Archive for the ‘Toe-tsaina mila miova’ Category

Alohan’ny hanokafana ny vava sy hitenitenenana foana dia vakio tsara ny asa sarotra na tadiavo ao @ wikipedia ny dikan-teny malalaka mahakasika ny atao hoe ANDEVO raha ny teto IARIVO sy Madagasikara no resahana.

70706615_2364582723755505_4999478881871200256_n

Sary nalaiko teny Anjohy. Antananarivo misandrahaka anaty korontana miampy ny fitsanganan’ireo tranobe manimba ny hasin’ilay tendrombohitra.

« Antananarivo madio ny tanjona ka tadidio » filamatra mbola tsaroako tsara fahiny raha mbola nisy ny fahatogavan-tsainan’ireo mpitondra sy ireo mponina teto Iarivo. Fotoana fohy ihany anefa no nahita mangirana sy filaminana ity tanàna ity raha atao ny jery todika nanomboka t@ fanjanahan-tany.

Sady mampalahelo no mahatezitra tanteraka ny zavatra iainana eto ankehitriny satria, ny ambony lasa ambany, ny ambany lasa ambony. Tsy misy lohany sy vodiny intsony ny lamina any ka atao izay tsy maha te honina ilay tanàna nahalehibe no sady renivohitr’i Gasikara.

Izany ve ny tanjona sa isika mponina no efa maty heritreritra ka lasa kamo lahy sy kamo vavy ampiasa saina @ fitadiavambahaolana? Sa tinareo omena sy ho hanjakainy vahiny ny tanàna dia eto isika rehetra manao andevombazahy? Maro ny fanontaniana azo hapetraka fa ny tena mahavalalanina dia ianareo mpitondra nifandimby mifanilika andraikitra anefa, samy mpangalatra sy tompony kolikoly avokoa. Tsy misy afaka @ izany ianareo Tompokolahy sy Tompokovavy izay nifandimby nitantana ity tanàna ity!

Na mahantra sy sahirana aza isika dia tsy tokony ho maty heritreritra satria tsy « quatre mi » na adala ka tsy afaka mandinika sy mampiasa saina intsony.

FAVELA NA BIDON VILLE

favela_1_

Sary nalaina tao @ Google, FAVELAS any Amérika Atsimo

Ny atao hoe FAVELA dia BIDON VILLE ny filazantsika azy. Trano ratsy bika sy ratsy endrika fa indrindra tsy manaraka ny tokony ho izy ny atao hoe favela. Mitovy tanteraka @ izao ny firafitr’ireo trano misy eto Antananarivo.

Novaina container vitsivitsy ny trano sachet tetsy Ampefiloha ary nankalazaina fa niasa mafy ny minisitriny mponina, mody mitabataba ireo milaza ho azy fa mpiaro ny zon’olombelona hitadiavana famatsiana hamenoana ny paosy sy hisehosehoana @ haino aman-jery fa mpandray andraikitra. Ny sasany indray tompondaka @ fisintonana lakilosy ary milaza ho mpiaro ny ambany tanàna hanaovana racket ny mpanakarena sy ireo olona manantsaina tia ny soa sy ny tsara ary manankatao.

Mahatsikaiky fa dia olona mahantra ara-tsaina avokoa no mameno ny sehatra. Voafitaka @ zavatra tsy misy fotony ny rehetra satria, kamo hanohitra ilay tsy rariny sy tsy mety any ka izay sisa ny takatrin’ny atidohan’ireny karazan’olona hafahafa fiainana sy fomba amam-panao ireny. Na ny mitondra na ny entina dia very fanahy mbola avokoa!!!

Tanàna maloto indrindra fahatelo manerana izao tontolo izao i Antananarivo ary voalohany raha ny eto Afrika no asian-dresaka. Mponina tsy manana olana @ fifangarohan’ny tay sy ny amany @ ranon’ny JIRAMA. Mponina tsy manana olana @ setroka fiara sy moto tsy ampy karakara mameno ny tanàna, miteraka aretin-tratra faobe sy fahasemporana. Mponina tsy manana olana @ fividianana legioma sy voankazo  @ tany. Mponina tsy manana olana @ fividianana hanina masaka masiso sy be menaka tsy misy fotony, mponina tsy manana olana @ fividianana hena tsy anaty fitoerany feno vovoka sy setroka sy ny sisa.

Raha ny tena izy dia olona maty heritreritra ny mponina eto Iarivo ka mila entina sy fehezina ohatran’ny biby mba hanaraka ny rindrandamina izay tokony hapetraka.

SOSOKEVITRA SY VAHAOLANA

71022734_340934486633720_4290878856501395456_n

Sary nalaiko androany 12 septambara teo Antsakaviro, miodina anaty fitohanana ny taxibe iray anaty lalana tery dia tery.

