Archive for the ‘Madagasikara’ Category

Alohan’ny hanokafana ny vava sy hitenitenenana foana dia vakio tsara ny asa sarotra na tadiavo ao @ wikipedia ny dikan-teny malalaka mahakasika ny atao hoe ANDEVO raha ny teto IARIVO sy Madagasikara no resahana.

70706615_2364582723755505_4999478881871200256_n

Sary nalaiko teny Anjohy. Antananarivo misandrahaka anaty korontana miampy ny fitsanganan’ireo tranobe manimba ny hasin’ilay tendrombohitra.

« Antananarivo madio ny tanjona ka tadidio » filamatra mbola tsaroako tsara fahiny raha mbola nisy ny fahatogavan-tsainan’ireo mpitondra sy ireo mponina teto Iarivo. Fotoana fohy ihany anefa no nahita mangirana sy filaminana ity tanàna ity raha atao ny jery todika nanomboka t@ fanjanahan-tany.

Sady mampalahelo no mahatezitra tanteraka ny zavatra iainana eto ankehitriny satria, ny ambony lasa ambany, ny ambany lasa ambony. Tsy misy lohany sy vodiny intsony ny lamina any ka atao izay tsy maha te honina ilay tanàna nahalehibe no sady renivohitr’i Gasikara.

Izany ve ny tanjona sa isika mponina no efa maty heritreritra ka lasa kamo lahy sy kamo vavy ampiasa saina @ fitadiavambahaolana? Sa tinareo omena sy ho hanjakainy vahiny ny tanàna dia eto isika rehetra manao andevombazahy? Maro ny fanontaniana azo hapetraka fa ny tena mahavalalanina dia ianareo mpitondra nifandimby mifanilika andraikitra anefa, samy mpangalatra sy tompony kolikoly avokoa. Tsy misy afaka @ izany ianareo Tompokolahy sy Tompokovavy izay nifandimby nitantana ity tanàna ity!

Na mahantra sy sahirana aza isika dia tsy tokony ho maty heritreritra satria tsy « quatre mi » na adala ka tsy afaka mandinika sy mampiasa saina intsony.

FAVELA NA BIDON VILLE

favela_1_

Sary nalaina tao @ Google, FAVELAS any Amérika Atsimo

Ny atao hoe FAVELA dia BIDON VILLE ny filazantsika azy. Trano ratsy bika sy ratsy endrika fa indrindra tsy manaraka ny tokony ho izy ny atao hoe favela. Mitovy tanteraka @ izao ny firafitr’ireo trano misy eto Antananarivo.

Novaina container vitsivitsy ny trano sachet tetsy Ampefiloha ary nankalazaina fa niasa mafy ny minisitriny mponina, mody mitabataba ireo milaza ho azy fa mpiaro ny zon’olombelona hitadiavana famatsiana hamenoana ny paosy sy hisehosehoana @ haino aman-jery fa mpandray andraikitra. Ny sasany indray tompondaka @ fisintonana lakilosy ary milaza ho mpiaro ny ambany tanàna hanaovana racket ny mpanakarena sy ireo olona manantsaina tia ny soa sy ny tsara ary manankatao.

Mahatsikaiky fa dia olona mahantra ara-tsaina avokoa no mameno ny sehatra. Voafitaka @ zavatra tsy misy fotony ny rehetra satria, kamo hanohitra ilay tsy rariny sy tsy mety any ka izay sisa ny takatrin’ny atidohan’ireny karazan’olona hafahafa fiainana sy fomba amam-panao ireny. Na ny mitondra na ny entina dia very fanahy mbola avokoa!!!

Tanàna maloto indrindra fahatelo manerana izao tontolo izao i Antananarivo ary voalohany raha ny eto Afrika no asian-dresaka. Mponina tsy manana olana @ fifangarohan’ny tay sy ny amany @ ranon’ny JIRAMA. Mponina tsy manana olana @ setroka fiara sy moto tsy ampy karakara mameno ny tanàna, miteraka aretin-tratra faobe sy fahasemporana. Mponina tsy manana olana @ fividianana legioma sy voankazo  @ tany. Mponina tsy manana olana @ fividianana hanina masaka masiso sy be menaka tsy misy fotony, mponina tsy manana olana @ fividianana hena tsy anaty fitoerany feno vovoka sy setroka sy ny sisa.

Raha ny tena izy dia olona maty heritreritra ny mponina eto Iarivo ka mila entina sy fehezina ohatran’ny biby mba hanaraka ny rindrandamina izay tokony hapetraka.

SOSOKEVITRA SY VAHAOLANA

71022734_340934486633720_4290878856501395456_n

Sary nalaiko androany 12 septambara teo Antsakaviro, miodina anaty fitohanana ny taxibe iray anaty lalana tery dia tery.

70211849_370703603821110_6935350599298842624_n

Trano manakona ny « point de vue panoramique » eny @ « chalet » Anjohy. Nitsangana tampoka tao anatiny fotoana fohy nanomboka ny fitondrana Tetezamita.

Raha tiantsika ny hanavotra ity tananan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy ity dia mila hatsahatra ny fanaovana lafika ny vahoaka ary tsy tokony ampiainana ireto farany intsony ny fiainan’andevo.

