Archive pour octobre, 2018
Sariny LOGO BARCAMP maneran-tany.
Raha tsiahivina vetivety ny tantaran’ny BARCAMP dia niainga avy any Amerika Avaratra tany Californie tao Palo Alto ny taona 2005. Rehefa nahita fa nisy ny sivana nataony Tim O’Reilly, mpikarakara ny Foo camp dia nitsangana ny hevitrin’ny BARCAMP t@ izany fotoana izany. Herinandro monja ny fikarakarana ary nahasarika olona teo @ 200 teo.
INONA NY ATAO HOE BARCAMP?
Ny BARCAMP dia fihaonana misokatra, tsy misy sivana na taratasim-panasana ary natao ho an’ny be sy ny maro. Ireo olona manana traikefa na fahaizana na fomba amam-panao mikasataka ny tombotsoa iombonana fa indrindra liana @ fikirakirana ny tontolon’ny teknolojia vaovao ny loharahana @ izany. Ny takelaka web2.0 no ampiasaina @ fampahafantarana ny hetsika ary tsy misafidy saranga na tanora na lehibe na antitra ka manana talenta na hevitra na fahaizana manokana ka tia mizara.
Samy mpandray anjara avokoa ny rehetra ary tsy misy ny mpijery. Ao anatin’ny firalahiana tanteraka ny hetsika ary tsy misy mahazo mitady voninahitra na dera na laza.
Ny fahaizana na ny hevitra izay zaraina dia tsy natao hitadiavambola, tsy mahazo manao dokambarotra ny mpandray anjara ary fadiana ny maneho hevita lava loatra.
Tsy business ny BARCAMP fa fifanakalozana eo amin’ireo mpikirakira ny internet, logiciels libres ary ny reseaux soiaux
BARCAMP 10 TAONA
Ny taona 2008 no nitondran’i ramatoa Joan Razafimaharo ny hetsika BARACAMP voalohany teto Madagasikara. Tonga dia niampita ary voarain’ny maro ny fotopisainana ary tsy sarotra t@ rehetra ny nandray.
Ny édition voalohany BARCAMP dia nanomezana vahana ireo Geeks, Bloggers, internautes sy ny mifandraika @ izany t@ izany fotoana. Nisy namana vahiny tao @ RisingVoices (Rantsana GlobalVoices) izay tonga nanotrona ny hetsika. Mpiray fikambanana niaraka t@ Foko Madagascar (Fikambanana voalohany nametraka ny atao hoe journalisme citoyen/blogger teto Madagasikara) ny Voices Boliviana, izay tonga nanatrika sy nizara ny fahaizany.
Ny édition faharoa dia natao ny taona 2009, nikasika ny fahafahana miteny ka mbola nahitana ireo bloggers, geeks, olona tsotra nitondra fomba fijery nanasoavana ny fiarahamonina ary mpikirakira ny reseaux sociaux. Tsy azo adinoina ihany koa ny nanasana mpikambana vahiny iray namana, tao @ Globalvoices.
Feno folo taona ankehitriny ny revy BARCAMP koa dia manasa antsika rehetra tapaka sy namana izay liana ny faha 13 ny volana oktobra izao manomboka @ 8 ora maraina ao café du musée.