Archives de novembre, 2008

Si on reconnait l’Afrique par ses guerres, ses dictateurs ( Mugabe, Kabila, Ratsiraka…), sa famine, sa corruption, ses republiques bananieres, ses coutumes ancestrales ( se faire trouer le nez par une epingle, port d’un anneau au niveau des testicules…), la non conformite des normes ( l’ingeniosite africaine par le biai du bricolage..), ses viols ( le pere qui viol sa fille..) aussi, on vois en nous peuple africain d’apres l’histoire: esclavage, negritude, lenteur psychologique, pays colonises…sans oublier l’extravagant combat contre l’apartheid en Afrique du sud mener par le tres cher pere fondateuur Nelson Mandela.

Si tout cela est du cote sombre de l’Afrique en general par contre je vois une Afrique pleine d’esperane, de bonte, de simplicite mais surtout beaucoup d’avenir car le futur du monde est entre ses mains,elle possede une richesse intellectuelle hors du commun, des gisements miniers hors pairs, une vegetation pas comme les autres sans oublier ses safaris, ses rallyes (rally safari, rally Dakar, rally du Sahara..) , ses richesses culturelles, mais le plus important en ce moment c’est que l’Afrique n’est pas encore un continent industrialise donc en somme on a une potentiele environnementale assez elever.

Pour en finir avec mon Afrique a moi je pense que nous peuple du continent africain devrons s’unir pour que les Pays Avances ne se moquent plus de nous, ne pillent plus nos terres, ne vols plus nos femmes, nos enfants car non seulement on est riche sur tous les termes mais aussi on est un peuple a part entiere qui en passant scientifiquement parlant ( parait-il) tous les hommes sont tous de descendances africaines.

je te tag; Lova, Randy, Mialysenfout

MPAGARO PAOSY!

Rehefa iny tapitra iny moa ny ora ny fiasana sy ny fianarana koa andeha hody haka bus ny olona eto an-drenivohitra dia mifanesika be tokoa ary eo indrindra ry zalahy no manao ny ataony fa ny tena mahagaga dia ireo olona mbola zaza ary tena zaza no manao izany koa tamin’ity indray mitoraka ity dia sendra ny nahay azy ry zalahy satria dia polisy mihintsy no tena lasibatra. 

  

   Raha iny niakatra anaty bus iny moa dia somary mifanisika tokoa ary samy manao izay ataony mba ho tafiditra anaty bus satria mamy ny mody koa teo indrindra ireto zatovo vitsivitsy no mody nibahana ny fidirana dia nisava ny tao anaty paosiko moa ry zalahy koa niseho nisava dia tsy nahita fa noteneniko oe avelao io fa matiko eo elisany, dia navelan’dry zalahy fa mbola nanohy ny asa ratsiny ihany izy ireo ary sendra ny nahay azy satria dia polisy izao no nosavainy ary tonga dia tra-tehaka fa tsy nahetsika fa  ny namany kosa dia tafatsoaka avokoa.

   Ny arret bus tiako resahina eto moa dia ilay arret akaiky ny Shalimar Tsaralalana,ary mora tamin’dra sefo no nitondra any ilay bandy satria dia ao ambadika kely ao fotsiny no misy ny “poste de police”.   

   Ny lesona azo tsoahina dia ny oe mitandrema isika mpandeha bus satria dia maro tokoa ireo mpanagaro paosy.


Pays riche egal Pays industrialises, raha izay no filaza ireo firenena
lehibe mandroso sy manakarena dia tsy izay kosa no mitranga eto amintsika satria
raha iny niijery fandaharana iny ny tena tamin’ny fahita alavitra iray omaly
alina dia gaga raha nihaino ny famelabelarana sy ireo tranga maro samihafa
mpahazo orinasa iray mpikarakara savony dia tsy iza izany fa ny Savonnerie
Tropicale SA.


Efa ela ihany moa ity orinasa iray ity no nitaraina sy naneho ny heviny
momba ny fahitany ny atao oe “concurence deloyale” sy ny antsojay ataony
fanjakana manoloana ny orinasan’izy ireo koa izay indrinda no nahonga ahy ny
haneho hevitra tsotsotra kely eto satria hitako fa tsy rariny izany marina no
tena mahazo ireo indostria eto amintsika.


