Archive for the ‘Fomba Fisainana Mivelatra’ Category

Alohan’ny hanokafana ny vava sy hitenitenenana foana dia vakio tsara ny asa sarotra na tadiavo ao @ wikipedia ny dikan-teny malalaka mahakasika ny atao hoe ANDEVO raha ny teto IARIVO sy Madagasikara no resahana.

70706615_2364582723755505_4999478881871200256_n

Sary nalaiko teny Anjohy. Antananarivo misandrahaka anaty korontana miampy ny fitsanganan’ireo tranobe manimba ny hasin’ilay tendrombohitra.

« Antananarivo madio ny tanjona ka tadidio » filamatra mbola tsaroako tsara fahiny raha mbola nisy ny fahatogavan-tsainan’ireo mpitondra sy ireo mponina teto Iarivo. Fotoana fohy ihany anefa no nahita mangirana sy filaminana ity tanàna ity raha atao ny jery todika nanomboka t@ fanjanahan-tany.

Sady mampalahelo no mahatezitra tanteraka ny zavatra iainana eto ankehitriny satria, ny ambony lasa ambany, ny ambany lasa ambony. Tsy misy lohany sy vodiny intsony ny lamina any ka atao izay tsy maha te honina ilay tanàna nahalehibe no sady renivohitr’i Gasikara.

Izany ve ny tanjona sa isika mponina no efa maty heritreritra ka lasa kamo lahy sy kamo vavy ampiasa saina @ fitadiavambahaolana? Sa tinareo omena sy ho hanjakainy vahiny ny tanàna dia eto isika rehetra manao andevombazahy? Maro ny fanontaniana azo hapetraka fa ny tena mahavalalanina dia ianareo mpitondra nifandimby mifanilika andraikitra anefa, samy mpangalatra sy tompony kolikoly avokoa. Tsy misy afaka @ izany ianareo Tompokolahy sy Tompokovavy izay nifandimby nitantana ity tanàna ity!

Na mahantra sy sahirana aza isika dia tsy tokony ho maty heritreritra satria tsy « quatre mi » na adala ka tsy afaka mandinika sy mampiasa saina intsony.

FAVELA NA BIDON VILLE

favela_1_

Sary nalaina tao @ Google, FAVELAS any Amérika Atsimo

Ny atao hoe FAVELA dia BIDON VILLE ny filazantsika azy. Trano ratsy bika sy ratsy endrika fa indrindra tsy manaraka ny tokony ho izy ny atao hoe favela. Mitovy tanteraka @ izao ny firafitr’ireo trano misy eto Antananarivo.

Novaina container vitsivitsy ny trano sachet tetsy Ampefiloha ary nankalazaina fa niasa mafy ny minisitriny mponina, mody mitabataba ireo milaza ho azy fa mpiaro ny zon’olombelona hitadiavana famatsiana hamenoana ny paosy sy hisehosehoana @ haino aman-jery fa mpandray andraikitra. Ny sasany indray tompondaka @ fisintonana lakilosy ary milaza ho mpiaro ny ambany tanàna hanaovana racket ny mpanakarena sy ireo olona manantsaina tia ny soa sy ny tsara ary manankatao.

Mahatsikaiky fa dia olona mahantra ara-tsaina avokoa no mameno ny sehatra. Voafitaka @ zavatra tsy misy fotony ny rehetra satria, kamo hanohitra ilay tsy rariny sy tsy mety any ka izay sisa ny takatrin’ny atidohan’ireny karazan’olona hafahafa fiainana sy fomba amam-panao ireny. Na ny mitondra na ny entina dia very fanahy mbola avokoa!!!

Tanàna maloto indrindra fahatelo manerana izao tontolo izao i Antananarivo ary voalohany raha ny eto Afrika no asian-dresaka. Mponina tsy manana olana @ fifangarohan’ny tay sy ny amany @ ranon’ny JIRAMA. Mponina tsy manana olana @ setroka fiara sy moto tsy ampy karakara mameno ny tanàna, miteraka aretin-tratra faobe sy fahasemporana. Mponina tsy manana olana @ fividianana legioma sy voankazo  @ tany. Mponina tsy manana olana @ fividianana hanina masaka masiso sy be menaka tsy misy fotony, mponina tsy manana olana @ fividianana hena tsy anaty fitoerany feno vovoka sy setroka sy ny sisa.