70211849_370703603821110_6935350599298842624_n

Trano manakona ny « point de vue panoramique » eny @ « chalet » Anjohy. Nitsangana tampoka tao anatiny fotoana fohy nanomboka ny fitondrana Tetezamita.

Raha tiantsika ny hanavotra ity tananan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy ity dia mila hatsahatra ny fanaovana lafika ny vahoaka ary tsy tokony ampiainana ireto farany intsony ny fiainan’andevo.

 

 

 

 

 

 

Publicités

 

une_con_citation-600x315

Photo: Google!

Raha atao dika politika ny kabarin’andriamatoa Rakotoarisoa, t@ namoahana iny vokam-pifidianana fiodinana voalohany iny dia hita soritra ny nanomezany lesona ny mpandrava sy ny mpampiady foko. Mazava ho azy, tsy ho zakany atidohan’ireo mankasitra ny ratsy ireny teny feno fananarana ireny. Eto isika rehetra, hiandry ny fientanampon’izy ireo @ famafazana ny lainga tsara lahatra sy ny fanasana vangy ny atidohan’ireo mpankafia ny kaikitra bangarindana.

Olondehibe tsy tia manabe ny pombany, zaza ratsy taiza, mpitarika romotra. Ireo ny zavatra azoko lazaina mikasika an’ireto fikambanan’ny mpandrava ireto! Ary ny mahagaga dia ilay Andry Nirina Rajoelina mihitsy no lohalaharana voalohany @ tsy fitiavana manabe ireo mpanaradia azy. Asakasak’ireo izay resy lahatra @ fitiavana miloloa ny ratsy fa ny amiko manokana aloha dia efa fantako fa any @ andriamatoa Marc Ravalomanana no mandeha ny vatoko @ 19 desambra ho avy izao na tsy lafatra aza ity rangahy ity sy ny manodidina azy.

Raha hiverenana vetivety iny vokatra ofisialy iny dia tsotra ny azo ambara. Feno lesoka ny fikarakarana nataony CENI ary mila manaiky ny rehetra fa ilaina ny fitoniana eto @ firenena. Na izany na tsy izany, ilaina ny mitaiza ireo mpanaraka ny “candidats” roa tonta mba ho lasa fitaratra eo @ fiarahamonina ary mila mahay manao jery todika ny lasa mba hanatsarana ny ho avy isika rehetra.

Felaka teha-maina miampy daka avody hoy ry zalahy no nahazo an’ingahy Rajaoanarimampianina sy Rajoelina ary ireo “candidats” apombo saingy, safosafo feno fitiavana kosa no nandrasain’ny HCC ny fanapahan’kevitra nataony antoko politika TIM t@ nanesorany ny fitoriany.

Izay aza ny zavatra azo ambara t@ ity indray mitoraka ity fa dia mankasitraka tanteraka ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa @ ireny fanabeazana miabo natolony ho an’i Andry Nirina rajoelina ireny.

 

 

 

Raha te ho lasa adala ianao na te hidiran-doza na te ho tapaka lalandra! Omeo any Onitiana Realy sy Beatrice Atallah ny volanao dia ho avy mora aminao foana ireo zavatra voalazako ireo.

maxresdefault

ONITIANA V8

Tsy aiko ny fandehany amin’izao ora sy fotoana hanoratako izao. Ohatrinona ny vola efa voangona any amin’ny ramatoa minisitra Realy sy ramatoa ministra Atallah momba ity resaka DIASPORA MALAGASY tiany andray andraikitra ho any firenena ity! Raha mbola tsy misy izay dia tsara sy deraina ny fihetsika asehonareo ry namana. Aza manome fa efa mivoaka ny fefiloha ny voay amin’izao fotoana izao ary tena mandrapaka sy manaikitra izay hitany rehetra eny an-dalambe ry zareo.

Tandremo ry namana malagasy mitady ravin’ahitra aty ivelany fa mamely miafina be ihany koa ny Trambo sy ny biby Dia. Ary manao izay fomba rehetra hitany hitadiavana vola hamenoana ny paosy sy hitadiavana voninahitra.

Maro amintsika angamba no efa mahafantatra fa nahazo fiarakodia tsy mataho-dalana TOYOTA V8 ny minisitra ny mponina malagasy Onitiana Realy.  Tsy nila niasa ela akory ity farany dia efa miliara ny ao am-paosy vao maika izany fa omenareo fanampiana izy, vola tsy nosasarana fa vola adala tompo. Draisy! « Lavie est belle » na « milay be ny fiainana ».

