Archive pour février, 2011

New strategies of diplomacy explain Eric Stromayer (the chragé)

@Pakysse and @Brett Bruen (the new Communications and Cultural Affairs Councilor of the U.S. Embassy) discussed about the impact of using new media for social change in Madagascar.

FB #launching with Bloggers, web developpers and artists

Publicités

Samy mitady ny rariny daholo ireo mpanao politika amin’ny fitadiavana ny tombontsoa amin’ny hampandrosoana aingana an’i #Madagasikara, mba hialàna amin’ny krizy sy ny fahantran’ny firenena sy ny vahoaka misy ao aminy.

Amin’ny maha mpitolona ny tsy rariny sy ny fahantrana ary miady amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny tena, dia andeha mba haneho hevitra mikasika ny toe-draharaha politika misy eto Madagasikara. Ary ho fanomezam-boninahitra ireo namana vahiny hafa eran-tany mpanaraka ny « blog », dia hadika amin’ny teny hafa ihany koa izany amin’ny fotoana maha mety azy.

Mety ho maro ireo olona mahita ny zavatra soratako hoe mivoana, misy ireo hiombon-kevitra amiko, misy ireo tsy miraharaha, ary mety ho betsaka ihany koa ny hanoso-potaka. Tsy maninona izany fa samy malalaka amin’ny fomba fijeriny avy isika rehetra.

Ho fanehoako ny zavatra ho soratako rehetra, dia mangataka anareo mba hitsidika ireo acrhives eto amin’ny blogko fa tsy misy entanim-po velively akory eto.

Ny tenako moa sy ireo namana maro be maneho hevitra amin’ny alalan’ny « blog », dia azo lazaina fa isan’ireo tena nahita akaiky ny zavatra-nitranga teto amin’ny firenena, ary tsy nisy fiambahambana tamin’ny fizarana vaovao. Na dia teo aza ireo « journalistes traditionnels » sy « medias traditionnels » maro be izay nanao ny asany, dia teo ihany koa ny « journalistes citoyens » mikirakira ny « nouveau media » rehetra, nizara ny vaovao azony sy hitany tamin’ny alalan’ny takelaka misy eto amin’ny « internet », toy ny : WordPress, Flickr, Youtube, Twitter, facebook, sy ireo maro samihafa fampiasa amin’ny fampitana ny vaovao haingana, tahaka ny fampiasana ny « telephones mobiles ».

Ka inty ilay resaka tiako hiadiana hevitra:
« Milaza ny ho avy hitondra biriky amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana ny Asabotsy 19 febroary, ny filoha Rajoelina indray dia niteny tamin’ny alalan’ireo haino aman-jery samihafa amin’ny alalan’ireo olom-panjakana miara-miasa aminy, fa tsy azo ekena mihitsy ny fisian’ny korontana. Misy mpanao politika sasany ihany koa milaza fa tokony efa fotoana izao ny hitondran’ny filoha Ratsiraka ny anjara biriky amin’ny famahana ny krizy misy eto Madagasikara ka tokony efa hody izy. Ny filoha Zafy Albert etsy andaniny dia milaza fa ilaina tokoa ny fampihavanana ireo mpanao politika malagasy. Ireo fikambanana politika zandriny maro be izay milaza fa manana anjara birik,y, dia milaza ihany koa fa manan-kevitra amin’ny hampandrosoana sy hitondrana an’i Madagasikara any amin’ny tsara kokoa ».

Araka izany Tompokolahy sy Tompokovavy, tsy aiko na azonareo mpanao politika ireo na tsia fa mijaly sy leo ny vahoaka malagasy. Mifanaraha ianareo dia andao hanao fifidianana tena mendrika amin’izay

Ny filalaovana sy ny fitondrana ny anaran’ireo olona maro be maty tamin’ireny krizy ireny dia tsy vahaolana mihitsy amin’ny famahana ny krizy misy eto Madagasikara. Ny 7 febroary dia hanaovana fahatsiarovana lehibe eto amin’ny firenena satria nisy olona namoy ny ainy. Ny 26 janoary dia hadinon’izy ireo izany fahatsiarovana izany nefa, maro be ary tena maro be mihitsy ireo olona no nanary ny ainy sy very fananana nohon’ny setrasetra tsy fidiny nahazo azy ireo. Maninona moa raha mba natao nitovy ny fahatsiarovana ary mba nasian-teny kely ihany koa ny momba an’Itompokolahy Ando, ilay namana mpanao gazety namoy ny ainy ?

Ny teny farany, dia: “ny 7 Aogositra 2010 dia saika namoy ny aiko aho, satria nisy jiolahy 7 tonga namaky ny trano fonenako ary nanan-kevitra ny hangalatra, ary dia nitifitra tsy niambahamba. Niaro tena aho, hany ka tsy tanteraka ny asa ratsin’izy ireo”. Fotoana izao ny ahatsapanareo, fa ny vahoaka, indrindra ny tanora Malagasy, dia “JEUNESSE CULTIVEE” fa tsy bado, ka tsy mahafantatra ny tokony hataony.

Ny fandoroana ny ala, ny fandoroana ny tanety, ny tsy firararahiana sy ny tsy fanajana ny zavaboary, ny fanondranana sy ny fanapahana ireo hazo maro sarobidy. Antony iray amin’ny fiovaovan’ny tontolo iainana eto #Dago

Etsy andaniny ny fitondram-panjakana dia variana miady seza amin’ny fanaovana politika politisianina. Nefa izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany.

Raha ny zava-misy no dinihina dia tsotra ny azo ambara, ny fahantrana no mibahana eo amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy satria ny sakafo anio dia tadiavina anio. Ka izay no antony tsy dia hivakiany loha loatra amin’izany fiovany totr’andro izany.




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Benoit VALDEZ sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Harinjaka Ratozamana… sur Harinjaka Ratozamanana (Part 1…
    Harinjaka Ratozamana… sur #Foko Madagascar depuis 2007 /…
    Harinjaka Ratozamana… sur GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    immobilienkredit sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    kredit vergleich sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    autofinanzierung sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://immobilienkre… sur BARCAMP MADAGASCAR
    Ratovo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    mzar su sur Tsy dokam-barotra ity fa ny ka…
    music marketers sur BARCAMP MADAGASCAR
    bizinfo18 sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Rasoarimanana sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://goanalyze.inf… sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Heaven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…