Archive for the ‘Non classé’ Category

Alohan’ny hanokafana ny vava sy hitenitenenana foana dia vakio tsara ny asa sarotra na tadiavo ao @ wikipedia ny dikan-teny malalaka mahakasika ny atao hoe ANDEVO raha ny teto IARIVO sy Madagasikara no resahana.

70706615_2364582723755505_4999478881871200256_n

Sary nalaiko teny Anjohy. Antananarivo misandrahaka anaty korontana miampy ny fitsanganan’ireo tranobe manimba ny hasin’ilay tendrombohitra.

« Antananarivo madio ny tanjona ka tadidio » filamatra mbola tsaroako tsara fahiny raha mbola nisy ny fahatogavan-tsainan’ireo mpitondra sy ireo mponina teto Iarivo. Fotoana fohy ihany anefa no nahita mangirana sy filaminana ity tanàna ity raha atao ny jery todika nanomboka t@ fanjanahan-tany.

Sady mampalahelo no mahatezitra tanteraka ny zavatra iainana eto ankehitriny satria, ny ambony lasa ambany, ny ambany lasa ambony. Tsy misy lohany sy vodiny intsony ny lamina any ka atao izay tsy maha te honina ilay tanàna nahalehibe no sady renivohitr’i Gasikara.

Izany ve ny tanjona sa isika mponina no efa maty heritreritra ka lasa kamo lahy sy kamo vavy ampiasa saina @ fitadiavambahaolana? Sa tinareo omena sy ho hanjakainy vahiny ny tanàna dia eto isika rehetra manao andevombazahy? Maro ny fanontaniana azo hapetraka fa ny tena mahavalalanina dia ianareo mpitondra nifandimby mifanilika andraikitra anefa, samy mpangalatra sy tompony kolikoly avokoa. Tsy misy afaka @ izany ianareo Tompokolahy sy Tompokovavy izay nifandimby nitantana ity tanàna ity!

Na mahantra sy sahirana aza isika dia tsy tokony ho maty heritreritra satria tsy « quatre mi » na adala ka tsy afaka mandinika sy mampiasa saina intsony.

FAVELA NA BIDON VILLE

favela_1_

Sary nalaina tao @ Google, FAVELAS any Amérika Atsimo

Ny atao hoe FAVELA dia BIDON VILLE ny filazantsika azy. Trano ratsy bika sy ratsy endrika fa indrindra tsy manaraka ny tokony ho izy ny atao hoe favela. Mitovy tanteraka @ izao ny firafitr’ireo trano misy eto Antananarivo.

Novaina container vitsivitsy ny trano sachet tetsy Ampefiloha ary nankalazaina fa niasa mafy ny minisitriny mponina, mody mitabataba ireo milaza ho azy fa mpiaro ny zon’olombelona hitadiavana famatsiana hamenoana ny paosy sy hisehosehoana @ haino aman-jery fa mpandray andraikitra. Ny sasany indray tompondaka @ fisintonana lakilosy ary milaza ho mpiaro ny ambany tanàna hanaovana racket ny mpanakarena sy ireo olona manantsaina tia ny soa sy ny tsara ary manankatao.

Mahatsikaiky fa dia olona mahantra ara-tsaina avokoa no mameno ny sehatra. Voafitaka @ zavatra tsy misy fotony ny rehetra satria, kamo hanohitra ilay tsy rariny sy tsy mety any ka izay sisa ny takatrin’ny atidohan’ireny karazan’olona hafahafa fiainana sy fomba amam-panao ireny. Na ny mitondra na ny entina dia very fanahy mbola avokoa!!!

Tanàna maloto indrindra fahatelo manerana izao tontolo izao i Antananarivo ary voalohany raha ny eto Afrika no asian-dresaka. Mponina tsy manana olana @ fifangarohan’ny tay sy ny amany @ ranon’ny JIRAMA. Mponina tsy manana olana @ setroka fiara sy moto tsy ampy karakara mameno ny tanàna, miteraka aretin-tratra faobe sy fahasemporana. Mponina tsy manana olana @ fividianana legioma sy voankazo  @ tany. Mponina tsy manana olana @ fividianana hanina masaka masiso sy be menaka tsy misy fotony, mponina tsy manana olana @ fividianana hena tsy anaty fitoerany feno vovoka sy setroka sy ny sisa.

Raha ny tena izy dia olona maty heritreritra ny mponina eto Iarivo ka mila entina sy fehezina ohatran’ny biby mba hanaraka ny rindrandamina izay tokony hapetraka.