Raha eo amin’ny 40 eo eo ireo orinasa mpamokatra savony dia eo amin’ny 4
eo ihany ry zareo ireo no indostria goavana fa ny ambiny irony araka ny
filazana ny tompon’andraikitra dia “ savony makafoka” izany oe savony tsy ao
anaty ny lalana mifehy ny varotra na
raha atao bango tokana dia svony tsy manara-penitra iraisam-pirena.


Ny ohatra izay ho raisina eto dia ny savony izay vokarin’ireo olona avy
atsy Maorisy na irony atao oe ‘citron plus” irony izay araka ny filazan’ireo
tompon’andraikitra ao amin’ny Savonnerie Tropicale dia savony tsy
manara-penitra no sady savony mpaka tahaka satria raha eo amin’ny resaka
kalitao dia ambany dia ambany tokoa no sady savony novokarina avy amin’ny
teknika ny orinasa ny savony Savonnerie Tropicale, fa ny tena mamapalahelo dia
ny fahafanataran’ireo tompon’andraikim-pajakana izay mifehy ny varotra eto
amintsika izay tena minia ny mody tsy mahafantatra sy ny minia ny mody tsy
maheno ny antso nataon’ity orinasa iray ity izay tsapa sy hita fa raha mitohy
izao dia tsy hisy intsony ny indostria malagasy goavana tahaka izao.


Ny tena mamapalahelo ihany koa dia ny filazan’izay ireo fa ny tena
mamely ao amabadiak dia ireo oriansa zanatany mapanafatra savony tahaka ny
orinasa mpamokatra biscuits sy ny orinasa MAGRO izay nolazainy
tompon’andraikitra fa tsy misy ny savony Nosy ao na ny iray aza fa dia ny
savon’ireo maorisianina jiaby no ao koa lasa napa metram-panontaniana ny olona
oe fa dia maninona no manao tahaka izao ary maninona ihany koa no samy malagasy
no mifamono tahaka izao satria ve mba mety sy ara-penitra ary kalitao ny savony
nosy dia atao izay hanimbana izany?


Raha mbola nanazava ihany koa ity tompony orinasa ST ity raha
nampitoviny dia ny Savonnerire Tropicale hoy izy MERCEDES fa ireo savony avy ao
Maorisy hoy izy dia 2CV koa azonareo amin’izay ny mahatonga io orinasa io
mitaraina satria dia tena tsy rariny intsony no sady raha nanazava ihany koa
izy dia azo lazaina fa efa ady goavana tokoa tamin’izany andro izany ny natao
tamin’ny Savon de Marseille izay tena natanjaka tokoa tamin’izany fotoana izany
satria mbola azo lazaina fa tao anaty ny fanjanahana tokoa anefa ny ST dia nahavita ny nifaninana tamin’izy
ireo any hatrany amin’ny tsy nahitana izany savony izany intsony koa maninona
moa ny eto an-toerana ary samy orinasa malagasy indray no mifamono?


Ny dingana rehetra moa dia efa vitan’ity orinasa ity hatrany amin’ny
kaomisiaonina miaro ny varotra eo anivon’ny oseaniba indianina, ny COMESA ary
farany dia mnomboka menaeo ny heviny eo anivon’ny SADC ity orinasa ity.


Ho famintinana izay rehetra voalaza izay dia tiana ny mampatsiahy fa
100% ny capital ao dia malagasy avokoa ary izany dia tokony hanehoana ny
fitiavan-tanindrazana ho antsika malagasy sy tsy tokony haneoana ny
hetraketraka ny samy malagasy fa maninona moa raha miaraka miasa sy mampiseo
tokoa fa na dia eo andalam-pandrosoana aza isika dia afaka miray hina sy maneo
ny hevitra fa tsy tokony ny samy malagays indray no mifamely ary taiana ny
mampatsiahy fa ny tompon’ity orinasa ity dia anisan’irony olona mpiaro ny
orinasa ny ny tombotsoany malagasy raha atao bango tokana.




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    http://goanalyze.inf… sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Heaven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Irish sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Randi sur RT@Leo Politika Maloto: Intern…
    Jeana sur ANDRY RAJOELINA : Un charlatan…
    Etta sur Misaotra an’i Silo
    Stretch sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Coralie sur March 20, 2009
    Velvet sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Carley sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Lucinda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Micheal sur BARCAMP MADAGASCAR
    Peggy sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Letitia sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Lola sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…