Archive pour juin, 2014

image

Bigga Tovo; Bandin’Karnaz

image

1 – Manomana hetsika ny kolontsaina mainty ao Antsahamanitra ny 22 Jiona ho avy izao. Afaka omen’ialahy fanazavana misimisy ve ny mpanaraka ity blog ity ra Big?

Salama daholo ary faly miarahaba ny mpitsidika sy mpamaky ity blog ity. Ie manomana hetsika maimaimpoana ny label « Kolotsaina Mainty » amin’ny alahady izao ao Antsahamanitra amin’ny 1 ora talakandro « zaza rap taiza » no anarany. Hetsika natao hampafantarina ny Malagasy ny ady amin’ny drepanocytose. Satria anio alakamisy 19 jiona ny andro iraisam-pirenena aminio areti-mandoza io manerana izao tontolo izao. Ny drepanocytose moa dia aretina manaranaka ny rà (sang) ka miteraka tsy fahatomombanan’ny fiarovana ao amin’ny vatana. Marihina fa ny hetsika « Zaza Rap Taiza » izay atao ny alahady izao dia hetsika maimaimpoana tsy misy vidim-pidirana ka ny fahatongavanao ao no maneho ny fanohananao ny ady atao amin’ity aretina ity. Raha misy moa ny mila fanazana fanampiny dia tsidiho ny pejy facebook Zaza Rap Taiza , na ny http://www.kolotsainamainty.com

2 – Ny fifandraisan’ny drepanocytos sy ny kolontsaina mainty mivohy ny HH?

Ny fifandraisan’ny « Kolotsaina mainty » amin’ny ady atao amin’ny drepanocytose eto Madagasikara izay iandreketan’ny Ong LCDMF dia fiaraha-miasa maimaimpoana sy fifanampiana. Izany hoe ny « kolotsaina Mainty » dia mihezaka manao izay vitany, sy mampiasa izay traikefa kely hanany amin’ny fampafahatarana ny ONG LCDMF. Ny « Kolotsaina Mainty » moa dia label mozika urbaine izay hivondronan’ny artiste sy fikambanana maromaro toa an-dry Kougar, karnaz,… Ny zavatra tsapanay dia ny tsy fahampian’ny ady atao amin’ny drepanocytose nohon’ny tsy fahafantaran’ny olona ilay aretina satria marihina fa ny fangalana rà ihany no hafahana mahafantatra azy ity. Ny zazakely no tena voan’izy io. Raha tsy hiteny fotsiny ny eto afrika isika dia 300.000 isan-taona ny zaza teraka mitondra an’io aretina io. Izaho manokana dia mino sy manatena foana fa ny ankizy no hoavin’ny firenena ka ny fitsinjovana ny fahasalaman’izy ireo dia tokony ataon’ny fanjakana vaindohan-draharaha. Raha ny marina dia tsy izahay mpihira rap majinika kely aty no tokony hanao an’izao fa tokony asan’ny fanjakana. Nefa moa rehefa tsy hanao ny fanjakana, dia raisinay ny andraikitra satria mampalahelo ihany ny mahita fa mbola misy ny zazakely matimaty fahatany noho ny tsy fitiliana na ny tsy fahafantarana ara-potoana ny aretina mahazo azy izay azo tsabona tsara. Misy moa ny hira noforon’ Kougar izay atolotra ho an’ireo zaza tratran’ny drepanocytose.

3 – Bandy sy sipa maro no ampirevy mandritra ny hetsika. Hafatra fohy?

Eka! groupe eo amin’ny fito eo no ampirevy ao Antsahamanitra amin’ny alahady izao. Isan’izany i Kougar zanak’i Thiera Bruno, ho avy ao koa i Dadlah, Ben J kofa dahopp, ao koa i Joudas bandy revelation avy any Toamasina, ho avy ao koa moa ny tarika Karnaz izay misy ny tenako, ho avy ao koa i Psykopasy avy amin’ny Xcrew. Hanafana ao ihany koa ry Jiolamb’ups izay isan’ny fikambanan rap misondrotra amin’izao, ary ny fikambanana farany dia ry Martiora freedom izay fikambanana « coup de coeur » ankafizin’ny tanora amin’izao fotoana izao. Nihezaka moa ny tena miaraka ireo ekipa mba ho ho tafiditra ao daholo ny « genre sy tendance » eo amin’ny mozika black rehetra misy eto amintsika. Mbola haveriko ihany fa hetsika tsy handoavam-bola ny amin’ny alahady ka dia asaina daholo ianareo tia mozika sy liana te hanampy na te hahafantatra bebe kokoa momban’ny ady atao amin’ny drepanocytose eto Madagascar izay mahazo ny 9% ny malagasy.

image

Toavina Ralambomahay, mpanohitra

Mpahay lalana, mpanoratra Boky, mpanao gazety. Toavina Ralambomahay dia tanora mpanao politika, nanangana ny antoko  « Humaniste et écologique ». Ny fomba fijeriny ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao miaraka amin’ny andraikitra tokony ho raisin’ny tsirairay manoloana ny fiainam-pirenena  no zaraina aminareo.

1 – Afaka omenao fanazavana ve ireo mpanaraka ity blog ity momba ny antoko « humaniste et écologique » Ny amiraly Ratsiraka mantsy raha ny fahafantaran’ireo be sy ny maro no nivohy io fotokevitra io. Misy hifandraisany ve?