SOSOKEVITRA SY VAHAOLANA

71022734_340934486633720_4290878856501395456_n

Sary nalaiko androany 12 septambara teo Antsakaviro, miodina anaty fitohanana ny taxibe iray anaty lalana tery dia tery.

70211849_370703603821110_6935350599298842624_n

Trano manakona ny « point de vue panoramique » eny @ « chalet » Anjohy. Nitsangana tampoka tao anatiny fotoana fohy nanomboka ny fitondrana Tetezamita.

Raha tiantsika ny hanavotra ity tananan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy ity dia mila hatsahatra ny fanaovana lafika ny vahoaka ary tsy tokony ampiainana ireto farany intsony ny fiainan’andevo.

 

 

 

 

 

 

Publicités

29571005_10160116469745371_5456523189023312660_n

Sariny LOGO BARCAMP maneran-tany.

Raha tsiahivina vetivety ny tantaran’ny BARCAMP dia niainga avy any Amerika Avaratra tany Californie tao Palo Alto ny taona 2005. Rehefa nahita fa nisy ny sivana nataony Tim O’Reilly, mpikarakara ny Foo camp dia nitsangana ny hevitrin’ny BARCAMP t@ izany fotoana izany. Herinandro monja ny fikarakarana ary nahasarika olona teo @ 200 teo.

 

INONA NY ATAO HOE BARCAMP?

Ny BARCAMP dia fihaonana misokatra, tsy misy sivana na taratasim-panasana ary natao ho an’ny be sy ny maro. Ireo olona manana traikefa na fahaizana na fomba amam-panao mikasataka ny tombotsoa iombonana fa indrindra liana @ fikirakirana ny tontolon’ny teknolojia vaovao ny loharahana @ izany. Ny takelaka web2.0 no ampiasaina @ fampahafantarana ny hetsika ary tsy misafidy saranga na tanora na lehibe na antitra ka manana talenta na hevitra na fahaizana manokana ka tia mizara.

Samy mpandray anjara avokoa ny rehetra ary tsy misy ny mpijery. Ao anatin’ny firalahiana tanteraka ny hetsika ary tsy misy mahazo mitady voninahitra na dera na laza.

Ny fahaizana na ny hevitra izay zaraina dia tsy natao hitadiavambola, tsy mahazo manao dokambarotra ny mpandray anjara ary fadiana ny maneho hevita lava loatra.

Tsy business ny BARCAMP fa fifanakalozana eo amin’ireo mpikirakira ny internet, logiciels libres ary ny reseaux soiaux

BARCAMP 10 TAONA

Ny taona 2008 no nitondran’i ramatoa Joan Razafimaharo ny hetsika BARACAMP voalohany teto Madagasikara. Tonga dia niampita ary voarain’ny maro ny fotopisainana ary tsy sarotra t@ rehetra ny nandray.

Ny édition voalohany BARCAMP dia nanomezana vahana ireo Geeks, Bloggers, internautes sy ny mifandraika @ izany t@ izany fotoana. Nisy namana vahiny tao @ RisingVoices (Rantsana GlobalVoices) izay tonga nanotrona ny hetsika. Mpiray fikambanana niaraka t@ Foko Madagascar (Fikambanana voalohany nametraka ny atao hoe journalisme citoyen/blogger teto Madagasikara) ny Voices Boliviana, izay tonga nanatrika sy nizara ny fahaizany.

Ny édition faharoa dia natao ny taona 2009, nikasika ny fahafahana miteny ka mbola nahitana ireo bloggers, geeks, olona tsotra nitondra fomba fijery nanasoavana ny fiarahamonina ary mpikirakira ny reseaux sociaux. Tsy azo adinoina ihany koa ny  nanasana mpikambana vahiny iray namana, tao @ Globalvoices.

Feno folo taona ankehitriny ny revy BARCAMP koa dia manasa antsika rehetra tapaka sy namana izay liana ny faha 13 ny volana oktobra izao manomboka @ 8 ora maraina ao  café du musée.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

11885235_1681703675395749_795792323837021602_nSary nalaina tao @ facebook ny FONDATION RATOZAMANANA

Ho fanombohana ity lahatsoratra ity, dia miala tsiny aminareo mpamaky raha izao indray vao maneho hevitra roa taona aty aoriana. Hialako tsiny mialoha ihany koa, raha mety hanafitohana sy hanelingelina ny masonareo ireo soratra diso.

Aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka.

Mety misy ireo mihevitra fa ory hava-manana, matoa henjehina mafy ny olona iray. Ao ihany koa ireo mahita fa fanaony Alika ny mivoavoa rehefa noana na mangetaheta! Saingy, adinon’ireo milaza izany fa tsy ny hanohanana ihany no mampivoavoa ny alika. Tafiditra ao anatin’izay ihany koa ny fanairana fa misy olona tonga tsy nantsoina hangalatra na handromba na hamono olona sns. Izany hoe, fanairana ny tompontrano na ny tompon’andraikitra fa misy mitady hanao ratsy. Misaotra ny alika mpanaitra izany isika @ izay lafiny izay!

Tsetsatsetsa tsy aritra sy kilalaon-teny, ho fanazavana ny fomba fisainana misy eo @ tsika Olombelona ihany iny. Fa aleo hiverenana vetivety ny mikasika ny fomba fahitako ity olom-panjakana, misahana toerana ambony eto @ firenena ity. Tsy iza izany fa ingahy Ratozamanana.

Raha ny zava-misy mikasika ity lojika, entiny antoko politika HVM ity dia tena mahatalanjona ahy tanteraka ary mahatonga ny fanontaniana hipetraka manao hoe: « Lany olombanona sy olomanga tokoa ve i Madagasikara? ». Raha izay tokoa mantsy ny tranga misy dia aleo « halan’andriana toy izay halam-bahoaka. »

Ny fifandraisako sy ny nahafantarako an’ingahy DG

Folo taona katroka (2007 – 2017) ankehitriny no nahafantarako an’ingahy rainy. Olona « sac à dos » avy any Frantsa nigadona teto Madagasikara no hitako voalohany. Fifankalalana nanomboka t@ internet ary niafara t@ fifankahitana @ samy Olombelona.

Raha ny marina dia ny tontolon’ny blogging (internet) no nampihaona anay. Nandeha ny ady hevitra @ tokony ampiroboroboana, ny fahafahana miteny sy maneho hevitra eto @ tontolon’ny numérique (internet) aty Madagasikara. Mianadahy maromaro izahay no nifaneraresera t@ izany ary samy nipetraka t@ kaontinanta hafa (Amerika, Eropa ary Afrika.)

Natsangana ny fikambanana FOKO MADAGASCAR taminio taona io teto Madagasikara sy tany Canada. Natao ny « networking » ary ny tenako no tompon’andraikitra voalohany ny fikambanana teto Madagasikara. Samy nitondra ny anjara brikiny, t@ fitadiavana ny soa sy ny tsara ho an’ireo mpiarabelona izahay efatra mianadahy Joan, Lova, Mialy ary ny tenako (Miala tsiny aminareo raha manonona ilay anarana)

Nandeha ny andro, nandeha ny fotoana, niasa mafy ny tenako sy ireo olona voalaza anarana etsy ambony. Faritra 11 eto Madagasikara no misy ny rantsan’i fikambanana ary manana mpikambana, nomena fiofanana, maimaim-poana t@ resaka blogging sy ny « reseaus sociaux » maheriny 500 ny FOKO MADAGASIKARA ankehitriny (mpianatra, ONG, olona tsotra, miaramila, mpitsara, mpisolo vava, mpiasany banky, mpanakarena miasa tena, mpanao gazety tradisionaly, olona nisotro ronono, mpanao fanatanjahan-tena avo lenta, mpampianatra eny @ anjery manontolo sns.)

Tonga t@ nofinofin’ingahy Ratozamanana fa ilay « potentiel » nisy teo aminay efatra mianadahy dia azo araraotina mora foana. Nofy ririnina t@ andro fahavaratra nefa no nitranga ary tsy tao anatiny fanantenany.

FOKO MADAGASCAR sy Harinjaka Ratozamanana

Mpikambana tao @ FOKO Madagasikara ve izy? TSIA NY VALINY. Nanasoa sy nizara zavatra tsara ho an’ireo mpikambana ve izy? MBOLA TSIA IHANY NY VALINY. Nampiasa ny anarany fikambanana ve izy nanamboarana CV hizestiavana sy nangalana voyage tetsy sy taroa? ENY NY VALINY sns.