Raha ny tena izy dia olona maty heritreritra ny mponina eto Iarivo ka mila entina sy fehezina ohatran’ny biby mba hanaraka ny rindrandamina izay tokony hapetraka.

SOSOKEVITRA SY VAHAOLANA

71022734_340934486633720_4290878856501395456_n

Sary nalaiko androany 12 septambara teo Antsakaviro, miodina anaty fitohanana ny taxibe iray anaty lalana tery dia tery.

70211849_370703603821110_6935350599298842624_n

Trano manakona ny « point de vue panoramique » eny @ « chalet » Anjohy. Nitsangana tampoka tao anatiny fotoana fohy nanomboka ny fitondrana Tetezamita.

Raha tiantsika ny hanavotra ity tananan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy ity dia mila hatsahatra ny fanaovana lafika ny vahoaka ary tsy tokony ampiainana ireto farany intsony ny fiainan’andevo.

 

 

 

 

 

 

Publicités

29571005_10160116469745371_5456523189023312660_n

Sariny LOGO BARCAMP maneran-tany.

Raha tsiahivina vetivety ny tantaran’ny BARCAMP dia niainga avy any Amerika Avaratra tany Californie tao Palo Alto ny taona 2005. Rehefa nahita fa nisy ny sivana nataony Tim O’Reilly, mpikarakara ny Foo camp dia nitsangana ny hevitrin’ny BARCAMP t@ izany fotoana izany. Herinandro monja ny fikarakarana ary nahasarika olona teo @ 200 teo.

 

INONA NY ATAO HOE BARCAMP?

Ny BARCAMP dia fihaonana misokatra, tsy misy sivana na taratasim-panasana ary natao ho an’ny be sy ny maro. Ireo olona manana traikefa na fahaizana na fomba amam-panao mikasataka ny tombotsoa iombonana fa indrindra liana @ fikirakirana ny tontolon’ny teknolojia vaovao ny loharahana @ izany. Ny takelaka web2.0 no ampiasaina @ fampahafantarana ny hetsika ary tsy misafidy saranga na tanora na lehibe na antitra ka manana talenta na hevitra na fahaizana manokana ka tia mizara.

Samy mpandray anjara avokoa ny rehetra ary tsy misy ny mpijery. Ao anatin’ny firalahiana tanteraka ny hetsika ary tsy misy mahazo mitady voninahitra na dera na laza.

Ny fahaizana na ny hevitra izay zaraina dia tsy natao hitadiavambola, tsy mahazo manao dokambarotra ny mpandray anjara ary fadiana ny maneho hevita lava loatra.

Tsy business ny BARCAMP fa fifanakalozana eo amin’ireo mpikirakira ny internet, logiciels libres ary ny reseaux soiaux

BARCAMP 10 TAONA

Ny taona 2008 no nitondran’i ramatoa Joan Razafimaharo ny hetsika BARACAMP voalohany teto Madagasikara. Tonga dia niampita ary voarain’ny maro ny fotopisainana ary tsy sarotra t@ rehetra ny nandray.

Ny édition voalohany BARCAMP dia nanomezana vahana ireo Geeks, Bloggers, internautes sy ny mifandraika @ izany t@ izany fotoana. Nisy namana vahiny tao @ RisingVoices (Rantsana GlobalVoices) izay tonga nanotrona ny hetsika. Mpiray fikambanana niaraka t@ Foko Madagascar (Fikambanana voalohany nametraka ny atao hoe journalisme citoyen/blogger teto Madagasikara) ny Voices Boliviana, izay tonga nanatrika sy nizara ny fahaizany.

Ny édition faharoa dia natao ny taona 2009, nikasika ny fahafahana miteny ka mbola nahitana ireo bloggers, geeks, olona tsotra nitondra fomba fijery nanasoavana ny fiarahamonina ary mpikirakira ny reseaux sociaux. Tsy azo adinoina ihany koa ny  nanasana mpikambana vahiny iray namana, tao @ Globalvoices.

