Archive for the ‘Kolikoly avo lenta’ Category

Alohan’ny hanokafana ny vava sy hitenitenenana foana dia vakio tsara ny asa sarotra na tadiavo ao @ wikipedia ny dikan-teny malalaka mahakasika ny atao hoe ANDEVO raha ny teto IARIVO sy Madagasikara no resahana.

70706615_2364582723755505_4999478881871200256_n

Sary nalaiko teny Anjohy. Antananarivo misandrahaka anaty korontana miampy ny fitsanganan’ireo tranobe manimba ny hasin’ilay tendrombohitra.

« Antananarivo madio ny tanjona ka tadidio » filamatra mbola tsaroako tsara fahiny raha mbola nisy ny fahatogavan-tsainan’ireo mpitondra sy ireo mponina teto Iarivo. Fotoana fohy ihany anefa no nahita mangirana sy filaminana ity tanàna ity raha atao ny jery todika nanomboka t@ fanjanahan-tany.

Sady mampalahelo no mahatezitra tanteraka ny zavatra iainana eto ankehitriny satria, ny ambony lasa ambany, ny ambany lasa ambony. Tsy misy lohany sy vodiny intsony ny lamina any ka atao izay tsy maha te honina ilay tanàna nahalehibe no sady renivohitr’i Gasikara.

Izany ve ny tanjona sa isika mponina no efa maty heritreritra ka lasa kamo lahy sy kamo vavy ampiasa saina @ fitadiavambahaolana? Sa tinareo omena sy ho hanjakainy vahiny ny tanàna dia eto isika rehetra manao andevombazahy? Maro ny fanontaniana azo hapetraka fa ny tena mahavalalanina dia ianareo mpitondra nifandimby mifanilika andraikitra anefa, samy mpangalatra sy tompony kolikoly avokoa. Tsy misy afaka @ izany ianareo Tompokolahy sy Tompokovavy izay nifandimby nitantana ity tanàna ity!

Na mahantra sy sahirana aza isika dia tsy tokony ho maty heritreritra satria tsy « quatre mi » na adala ka tsy afaka mandinika sy mampiasa saina intsony.

FAVELA NA BIDON VILLE

favela_1_

Sary nalaina tao @ Google, FAVELAS any Amérika Atsimo

Ny atao hoe FAVELA dia BIDON VILLE ny filazantsika azy. Trano ratsy bika sy ratsy endrika fa indrindra tsy manaraka ny tokony ho izy ny atao hoe favela. Mitovy tanteraka @ izao ny firafitr’ireo trano misy eto Antananarivo.

Novaina container vitsivitsy ny trano sachet tetsy Ampefiloha ary nankalazaina fa niasa mafy ny minisitriny mponina, mody mitabataba ireo milaza ho azy fa mpiaro ny zon’olombelona hitadiavana famatsiana hamenoana ny paosy sy hisehosehoana @ haino aman-jery fa mpandray andraikitra. Ny sasany indray tompondaka @ fisintonana lakilosy ary milaza ho mpiaro ny ambany tanàna hanaovana racket ny mpanakarena sy ireo olona manantsaina tia ny soa sy ny tsara ary manankatao.

Mahatsikaiky fa dia olona mahantra ara-tsaina avokoa no mameno ny sehatra. Voafitaka @ zavatra tsy misy fotony ny rehetra satria, kamo hanohitra ilay tsy rariny sy tsy mety any ka izay sisa ny takatrin’ny atidohan’ireny karazan’olona hafahafa fiainana sy fomba amam-panao ireny. Na ny mitondra na ny entina dia very fanahy mbola avokoa!!!

