Veloma lesy namana Ando a!


dscn2669Ny teny voalohany moa raha vao naheno , nahita dia ny alahelo no tonga voalohany tato an-tsaina satria ra Ando dia namana, raalahy fa indrindra mpiara niasa raha teo amin’ny tontolo ny serasera no resahina.

Nya azo ambra dia ny oe tsy rariny  ny zavtra tahaka izao satria dia zavatra mampalahelo sy mampahonena fa indrindra manala-baraka raha tsy hiteny aho oe fa dia olona tahaka ny ahoana moa no masahay sy nanome baiko ny hitifitra mpnao gazety.

Ny alina ihany moa dia niantso ny ankizy rehatra mpikanmba tao amin’ny Foko ny tenako ary tamin’izay no nilazana sy nanaphana hevitra fa dia hiaraka hamangy any daholo ny ekipa izay hafaka.

Manaraka izay raha ny nifankahalalanay roa lahy dia tena naha talanjona tokoa satria dia tany anaty cyber raha iny izy anao emission speciale iny lédala dia niresaka izahay ary tamin’izay no nifankalalanay roa lahy, ny trao ariana moa dia maro ny projet fa ny tena nivaingana indrindra dia nanaovany ledala emisson tao @ vaovao city news ny RTA dia nahazo minitra vitsy tao ny mpitoraka bilaogy avy ao @ FOKO.

Ny tena napiray saina anay roa lahy moa dia ny fahitanay fa mila tohanana ny tanora malagasy fa mila hatosika sy amporishina, ny émission dia tsy nisy resaka vola mihintsy ary dia teo no tena nahatsapako fa olona tsara toetra sy tsara fo ledlka ity.

Ny ekipa rehetra ny FOKO dia maneho ny alahelony ho an’ny fianakaviana any Ando ary miaraka miombona alahelon miaraka ny ekipa ny foko any etats unis.

Ny tenay tiako hatsipy dia ny oe tsy rariny ny zavtra tahaka izao fa na dia ninga voatifitra aza ny etan tsy afaka ny hangina intsony koa araka izany mankahery ireo journaliste citoyen citoyen rehetra eto dago fa indrindra isika mpikambana ato @ Foko ary isika rehetra izay nahafantatra any Ando.

Izay aza lesy ra Ando fa ny ety an-tany moa dia fandalovana ihany fa mbola samy ho any daholo isika rehtra fa ny any ialahy dia ny fanokafana ny varavara no tena nataon’ialahy.

Mankasitraka ny fisainana’ialahy sy ny fomba fiasan’ialahy lesy ny tenako baina an!

Stephane R.


  1. ikalamako

    handry am-piadanana izy toa ireo rehetra namoy ny aina nandritra izao korontana izao.
    Tsy ireo olona lazaina fa « adala mety norebirebena » ihany no mety hamoy ny ainy amin’ny fotoana toa izao fa ny olona manao ny asany, ny olona sendra nandalo tamin’ny fotoan’ny tabataba, ny olona nanararaotra ihany koa ny korontana hanaovana asaratsy…Porofo izao.
    Iza no diso ? Mizara ny mpanameloka fa ny mazava aloha izao dia mi s’annuler ny adim-panoron’ireo mpifanandrina : ny iray nandoto ny tànan’ny ankilany nitifitra vahoaka tonga t@ tanam-polo, ny ankilany kosa mandoto ny tànan’ny iray nitondra vahoaka teny @ « zone rouge ». (Satria angamba efa nazava hatrany am-boalohany fa hoentina eny Ambohitsorohitra ny vahoaka matoa dia efa vonona tsara ireo tanaty lapa hitifitra fa tsy ireo nanao cordon nisakan-dalana akory no nanokatra ny ady). Betsaka ny resaka tsy haintsika sarababem-bahoaka fa aoka samy ho tony daholo.
    Peace.

  2. sipagasy

    Vahotra ny tanana raha hanoratra etoana, nefa indrisy lasa izy iny, nanao sorona ny ainy, enga anie mba hisy vidiny sy lanjany ny rà nilatsaka rehetra t@ io andro io.

    Mandria am-piadanana Ando.

  3. moonlightgirl

    I’m very sad to hear what happened
    Let your soul Ando rest in peace
    Let’s pray for our country

  4. Tahina

    Ny voalohan-teny aloha dia ny fialantsiny satria tsy afa naneo fiaraha-miory tamin’ny fianakavin’ dra Ando na dia niezaka nampandre ahy aza i Stephane fa saingy nifanojo tamina adidy tsy azo nilaozana.
    Tsy dia tena nifankalala izahay mitsam fa na dia izany aza tsapa fa tsy rariny ny nanjo azy. Mandry ampiadanana lesy Ando.

