Pakysse mivanaka amin’ny tsy fahatogavan-tsainan’ny RAJOELINA (Disc Jockey) amin’izao vanim-potoanan’ny taona harivo fahatelo izao.

Amin’ny maso mijery dia azo lazaina fa tsy misy azo raisina ny resaka fitantanana ny raharaham-pirenena miaraka amin’ity lehiben’ny DAHALO ity (Andry Rajoelina).

Miaramila, mpanao gazety tradisionaly, politisianina, manam-pahaizana, olom-pirenena sns. Aiza ny andraikitra sy ny toerana misy anareo manoloana izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao?

Amiko rehefa milaza ho azy fa mpitondra ny olona iray dia tokony mahafantatra ny atao hoe: »Gouverner c’est prévoir » fa tsy manao tahaka ny aliaka romotra tsy ampy taolana ka rehefa azo izay notadiaviana dia milaminna tahaka ny kisoa voky apombo.

Mampahonena ary tena mahamenatra tanteraka fa fahevendranana sy loham-boto sisa no takatrin’ny sainy RAJOELINA sy ny FORONGONY. Any vao misy fangatahana izay tena rariny sy hitsiny ataon’ireo olom-pirenena manana ny zo hangataka izany dia ny hery famoretana sy ny didin’ny be sandry no mandeha.

Araka ny naveriko matetika ho an’ireo tapaka sy namana dia tsotra:« Ry HITLER, MUSSOLINI, SADAM, BACHAR AL ASSAD, GBAGBO sns anie nihevitra ny henjana fa ny tantara no nametraka fa ZERO ry zalahy. Ity RAJOELINA ity izany dia mihevitra mihitsy fa misy ilaivana azy? Firenena tsy misy ETAT DE DROIT izany efa tsy lasa intsony. »

Mahalala menatra ianareo manohana be fahatany ny HAT fa manalabaraka tanteraka. MIZENDANA be amin’ny vola tsy nosasarana dia ilay vahoaka aminio mijaly be. Anga izy ity vanim-potoanan’ny fiforetana anaty? »

Hatsipy ny tady eny an-tandrokin’ny omby ary ny teny eny am-pon’ny mahalala fa raha mbola ny fahavendranan’ny RAJOELINA amin’ny resaka fitantanana sy ny fitadiavana ny soa ho an’ny vahoaka no asian-dresaka dia andraso eo i Paoly hoy ny fitenenana.


  1. Anonyme

    tsy i andry rajoelina irery akory no namotika an’i madagasikara fa aoka ny fitiavana anareo azy hipetra ao anatin ‘ny fonareo mangina ao

    • Anonyme

      tsy i andry rajoelina irery akory no namotika an’i madagasikara fa aoka nytsy fitiavana anareo azy hipetra ao anatin ‘ny fonareo mangina ao tsy hoe akory manohana an;’i andry aho amin’izany fa fijery amin’ny fomba ts miangatra aho

  2. Krîs

    ra tena olona vonona hijoro @ marina eo anatrean’A/tra ka vonona ho arian’ny havany satria io népotisme io no mampikatso an’i Madagascar




Laisser un commentaire


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Cyber-censure : Mada… dans LA SOCIÉTÉ MOOV MADAGASCAR TUE…
    Helatra dans NY RAZAMBEKO
    PATRICIA RAKOTOMALAL… dans Veloma lesy namana Ando a…
    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…