Marina mihitsy izany ! betsaka ny hevitra hitovizana tahaka ny Provinces/Régions autonomes, ny Fanagasiana (Malgachisation des cadres, de la langue d’enseignement ao anatin’ny 10 taona, ary ny actionnariat-salariés ho an’ny malagasy sns), ny fitakiana ny îles Eparses, ny fijoroan’i Madagasikara aminy foto-kevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (politique étrangère tous azimuts. Tohizako, manaja ny fihavian’ny tsirairay sy ny finoan’ny tsirairay, miady ho an’ny fitoviana ny samy malagasy sy ny samy olom-belona, ny fahazoan’ny tsirairay fianarana (éducation pour tous), fitsaboana (Santé pour tous) izay miahy ny maha-olona (humanisme), momba ny fisarahan’ny fanjakana sy ny fivavahana (laïcité), sns.
Fa azoko koa fa betsaka ny fery na « traumatisme » avy amin’iny Rangaha iny. Ny tsara no mila tohizana satria tena mbola lavitra ny lalàna. Ny Vina moa dia efa nozaraina ary efa misy fanazavana maro eo amin’ny Facebook
.

2 – Hatraiza ny fahafataran’ny olona ny fotokevitra « Humaniste et écologique » ary misy firy ianareo amin’izao fotoana izao no mpikambana?

Tena vitsy ! 0,70% ; vato 484 ary faha 12 izahay tamin’ny kandidà 32 tamin’ny fifidianana solom-bavam-bahoaka farany teo (Tana V). Te hiofo ho antoko izahay satria tena vizaka an‘ireo mpanao politika ankehitriny. Izahay no nanohitra voalohany ity fitondrana ity teo anivon’ny ministera ny ati-tany (tamin’ny faha 17 febroary2014). Mikasa ny hanomana ny fifidianana ben’ny tanana izahay ary mitady olona mitovy fijery 55 ho lisitry ny Mpanolo-tsaina ary loha lisitra iray. Ny tenako dia mikasa ny hirotsaka ho anisan’ireo mpanolotsaina. Vonona koa izahay hiditra anaty listra mifangaro satria tena mafy be ilay fifidianana. Mazava fa olona mitovitovy fijery ireo mpiray lisitra ireo.

3 – Araka ny fanazavanao sy ny maha mpanohitra anao ny fitondrana Rajaonarimampiana. Raha ny antoko « Humaniste et écologique » ve no mahazo ny fitondrana dia tena hisy tokoa ilay fiovana andrasanan’ny olom-pirenena tsotra. Ary inona izay fiovana izay?

« Ny olom-pirenena tsotra » ihany no manao izay fanovana tiany. Ny antoko dia fitaovana fotsiny ihany. Ny olon-tsotra dia tsy tokony hanantena an’iza na iza afa-tsy ny tenany ihany. Ny fidirana amin’ny antoko kosa no fomba ahafahan’ny olon-tsotra mampahafantatra, mitaky ary maka fitondrana mba anaovany io fiovana io. Izahay tsy mangataka an’iza na an’iza Hino fotsiny ihany, fa iasa !
Tsy mba izahay no ampianatra ny olom-pirenena tsotra hahatoky ny mpanao politika na ny mpitondra ! fiaraha-miasa herim-po sy ezaka, no tadiavina.

4 – Ny MAPAR dia miaraka amin’i prezidà Andry Rajoelina fa manohana ny programan asan’ny Hery Rajaonarimampiana. Ny TIM dia karakarain’ingahy Rajemison rakotomaharo nefa ity farany dia manana ny antoko MAMAFISOA? Ny fahitanao izany fomba fanaovana politika izany raha tsy hitanisa ireo fotsiny isika?

Tsy azonay intsony ny fomba fanaovana politika…ka aleo mijoro amin’izay fa tsy variana mamakafaka…ny tena mamizaka koa dia ireo mpanome lesona ! tsy aleo ve ampiarina !

5 – Hafatra farany ho an’ireo mpanaraka?

Fotoana izao isafidianan-tsika ny 20 taona manaraka. Raha tsy mitandrina isika dia ny HVM-MAPAR sy Zanak’i Dada indray no hitondra antsika ho an’ny 20 taona manaraka raha ireo no maharesy amin’ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina. Ho feno azy indray ny antenimieran-doholona ! ny haute Cour de Justice ! ny fiadidiana ny tanana ! efa azy ireo moa izao ny Governemanta, ny HCC, ny Antenimiera. Ka sao lahy sempotra eto indray isika ka iafara eny an-dalambe indray…
Raha mila zavatra hafa isika, dia andao iaraka ka ianao no tompon’ny ho avinao.




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    mzar su sur Tsy dokam-barotra ity fa ny ka…
    music marketers sur BARCAMP MADAGASCAR
    bizinfo18 sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Rasoarimanana sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://goanalyze.inf… sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Heaven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Irish sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Randi sur RT@Leo Politika Maloto: Intern…
    Jeana sur ANDRY RAJOELINA : Un charlatan…
    Etta sur Misaotra an’i Silo
    Stretch sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Coralie sur March 20, 2009
    Velvet sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Carley sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Lucinda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…