Tanàna maloto indrindra fahatelo manerana izao tontolo izao i Antananarivo ary voalohany raha ny eto Afrika no asian-dresaka. Mponina tsy manana olana @ fifangarohan’ny tay sy ny amany @ ranon’ny JIRAMA. Mponina tsy manana olana @ setroka fiara sy moto tsy ampy karakara mameno ny tanàna, miteraka aretin-tratra faobe sy fahasemporana. Mponina tsy manana olana @ fividianana legioma sy voankazo  @ tany. Mponina tsy manana olana @ fividianana hanina masaka masiso sy be menaka tsy misy fotony, mponina tsy manana olana @ fividianana hena tsy anaty fitoerany feno vovoka sy setroka sy ny sisa.

Raha ny tena izy dia olona maty heritreritra ny mponina eto Iarivo ka mila entina sy fehezina ohatran’ny biby mba hanaraka ny rindrandamina izay tokony hapetraka.

SOSOKEVITRA SY VAHAOLANA

71022734_340934486633720_4290878856501395456_n

Sary nalaiko androany 12 septambara teo Antsakaviro, miodina anaty fitohanana ny taxibe iray anaty lalana tery dia tery.

70211849_370703603821110_6935350599298842624_n

Trano manakona ny « point de vue panoramique » eny @ « chalet » Anjohy. Nitsangana tampoka tao anatiny fotoana fohy nanomboka ny fitondrana Tetezamita.

Raha tiantsika ny hanavotra ity tananan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy ity dia mila hatsahatra ny fanaovana lafika ny vahoaka ary tsy tokony ampiainana ireto farany intsony ny fiainan’andevo.

 

 

 

 

 

 

Raha ho bangoiko amin’ny andalana vitsivitsy ny zava-misy eto Madagasikara dia tahaka izao: 

ZAVA-MISY:

– Ny harena ao ambany tany (vatosoa, volamena, charbon, pétrole sns.)

– Ny harena eo ambony tany (Hazo sarobidy, biby isan-karazany, voninkazo sns.)

– Ny harena an-dranomasina (biby isan-karazany, voninkazo isan-karazany, pétrole-offshore sns.) Ohatra: Ny orinasa amerikanina EXXON MOBIL dia efa nahazo « permis d’exploitation » hitrandraka io haren’ny Malagasy an-dranomasina io

– Ny harena an-habakabaka ho an’ireo « activiste » na ireo olona manam-pahaizana @ « environnement » sy ny mifandraika @ izany dia mahafantatra tsara ny zavatra tiako ho lazaina fa vola be io resaka io. Ohatra: Ny compagnie AIR FRANCE dia efa nampiasa vola be aminio resaka io!

– Ireo KARANA, AFRIKANINA, SINOA, FRANTSAY, MALAGASY sy ireo fatimbazahy maro isan-karazany mpanao afera cocaïne sy héroïne eto Madagasikara (Any Diego any no fampidirana ny héroïne avy Any Pakistan raha haka ohatra Iray isika)

– Ny harena lehibe indrindra dia ny OLOMBELONA ( miroborobo ny fatimbazahy « retraité » sy ny fatimbazahy tsy misy valera manenjika ny tanora lahy sy vavy mpaka sy mpamotika ny taranaka.

– Ny Olombelona sy ny Aliaka dia miaraka sahirana, mitady ny sakafony ao anaty zoridira.

– Ny fandefasana ny malagasy hiasa Any ivelany ho lasa ANDEVO (esclavage moderne).

– Ny tena mampatahotra indrindra amin’izao fotoana izao ihany koa dia ity resaka État Islamique (EI) ity. Misy io tompokolahy sy tompokovavy ary isan’ireo mpamatsy vola be an’ireo ny KARANA mpanankarena eto Madagasikara.

Misy io ary efa betsaka ireo mpampianatra ny CORAN Any anatin’ireny mosquée ireny no efa misy manaramaso. Avy any Syrie any izao efa betsaka ry zalahy no mody mampianatra ireo tanora malagasy kely saina, marivo salosana, malemy fanahy… Nohon’ny fahantrana dia voatarika amin’ny resaka « extrémisme religieux ».

VOKANY:

– Ny Malagasy dia tsy mahazo manofy hanana fiainana tsara

– Ny Malagasy dia atao tohatra fiankaran’ny mpanao afera maloto sy ny politisianina.