Hatreto izany raha mbola minia ilay bandy io fa nahavita zavatra sy nampiroboro ny fikambanana voalohany, misahana ny atao hoe: » JOURNALISME CIOTYEN » teto Madagasikara dia diso tanteraka izany. Esory ao an-tsaina fa tsy nahavita na inona na inona ho anio fikambanana io Harinjaka Ratozamanana na ny bitika aza! Ary azo porofoina t@ asa natao sy entina eo @ lafiny ara « juridique » ity resaka ity raha tadiaviny sy halefa alavitra kokoa.

Inona ny olana teo aminay?

Tonga niaraka t@ « sac à dos » hoy aho ingahy rainy ny taona 2007, niresaka tamiko, ary nifanerasera tamiko nandritra ny fotoana fohy. Nihevitra fa rehefa gasin’andafy be resaka dia afaka mamitaka ny gasy tsy be resaka eto an-toerana!

Niteraka ny fifanolanana ara-kevitra nohon’ny lainga sy ny fitaka hitako sy niainako niaraka t@ ledala. Nifandona mafy ara fotokevitra satria, nisoratena ho toy ny mpanjaka ingahy « sac à dos » ka tokony nomena vola, fahefana sy ny mifandraika @ izany. Nohon’ny fahaizana mamitaka anaty lainga tsara lahatra nefa, dia tsy nekeko izay zavatra izay!

Mendrika ny atao DG ny ministeran’ny indostria misahana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ve ialahy ry Harinjaka Ratozamanana?

Tonga dia TSIA ny VALINY! Mahamenatra tanteraka raha ialahy no mitazona sehatra ambony tahaka izao. Tsy resaka fialonana na ny mifandraika @ izay fa ilay fomba amam-panao dia feno fitaka ary tsy mampitsiriritra velively.

  • Eto dia mbola nahatalanjona ahy ny fanatrehan’ialahy sy ny fandraisan’ialahy anjaram-pitenenana @ ady hevitra mikasika ny nokleary? Eto ihany koa dia mbola gaga sy talanjona ny tenako fa hay ve ialahy ka mpandraharaha e? Eto ihany koa dia variana aho fa rehefa avy nanao mpanolotsina tao @ ministeran’ny paositra dia lasa mivadika any ministeran’ny indostria ialahy? (Politiquement correcte mais honnêteté intellectuelle oblige des explications Mr le DG). Eto koa dia mbola variana sy mametraka fanontaniana ny tenako hoe iza marina moa izany ialahy ry Harinjaka? Ohatrinona moa izany ny capital misy eo @ ialahy ao aminio fondation ao @ Facebook io? Eto koa dia Gaga sy talanjona foana aho @ ialahy manao zavatra sans scrupule io? Eto koa dia tahakan’ny mijery sarimihetsika aho rehefa manaratsy sy manely tsaho etsy sy aroa ialahy momba ny tenako?

 

  • Raha ireo ankizy marobe, mpikambana, ao @ Foko Blog Club, nahazo fanasana, hanatrika atelier sy conférence, tato anatiny sy ivelany Madagasikara ihany koa ve izany, dia mendrika azy ireo ny ho atao DG any Air mad na JIRAMA sns. – Tsy mila mandalo sedra hafa fa tonga dia resaka tandrametraka sy fitaka seho ivelany sns.
    Tsetsatsetsa tsy aritra hafa ihany koa ramose fa rehefa vita ny atelier sy ny « conférence » dia mila manao tatitra lava dia lava ny mpandeha ho an’ireo mpanaraka fa tsy « paragraphe » iray ao @ Facebook akory ny tokony hamintinana ny telo na efatr’andro nanatrehana ilay izy. Izay no ilaina ny blog ho antsika tia mampiroborobo ity tontonlon’ny internet ity!

Raha tsiahivina vetivety dia nampiakarinay ialahy ary nomenay ny fahafahana hiatrika ny TED (Firy @ nareo mpamaky izao no mahalala izay?) ary fantatra’ialahy tsara iza ilay olona tokony nandeha tany? Nohon’ny fitadiavan’ialahy voninahitra, t@ alalan’ny tetik’asa, fampiakaran’ialahy ny tena-keliny’ialahy dia mihevitra ny olona maro, fa tena dadany ialahy. Adala izay mora sodokan’ny Akanga tsara soratra!

Rehefa nomenay ny fahafahana hanatrika ny BARCAMP 2è édition t@ taona 2008 ny vatana sy ny sain’ialahy ry Harinajaka. Satria, noheverinay fa efa tonga saina ary tokony nampiova ny fomba amam-panaon’ialahy ny sedra ratsy sy ny maizina nolalovan’ialahy (Fitoriana nataon’olon sns.). Dia akory ny hagaganay fa ialahy foana no mitsetsitra ilay fandehanana mivoaka any ivelany mampiseo fa manana QI ambony nohon’ny hafa? (Fitiavan-tena ve sa izay mihintsy ilay izy?)