  5. Tsy mpikambana amin’ny FOKO ny tenako kanefa tonga maneho ny alaheloko amin’ny maha-mpiray ra sy tanindrazana !

    *Miondrika eo anatrehan’It.Ando
    Mandria am-piadanana !

    Mamangy amin’ny fahoriana ny fianakaviany koa !

    Ary natokana nataoko « hommage ho an’i ANDO » ity post
    mitondra ity:
    « QUE VEUT LE PEUPLE MALGACHE! » ato
    http://helismadagascar.blogspot.com/

    Tsy ho latsaka foana anie ny ran’ireo namana nafoy rehetra !

    AZA MISOSOKA ALAHELO !

  6. RIP Ando. I am so sorry for the loss.

  7. Bonjour,

    Tohina ny fo naheno hoe Ando(Journaliste) Malagasy fitaritry ny firenena no maty mpampita vaovao amintsika aty antany lavitra ny Mada ,na dia tsy fantatro aza izy ary ireo namoy ny ainy rehetra dia miara miory isika rehetra,tsy maintsy tohizana ny Tolona,tsy ekena intsony ny fanaporetana ny Malagasy,na dia eo aza ny teniny sasany hoe tsy fantatra koa izay hafitsoky AndryTgv sy ny namany rehefa tonga aminy fitondrana zareo,efa tsy lasa intsony e!mialà,tsy ekeny tanora Malagasy intsony ny fanagejana,mba jereo moa mainty no mitondra Amerika,mifohaza ry malagasy, mitraka,Yes,we can.AZa mifampihinana intsony isika Malagasy,efa lany andro izany ny hampandroso ny firenena no tanjona,France.
    Veloma lesy Ando ny Ranao sy ireo namoy ny ainy latsaka tsy ho very maimaina foana ho tadidiny taranaka rehetra.

  8. pakysse

    @all a very sad story for us!

  9. ariniaina

    Veloma lesy Ando. Mandria am-piadanana.

  10. Baholy

    Izaho koa de miara-miombona alahelo aminareo fianakavian’i Ando.tsy mahafantatra azy aho akory fa vao naeno oe maty Ando journaliste rta de tohina iany ny fo satria asa anie no nataony teny Ambohitsirohitra de manina izy no notifirina e!!!tena tsy rariny mitsy zany,mampalaelo sad mahamenatra.
    maneho fiaraha-miory sy mirary fampiononana feno ho anareo ary Andriamanitry ny fiadanana anie hampionona sy hanasitrana ny fo maratra.Tombon-dalana ny azy fa samy tsy maintsy mbola handeha amin’izany avokoa isika.
    VELOMA ANDO A!!!

  1. 1 Global Voices Online » Madagascar : Bloggers react to Red Saturday’s bloodshed

    […] Lomelle and Pakysse both write moving hommages to Ando, the journalist who lost his life while covering the rally and […]

  2. 2 Global Voices dalam bahasa Indonesia » Madagaskar: Reaksi Para Bloger Terhadap Aksi Bentrokan Sabtu Berdarah

    […] Lomelle dan Pakysse menuliskan penghormatan yang mengharukan bagi Ando, sang jurnalis yang kehilangan nyawa ketika […]

  3. 3 Global Voices em Português » Madagáscar: Blogueiros reagem ao sangrento Sábado Vermelho

    […] fim, Lomelle e Pakysse escreveram uma página emocionante para homenagear Ando, o jornalista que perdeu a vida enquanto […]

  4. 4 FOKO Madagascar » Blog Archive » Using Citizen Media tools to describe the struggles of a population

    […] says farewell and explains how they met (mg): nifankahalalanay roa lahy dia tena naha talanjona tokoa satria dia tany anaty cyber raha iny […]

  5. 5 Rising Voices » FOKO: Ushahidi Comes To Madagascar

    […] His name was Ando and he was known to Foko bloggers as he had interviewed them earlier. Lomelle and Pakysse paid tribute to him via their blog […]

  6. 6 PATRICIA RAKOTOMALALA NA I PATI: Chargéé de mission ny tetikasa TANA-MASOANDRO | Pakysse

    […] PATI SY NY NAMANA TOMPKOLAHY ANDO MPIASA TAO @ RTA […]




Laisser un commentaire


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Cyber-censure : Mada… dans LA SOCIÉTÉ MOOV MADAGASCAR TUE…
    Helatra dans NY RAZAMBEKO
    PATRICIA RAKOTOMALAL… dans Veloma lesy namana Ando a…
    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…