Feno folo taona ankehitriny ny revy BARCAMP koa dia manasa antsika rehetra tapaka sy namana izay liana ny faha 13 ny volana oktobra izao manomboka @ 8 ora maraina ao  café du musée.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

40066417_958014107731901_5303169452366364672_nSary nalaina tao @ facebook Marc Ravalomanana ofisialy

Raha ny fiainam-pirenena misy eto no jerena amin’izao fotoana izao dia: “Ny tsara lasa ambany ary ny ratsy lasa ambony.” Samy manao izay tiany ny rehetra ary ilay kely mba namiratra dia lasa takony haizina avokoa.

 

Ilain’i Madagasikara sy ny vahoakany ve i Ravalomanana sa tsia?

ENY avy hatrany ny valiny raha ny amiko manokana no asian-teny. Tsy voatery hitovy ny fomba fijery rehefa politika no resahana fa izaho manokana dia resy lahatra (conviction) fa mila tadiavina miaraka aminy indray mandeha ilay very. Na tsy lafatra zato isan-jato aza ity rangahy ity dia andao ho jerena vetivety ireo teboka tsara mety azo raisina mikasika izany lehilahy izany.

Teboka tsara 1: Voafehiny ny afera sy ny vola maloto nandritra ny fitondrany

Rehefa nitabataba sy nihorakoraka ingahy Rajoelina sy ireo pombany fa mpangalatra sy mpamotika firenena i Marc Ravalomanana dia nomena an’ Rajoelina ny fitantanana ny raharaham-pirenena tamin’ny fidiran’ireo miaramila an-tsehatra.

Akory anefa ny hagagana, fa ny zavatra tsy noheritreretin’izy mianakavy dia lasa nitombo avo zato heny ny ratsy ary dia nololoavina ambony loha, ka lasa fampianarana niraikitra teo amin’ny vahoaka Malagasy hatramin’izao ora hanoratana izao ny lainga tsara lahatra sy ny fitaka be vava.

Antony 1: Nimenomenona ny rehetra fa nogiazan’i TIKO daholo ny afera izay nisy ka namoronany zalahy ny atao hoe TIKOLAND. EKENA ARY MARINA izany fa maro ireo mpandraharaha nitondra faisana nohon’ny hatendakan’ingahy Ravalomanana sy ny fianakaviany.

Ekena ihany koa, ary tsy azo lavina fa ilay TIKOLAND izay notabatabaina sy ilay hatendakanina dia, navadika ho KARANALAND, SINOALAND, VAZÀLAND (vahiny frantsay, afrikanina, arabo sns.) fa ny tena henjana dia ny nametrahana ny MAFIALAND teto amin’ity nosintsika ity.

Antony 2: Nitabataba ry zalahy fa lasany vazà daholo ny tany ary namidy tamin’ny fomba tsy mazava (afera DAEWOO). Nefa, nohon’ny tombotsoa iombonana dia tsy notanterahina ilay AFERA BE NAMPITOMANY ANY RAJOELINA SY NY FORONGONY (DAEWOO) fa dia natsahatra nohon’ny fahatogavan-tsainan’i Ravalo sy ny tariny.

Mbola akory indray anefa ny hagagana, fa noho ilay loha malemin’izy mianakavy mbola tsy mikatona angamba dia nosoloiny zalahy any SOALALA ilay resaka DAEWOO. Izany hoe, lasa natao fomba amam-panao, ilay mody mitaraina sy mitomany rehefa mitady zavatra. Akory atao fa dia misy olona  resy lahatra amin izany fomba hafahafa be izany amin’izao fotoana izao.

Antony 3: Nivazavaza ry ingahy kely sy ny tariny fa mila amidy ilay fiaramanidina « boeing air force 1 » ka tokony omena ny vahoaka ilay vola namarotana azy. Akory be hatrany foana anefa ny hagagana, fa rehefa lafo ilay fiaramanidina, dia nosoloina fiaramanidina fako roa airbus mba hahazoana « leasing » (commission) hiveloman’izy mianakavy sy ny vady aman janany (Antony nahapotika ny orinasam-panjakana airmad).