– Ny malagasy dia bedy sy migadra raha te higoaka ny fahasoavana azo avy amin’ny harem-pireneny

– Fanabeazana amin’ny ratsy no misy eto amin’ny Firenena.

– Lojika raha iomehezan’ireo vahiny fotsiny isika. Satria, isika ihany no manimba ny hasin’i Madagsikara sy ny maha Malagasy antsika ( donnez-nous argent mpamatsy vola/CI)

FEHINY:

– Nandritra ny fitondrana TETEZAMITA no tena nampiroborobo ny resaka MAFFIOSI teto Madagasikara.

– Ny politisianina malagasy, tsy an-kanavaka, miampy ireo « opportunistes » vaovao hilatsaka @ fifidianana izay ho Ben’ny tanana eo, dia mila manana loha malemy efa mikantona tsara ary tokony masahy mandray andraikitra, amin’ny fitadiavana ny soa sy ny tsara ho an’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.

– Isika « contribuables » na isika mpandoa hetra indray, dia tokony matotra sy mahay manaraka ny fandehany volantsika ary tsy tokony variana amin’ny « politique partisane/fanatique » ka rehefa miaraka ny MAPAR sy ny TIM dia eo vao ankina avokoa (infantilisation)

Pakysse

Raha ny lojika politika misy ankehitriny dia tsy tokony menatra, mihemotra na matahotra i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany, amin’ny fisamborana an’i Andry Rajoelina. Satria, ny mitady ny soa ny mpiarabelona sy ny firenena dia efa nataon’izy ireo vaindohan-draharaha.

Andry Rajoelina lehiben’ny MAFIA Malagasy

Ity oronan-tsary ity dia manazava tsara ny fomba maloto tamin’ny famotehana sy ny fanondranana ny harem-pirenena malagasy. Voatonona ao ny anaran’i Andry Rajoelina. Izay azo lazaina fa lehiben’ny MAFIA malagasy nandritra iny fitondrana tetezamita iny.

Maninona moa tsy Tonga dia ingahy mpikiky kapila manjelatra no samborina? Sa i Mamy Ravatomanga no tena mpilalao ny « télécommande » ka ingahy kely dia sarobakolin’ity farany?

Famonoana olona manarapenitra, niarahana tamin’i Andry Rajoelina ny 26 Janoary sy ny 07 febroary 2009

Raha ny maso mahita, ny saina mandinika dia i Andry Rajoelina no lehiben’ny mpamono olona, nandritra ilay revolision’ny mpanongam-panjakana, ny taona 2009 iny.

Ny tena nahatalanjona ity tantara ity dia ny tsy fandraisana andraikitra nataon’ i Rajoelina. Raha ny lojika mantsy, rehefa mitarika tolona na revolisionina ny olona Iray. Ny lehibe (leader) dia tsy maintsy mampiseho fihetsika fa tsy matahotra ary mahasahy hatramin’ny farany, hatramin’ny fahafatesana.

Nefa, mody nitomany tahaka ireny zaza nosarahana nono ireny ingahy Dijaka ny ampitson’ny 07 Febroary. Ny mahagaga ihany koa, ny 26 Janoary dia tsy nanao izany lery. Inona ny antony sa filalaovana sarimihetsika fotsiny iny ranomaso mody nalatsaka iny? Ny fanontaniana mipetraka ihany koa dia ity: inona ny maha samihafa ireo olona Maty ny 26 Janoary 2009 mihoatra ireo olona Maty ny 07 Febroary 2009? Maninona i Rajoelina tia milalao faty ary maninona ingahy io no tia mandainga?

Be maintsy

 

 




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Cyber-censure : Mada… dans LA SOCIÉTÉ MOOV MADAGASCAR TUE…
    Helatra dans NY RAZAMBEKO
    PATRICIA RAKOTOMALAL… dans Veloma lesy namana Ando a…
    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    Dadabazy Mpiandry dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    Krîs dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…