiteraka olana lehibe tokoa ny fanagasiana ny ambaratonga voalohany satria dia hametraka taranaka tsipozipozy eo amin’ny lafiny fianarana ity fanjakana ity satria raha atao ny fandinihina dia tokony mba nanentana ny vahoaka an-taonany maro aloa izay vao tena naroso ny tranga tahaka izao satria amiko dia ho very fahaizana tokoa ireo zaza mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana noho ny antony maro raha tsy hitanisa ilay oe rehefa tapitra ny fito taona voalohany koa hiditra amin’ny taona faha enina izany dia miverina amin’ny tenim-bahiny ireo ankizy izay mihevitra fa nahazo tombony noho ny hafa!

Raha banjinina ny zavatra tahaka izao dia tsotra ny azo ambara dia ny oe fanaovana tsinotsinona ny Malagasy,raha naheno tamin’ny haino aman-jery ny tenako dia toa oe fanandramana aloa no atao amin’ity taom-pianarana 2008/2009 ity satria dia fianarana ambany fiadidiany CISCO eo amin’ny 20 aloa no hampiarana izany! Tsy rariny ary tena tsy misy fiheverana tokoa tompoko ny zavatra tahaka izao satria dia izay baiko avy amin’ny mpamatsy vola rehetra izao ve dia tokony ho ekena avokoa, raha tsy hanome ohatra aho oe mba tokony nikoan-doha tamin’ireo mpampianatra sy manam-pahaizana aloa niara nandinika oe ahoana ny fomba hametrahana izany rafitra izany sns

Na tsy izany kosa anefa dia azo lazaina fa misy lafiny tsara ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy amin’ny ankampobeny ihany izao fanagasiana izao fa eo amin’ny fanantaterahana azy no tena maika loatra,raha dinihina anie ireo firenena mandroso rehetra ireo dia samy manana ny teniny ary tena azo lazaina fa ambony izany tenim-pirenena izany any amin’ny misy azy avy any!

Ho famehezana izay rehetra izay dia mino aho fa tsy ny ahabado ny zaza Malagasy ny tanjona fa ny hitady ny soa sy ny fampandrosoana.




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Benoit VALDEZ sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Harinjaka Ratozamana… sur Harinjaka Ratozamanana (Part 1…
    Harinjaka Ratozamana… sur #Foko Madagascar depuis 2007 /…
    Harinjaka Ratozamana… sur GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    immobilienkredit sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    kredit vergleich sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    autofinanzierung sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://immobilienkre… sur BARCAMP MADAGASCAR
    Ratovo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    mzar su sur Tsy dokam-barotra ity fa ny ka…
    music marketers sur BARCAMP MADAGASCAR
    bizinfo18 sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Rasoarimanana sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://goanalyze.inf… sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Heaven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…