Archive pour mars, 2013

Fankasitrahana, fankatelemana fa indrindra fisaorana no omena ny ekipan’i Randy sy ny Radio Tana 94.4 FM tamin’ny fandraisana ny tena ho vahinin’ny fandaharana BE-LOUH androany 18 Mars.

Nafana ny ady hevitra ary nahafinaritra tokoa satria dia tamim-piralahiana tanteraka no nanaovana izany. Na dia tsy nitovy aza ny fomba fijery dia samy nifanaiky ny mpanentana sy ny tenako fa ilaina ny fanehoan-kevitra mba ho fampiroboroboana ny demokrasia.

Fanazavana ny anjara toeran’ny « blogger » manoloana ny fiainam-pirenena moa no niompanan’ny ady hevitra izay nifanaovako tamin’ireo namana mikirakira ny « media traditionnel » na ireo « journaliste traditionnel ».

Naharitra ora iray sy sasany ny fizarana ny fomba fijery teo amin’ny « micro » ny ekipan’ny BE-LOUH.

Eto am-pamaranana dia tiako ny milaza ireo akama mpanaraka samihafa maneran-tany fa dia hanomboka hanatsahatra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny « blogging » ny tenako. Ny blogny pakysse dia tsy mikatona satria dia namana malagasy mpahay lalana iraisam-pirenena miasa amin’ny tribonaly manokana any am-pita no hizara ny fijeriny ary hanohy ny « activisme ».

Ity ny « post » alohan’ny farany izay hanehoako hevitra eto fa dia mirary ny soa ho antsika namana rehetra.

Radio Tana sy ny kianjan'ny Demokrasia

Kianjan’ny Demokrasia Bis!

IMG_0013

Pakysse sy Randy

IMG_0010

Ireo ekipa mpanentana ny fandaharana BE-LOUH!

Publicités



  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    Krîs dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Rapa dans ANDRY RAJOELINA SY ANNICK RAJA…
    friv unblocked dans Atsaharo ny ra-matahora r…
    friv unblocked dans Events! part 1
    friv dans Events! part 1
    Rija dans [Anonyme] Marc Ravalomanana: L…