Mamboly voky, tsy mamboly voky 

Amin’ny ankapobeny, ny politika no sehatra lehibe indrindra handaminana ny fiarahamonina, hitadiavana ny soa sy ny tsara ho any firenena. Rehefa tsy mamely ny politika dia manaraka izay onjany izay ny fandehany toe-draharaha! Eto dia tiako sarihina kely vetivety ny sainareo mpanaraka tsy tapaka ity blog ity fa zavatra mahagaga sy mahatalanjona hatrany ny zava-baovao eo amin’ny fampianarana ny ratsy asehon’ireto politisianina malagasy ireto.

Rehefa avy « niala an’Akatso » dia « miditra an’Ambohidempona » indray isika malagasy! Tsy henatra, tsy tahotra ary fasahiana feno habibiana ny fandikako izao fihetsika asehony ramatoa onitiana Realy izao manoloana ny fividianana ity fiara mitentina aminà miliara ity.

Minisitra misahana ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ianao ramatoa dia sahinao ny mandakà ireo olona ireo any @ ambavafoany! Olona tsotra, sahirana, mila fanampiana avy any aminao. Olona tsy be teny, mahay miharitra ny fery ao aminy. Olona nabadoana amin’ny fomba maro samihafa, manantena ny ho avy mamiratra hatrany sns. Na dia olona maty heritreritra aza ve ianao ramatoa dia tsy mampaninona ny sainao mandinika izao fomba ratsy ataonao izao?

Ekena fa olona tsy niharitra, olona tsy mahafantatra izany atao hoe fahoriam-bahoaka izany ianao ramatoa minisitra. Mampiasa ny haino aman-jery, hitadiavana vola, dera sy laza ary ny voninahitra no tena talentanao! Teny tsara lahatra no betsaka fa ny ataonao dia mitovy amin’ireo namanao teo aloha sy ireo mpiara-miasa, mpangalatra tsy vanona sy tsy valahara, mpanao politika rehetra ireo.

Na mamboly voky na tsy mamboly dia voky hatrany ianareo mpanao politika ireo! Tohizo ny adalana, ataovy  foana izay mety rehetra hangalarana sy hanaovana tsinotsinona ny mpiarabelona aminareo. Asehoy fa ianareo no tompony fahefana dia araraoty tsara sao rehefa very fihinana vao hitsipozipozy tahaka ireny rafotsy be banga ridana, tsy mahavidy solonify ireny ianareo mianakavy ao.

Toerana hifandimbiasana io Tompokolahy sy Tompokovavy. Mihevera tena fa mampahonena tanteraka ny fihetsika sy ny fomba amam-panao asehonareo. Tsindriko etoana fa tsy mahafaty na mahamenatra ny mampiseo monkodoha sy mitazona ny teny nomeny amin’ny fitadiavana ny soa sy ny tsara ho an’ny firenena sy ny mponina ao aminy. Rehefa misy ny fahadisoana dia tokony mahay miala tsiny,  tsy tokony atao mipetraka eny amin’ny sisi-tosy ny azafady fa ampiasaina isan’andro amin’ny asa aman-draharaha izay nankinina taminareo.

Diaspora malagasy

Raha eo amin’ny lafiny ara-ekonomika dia marina tokoa fa manana ny maha izy azy ireo malagasy sasany, mpila ravin’ahitra ivelany Nosy. Raha ny ohatra aty Amerika Avaratra no zaraiko aminareo dia tahaka izao ny fandehany (Mitovy amin’izao ihany ny fandehany raha expat na olona manana asa tsara mipetraka any Afrika, Asie sy Europe ny malagasy iray tsara karama sy fivelomana).

Eo anelanelan’ny $40 000/an – $80 000/an ny atao hoe « classe moyenne ; Mihoatra ny $80 000/an ny saranga ambony na mpanakarena, mpanefoefo izay 1% ny mponina raha ny aty Canada no asian-teny.

Ny tiako lazaina dia ity: Maro ny malagasy mipetraka aty Amerika no manana ny maha izy azy. Raha ny fitadidiko dia taty mihitsy no nanao antso avo ny governemanta @ tokony andraisany Diaspora malagasy anjara @ fanarenana ny firenena.

Dia hoy aho manoro hevitra sy manipy ny teny any aminareo tapaka sy namana Diaspora malagasy ireo manao hoe: TSIA!

TSIA ny valiny satria olona misy saina sy hendry ianareo ireo ka mitandrema fa fisolokiana avo lenta ny anaranio hataka ataony governemanta-ny MAFIA malagasy io.

Mankalaza,

Pakysse

  • activist blogger
  • #T4D:Technology 4 development ; #M4D:Madagascar 4 development 



  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    Dadabazy Mpiandry dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    Krîs dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…