Moa ve nilaina tokoa ny namotehana sy nandrondanana ilay fitondrana Ravalomanana t@ izany fotoana? Ny fametrahana ny politikany omaly tsy niova sa ny hisian’ny lova tsy mifindra eo amin’ny fanaovan-dratsy ny tanjona zalahy ireo?

Raha izay mantsy no izy, tsy aleo ihany ve niharitran’i Ravalomanana izay nahavita nametraka zavatra tsara, t@ antonony, nefa azo notsapain-tanana ho fitsinjovana ny tombotsoa iombonana.

Teboka tsara 2: Ravalomanana sy ny politika iraisam pirenena

Amin’ny maha zanantany frantsay antsika dia lojika raha niteraka korontana ara-tsaina teo amin’ireo olona kamo lahy sy kamo vavy be tenda ny fomba noentin’i Ravalomanana teo amin’ny lafiny ara politika.

Antony 1 : Tezitra ny fitondrana AREMA sy ny taranany satria, potika tsy nisy noraisina intsony ny afera maloton’izy mianakavy. Betsaka ireo lasa nanao sesitany ny tenany tany Frantsa, ao ihany koa ireo lasa nahantra tampoka nohon’ny fitsokan’ilay rivotra vaovao sns. Ingahy Ravalomanana ihany koa anefa, rehefa tonga teo amin ny fitantanana ny raharaham-pirenena i Andry Rajoelina dia voatery nanao sesitany ny tenany tao Afrika Atsimo.

Raha eo amin’zay lafiny fanaovana ny tenan’ny tsirairay sesitany izay fotsiny no jerena dia efa hita soritra sahady ny safidy ara-politika teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noraisiny andaniny sy ny ankilany nandrintra ny fitantany zalahy ny firenena.

Antony 2: Mipetraka tsara eto ny « stratégie géopolitique » an’i Madagasikara miaraka amin’i Marc Ravalomanana satria, nisy fisokafana lehibe teo amin’ireo firenena nampiasa ny teny anglisy raha eo amin’ny lafiny ara-diplomatika no jerena.

Antony iray tena goavana izy io ho antsika izay tia mitady ny soa iombonana ho any Dago. Izany hoe, raha omena safidy ianao ry namana mpamaky dia jereo tsara ihany koa io lafiny iray io rehefa andeha handrotsa-bato.

Aza misalasala ny mifidy, aza misalasala mandamina ny sainao amin’ny tokony ho atao. Tsy aleo ve manarina toy izay mamotika tahakan’ny fomba zalahy ireo. Sa aleo manaiky fahatany, tsy manana hazon-damosina, tia mimenomenona lava satria, ho entiny olona amin’ny sangany sns.

 

Ravalo fidiana raha te hanangana indray ianao, Ravalo omena ny vato raha olona tia miasa ianao

Ankoatra ireo olona tia mangalatra, mandainga, mandromba, mamono olona, mpanao kolikoly sy ny ratsy rehetra mifandraika @ izany dia mazava ho azy fa i Marc Ravalomanana dia tsy maintsy atao fahavalo ary tsy ho tian’izy mianakavy ireo. Hita taratra ihany koa fa ireo olona tena tia miasa no mankasitraka ny fitantanan’ingahy rainy sy ny antoko politika TIM.

Mbola santatra ambavarano ihany moa ity asa soratra mikasika ny filoha teo aloha ity fa mbola ho zaraina amintsika miandalana eto ihany ny vaovao mahakasika ny paikady hitondrany ny firenena raha izy no lany eo.

Eto ampamaranana Tompokolahy sy tompokovavy, manasa anao hanamarika ny laharana 25 @ faha fito ny volana novambara ao anatiny bileta tokana.

41205237_654970361554563_7661809914729201664_n

 

 

 

 

 

 

 




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

    Erreur : Twitter ne répond pas. Veuillez patienter quelques minutes avant d'actualiser cette page.

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    Dadabazy Mpiandry dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    Krîs dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…