 

 

 

 

 

 

Publicités
Ny 13 sy 14 jiona lasa teo no nananterahana ilay atrikasa TEAM BUILDING PROJECT teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha adika tsotsotra ny dikan’izany hoe « team buildng » izany dia « resserement des liens » no mahafehy azy @ teny frantsay (miala tsiny @ mpamaky @ fampifangaroana ny teny).
Ny fikambanana Gasy Youth Up no nametrahana ny fitokisana t@ fampiofanana ireo mpiasa nandritra ny roa andro ary nosokafan’andriamatoa Sekretera Jeneraly t@ alalan’ny kabary ny fandaharam-potoana. Vao vita ny fanazavana fohy avy @ andriamatoa Randrianarisoa, tonga dia nikatroka ny mpandray anjara ka natomboka  t@ resaka « developpement personnel » avy eo niditra t@ resaka « leadership » ary nofaranana t@ serasera. Izany rehetra izany dia naraham-panazavana @ tanjakin’ny fampiasana ny tontolon’ny teknolojia vaovao eo @ fiarahamonina sy ny lalàna mifehy ny « cybercriminalité » ary ny tambazotra sosialy, izay tsy afaka misaraka @ zava-misy iainantsika @ izao fotoana izao (asa,fianarana,fialamboly,fiofanana sns, sns.).
Roa volana mahery kely ny ady hevitra niarahako t@ zokibe sekretera jeneralin’ny lapa (SG) Guy Rivo Randrianarisoa sy ramatoa Michele Randriamanana (DRH) ary ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga t@ fanomanana ity tetik’asa ity ka nahazoana ny alàlana avy @ izy ireo.
Tsindriako tsara fa tsy nisy ny vola noraisina avy @ CUA fa izahay mpampiofana no nitondra ny «  »matériels nampiasaina rehetra tao, ny trano sy ny mpiasa (personnes ressources) no avy @ Kaominina.  Tsy azo atao ny milaza fa nahavita tena t@ fikarakarana satria, nisy ny fangatahana fanampiana tany @ zokibe nilaina tolo-tanana t@ rindran-damina.
Niteraka « cohesion » teo @ ireo mpiasa ny zavatra nozarain’ireto tanora namako niaraka nanao ny formation tamiko ireto. Toe-tsaina sy fomba fiasa avy any @ firenena mampiasa ny teny anglisy no natolotra ho paikady arahin’ny rehetra t@ ity indray mitoraka ity. Raha ny mombamomba anay nikarakara ity atrikasa ity dia efa zatra manatrika fiofanana no sady mampiofana ihany koa na eto an-toerana na any ivelany Madagasikara. Ny miasa mangiana no tena mahafinaritra anay fa t@ ity indray mitoraka ity kosa dia ny fitondrana ny anjara biriky ho an’ny tombotsoa iombonana nohon’ny fitiavana an’Antananarivo, renivohitri’ Madagasikara no naroso. 
Eto am-pamaranana dia mbola mamerina ny fisaorana an’andriamatao Guy Rivo Randrianarisoa sy ireo mpiasan’ny CUA nanaiky nandray anay ho mpampiofana.
MISAOTRA SY MANKASITRAKA TANTERAKA TOMPOKO!!! 🙏🙏🙏 

 

 

 

une_con_citation-600x315

Photo: Google!

Raha atao dika politika ny kabarin’andriamatoa Rakotoarisoa, t@ namoahana iny vokam-pifidianana fiodinana voalohany iny dia hita soritra ny nanomezany lesona ny mpandrava sy ny mpampiady foko. Mazava ho azy, tsy ho zakany atidohan’ireo mankasitra ny ratsy ireny teny feno fananarana ireny. Eto isika rehetra, hiandry ny fientanampon’izy ireo @ famafazana ny lainga tsara lahatra sy ny fanasana vangy ny atidohan’ireo mpankafia ny kaikitra bangarindana.

Olondehibe tsy tia manabe ny pombany, zaza ratsy taiza, mpitarika romotra. Ireo ny zavatra azoko lazaina mikasika an’ireto fikambanan’ny mpandrava ireto! Ary ny mahagaga dia ilay Andry Nirina Rajoelina mihitsy no lohalaharana voalohany @ tsy fitiavana manabe ireo mpanaradia azy. Asakasak’ireo izay resy lahatra @ fitiavana miloloa ny ratsy fa ny amiko manokana aloha dia efa fantako fa any @ andriamatoa Marc Ravalomanana no mandeha ny vatoko @ 19 desambra ho avy izao na tsy lafatra aza ity rangahy ity sy ny manodidina azy.

Raha hiverenana vetivety iny vokatra ofisialy iny dia tsotra ny azo ambara. Feno lesoka ny fikarakarana nataony CENI ary mila manaiky ny rehetra fa ilaina ny fitoniana eto @ firenena. Na izany na tsy izany, ilaina ny mitaiza ireo mpanaraka ny “candidats” roa tonta mba ho lasa fitaratra eo @ fiarahamonina ary mila mahay manao jery todika ny lasa mba hanatsarana ny ho avy isika rehetra.

Felaka teha-maina miampy daka avody hoy ry zalahy no nahazo an’ingahy Rajaoanarimampianina sy Rajoelina ary ireo “candidats” apombo saingy, safosafo feno fitiavana kosa no nandrasain’ny HCC ny fanapahan’kevitra nataony antoko politika TIM t@ nanesorany ny fitoriany.

Izay aza ny zavatra azo ambara t@ ity indray mitoraka ity fa dia mankasitraka tanteraka ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa @ ireny fanabeazana miabo natolony ho an’i Andry Nirina rajoelina ireny.

 

 

 




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    Dadabazy Mpiandry dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    Krîs dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…