Eto dia deraiko tanteraka ihany koa ireo bandy sy sipa tena manampahaizana ao @ fikambanana HABAKA sy ireo startupers nampiakatra an’ialahy ho tonga aminio toerana tsy mendrika any ialahy io.

Nandray vonona t@ zavatra maro ialahy ary omena tehaka sy salio fito manokana kosa aloha fa dia ain’ialahy tsara ny nanao ny « exploitation » olona maro, natao tohatra fiakarana hahatogavana @ tanjona tsy dia misy dikany firy loatra ho ahy.

Futur Bill Gates de l’Afrique sa futur mpandraharaha zaton’i Afrika?

Eto dia tena mahatalanjona sy mahagaga ahy ihany koa ilay lahatsoratra nivoaka momba an’ingahy rainy nataony vazà momba ny tenany taminio.

Rehefa miaraka mandany andro sy misotro kafe miaraka @ mpanakarena ve dia lasa mpanakarena? Rehefa miresaka sy namana mpandraharaha ve dia lasa mpandraharaha?Rehefa manao selfie miaraka @ olona malaza ve dia lasa malaza tampoka ihany koa? Rehefa manao selfie miaraka @ mpanakarena ve dia lasa mpanakarena ihany koa? Rehefa manatrika hatrik’asa miaraka @ olona manam-pahaizana ve dia lasa manam-pahaizana ho azy ihany koa? Rehefa mandainga sy mamorona « identité » ve dia lasa olombaovao tampoka ihany koa? Sns, sns.

Tsy izay angamba ny lalàna mifehy ny fandraharahana sy ny toerana hahatongavana ho lasa olombanona. Tsy mila manao déclaration d’impôt any @ fandoavan-ketrany grande entreprise (ar 4 miliara +), tsy mila mampiseo fa manana « chiffre d’affaires millions de dollar » sy niasa mafy nahazoana anio chiffre d’affaires io, tsy mila manana mpiasa maro, tsy mila manana capital mavesatra, tsy mila teknisianina sy manana connaissance « approfondie » @ sehatra iray dia afaka atao hoe futur Bill Gates de l’Afrique na misoratena indray mandeha ny ho lasa leader any Afrika rahampitso.

Hafatra ho any Harinjaka Ratozamanana

Lasa DG tampoka ialahy @ ireto karazana « identité » maro karazana. Milalao politika ialahy ary mihevitra fa ireo bandy sy sipa manam-pahaizana, nandrato fianarana ela mikasika ny fitantanana ny raharaham-panjakana ho an’ny sehatra tsy miankina dia Omby mijery flora avokoa.

Ministera aloha izay vao sehatra tsy miankina! Arak’izany, ny fahitako azy, asesika daholo izay te hisesika fa tsy manana olona ny HVM.

Any hafatro ramose Ratozamanana, misy ny bandy sy sipa tahaka ny tenako eto @ ity firenena ity. Tsy misoloky, tsy tia mangalatra, tia mitsinjo ny fiarahamonina, tsy tia manararaotra ny hafa, masahy mandray andraikitra, tsy mila volam-panjakana vao afaka mivoaka any ivelany, tia miasa mafy sy miasa mahitsy ary tsy mpandainga nefa, masahy maty @ rariny sy ny hitsiny.

Arak’izany, misaotra an’ialahy nanaitra ilay ambopoa @ fiverenana miblog. Misaotra any ialahy ihany Koa arak’izany fa rehefa ho avy ilay fotoana dia mety ho tonga any amin’ialahy aho handodona, hangataka fanampipanazavana @ resaka fampiroboroboana ny indostria ho an’ny sehatra tsy miankina.

Fehiny

Asa soratra faharoa ho an’ingahy tale ity. Ny voalohany dia t@ teny anglisy! Mbola ho avy ny manaraka raha ilaina, miaraka @ porofo mafonja fa tsy mahantra olombanona akory i Madagasikara.

Mila mitandrina ny tanora @ seho ivelany ary mila mampiseo fa mbola betsaka ny tena izy nohon’ny mifanohitra @ izay!

Ho an’i Madagasikara sy ny malagasy
Pakysse
#T4D #M4D

 

 

 

 




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    Dadabazy Mpiandry dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    Krîs dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…