Archive pour mars, 2008

Rova Manjakamiadana

Publicités

61 anio tompoko no fahatsiarovana ny ady nataon’ireo ray aman-dreny be antsika mba ahazoana ny fahaleovantena koa tsy ahy ny tsy hiteny sy ny tsy hisaotra azy ireo raha mbola malagasy ny tena.

Misaotra ry dadabe sy nenibe jiaby fa raha tsy ianareo dia mbola voazanak’ireo frantsay ireo izahay taranaka taty fara koa rariny sy hitsiny tokoa raha omena voninahitra sy dera ianareo.Maro tokoa ny efa lasa any ambany ny rangolahy fa na dia izany aza dia mbola misy ihany ny aminareo na dia vitsy aza sisa satria amin’ny maha olombelona moa dia mana-petra ihany ny fiainana ety an-tany.

Ry zokibe ray aman-dreny msiaotra ary dia misaotra satria tsy omby tratra ny fahasambarana sy ny fahenoana fa tsy voazanaka izany intsony izahay koa ny famapanantenana azo omena dia tsotra:mahazo manantena ianareo fa na ny saina, ny firenena dia ho tsy ho azon’ireo olona mpanjanaka ireo intsony.

tena tsy fantatro intsony ho aiza ity firenena ity satria dia famonoana ny malagasy mihintsy ve no tanjona fa raha nisy ny maty ny hena omby tao amin’iny faritra moramanga sy carion sy ny manodidina iny dia mino aho fa raha tany amin’ny firenena andalam’pandrosoana no nisehoan’izao toe-javatra izao dia tsy vita mora ny tantara.

Mampalahelo satria dia efa ela n fantatra fa misy aretina mahafaty ny hena omby eto Madagascar dia vao tamin’ity herinandro ity vao mody nandray andraikitra ny manampahefana (tena izany no atao oe docteur apres la mort tokoa).

raha ny tenako manokana dia efa ela no tsy nihinanako ny hena.

raha atao bango tokana dia tamin’ity fitondrana ity no tena be maty indrindra raha eo amin’ny lafiny sakafo sy fahasalamana sy ny sosialy no dinihina koa alohan’ny hipoahan’ny sarom-bilany ve dia tsy aleo sorohina aloa izay tratra ny tanana fa aza varianamanao politika fa tena mamono olona tokoa tompoko izao zavtra izao ary tena tsy rariny.

ny fara-teny dia ny oe mampiomehy be ilay fanazavany ministra ny fambolena sy ny fiompiana fa oe tsy noho ny osy nafaran no nampisy ny aretina fa efa tamin’ny fitondrana taloha?…………………..tena adal ve ny malgasy izany satria dia ny fitondrana taloha koa dia lasa mpamindra aretina hatrany amin’ny biby?

misy hisainana angmaba izany analyse izany ry mpamaky ny blog ny pakysse.




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Benoit VALDEZ sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Harinjaka Ratozamana… sur Harinjaka Ratozamanana (Part 1…
    Harinjaka Ratozamana… sur #Foko Madagascar depuis 2007 /…
    Harinjaka Ratozamana… sur GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    immobilienkredit sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    kredit vergleich sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    autofinanzierung sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://immobilienkre… sur BARCAMP MADAGASCAR
    Ratovo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    mzar su sur Tsy dokam-barotra ity fa ny ka…
    music marketers sur BARCAMP MADAGASCAR
    bizinfo18 sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Rasoarimanana sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://goanalyze.inf… sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Heaven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…