Archive for the ‘Tontolon’ny internet’ Category

DSCF3400

Eny amin’ny farihin’Ambohibao (lac Ambohibao) no misy ity tranobe manarapenitra ity. Nandritra ny fitondrana tetezamita no nipoiran’izy io.

Mahantra sy sahirana tanteraka ny vahoaka malagasy. Nefa, ny tany midadasika, ny harena an-kibon’ny tany, an-dranomasina, an-tanety ary an-hanabakabaka mirarakopana misy eto amin’ity Nosy malalantsika ity, dia tsy manampaharoa. Ny firaisankinan’ny rehetra, eo amin’ny fitadiavana ny rariny sy ny hitsiny dia tokony atao soa iombonana, ho an’ireo taranaka Fara sy Dimby.

Aiza ho aiza ny tohin’ilay tantara Ravatomanga manoloana ny fitsarana?

Raha ny tsiliantsofina dia milamina tsy misy olana ny afera maloton’n’ingahy Mamy manoloana ny fitsarana ankehitriny. Notabatabaina, ho re tany, ho ren-danitra manerana izao tontolo izao fa hitondra fiovana ingahy « comptable » ( Hery Rajaonarimampianina). Izany hono ny antony, nampiakarana an’i  Ravatomanga teny amin’ny fitsarana. Ka, mody nanaovana ireny sarin’ady ireny, mba hanadiovana an’i prezidà, fa mandray andraikitra tokoa ity farany.

Ny fiheverana ny malagasy ho donto sy tsy misy saina dia mampiomehy tokoa. Matetika nefa, ny mpanao politika sy ny mpanao afera maloto teto amin’ity firenena ity dia afabela foana. Ka izay indrindra no tsy tokony hanekena ireo tsy maty manota. Isan’izany, ity afera mitana ny sain’ny maro ity!

Halako bika tsy tiako tarehy

Tsy ny fanaovana « halako bika tsy tiako tarehy » ny tanjona eto. Ny fanairana ny saina sy ny fitaterana manarapenitra ny zava-misy eto an-Tanindrazana no tena tiana hasongadina. Nandritra ny fitondrana tetezamita mantsy, tsy nisy olona tsy niaiky fa dia mpanakarena ary olona tsy azo natao na inona na inona izany Mamy Ravatomanga izany.

Amin’izao ora sy fotoana hanoratana izao, maro ireo olom-pirenena tsotra, no miandry ny tohin’ilay tantara fanondranana Andramena? Mangony fotsiny, ny aferan’i SODIATRANS izay notaterin’i Zakariasy Patrick.

Ny teny famaranana tompokolahy sy tompokovavy, mikasika an’ity deba be ity dia tsotra. Ny mpitsara malagasy, tia kolikoly dia tokony manatsahatra ny fanaovana mazia, mazia eo amin’ny tontolon’ny Tribonaly. Satria, olona manana hazon-damosina sy misy saina raha ny fahafantarana azy ireo. Izany hoe, ilay fahazarana mamoaka didy: « Afaka nohon’ny fisalasalana » dia mila havadika « fanagadrana nohon’ny porofo mivaingana ».

Be Mainty

 

Raha ny lojika politika misy ankehitriny dia tsy tokony menatra, mihemotra na matahotra i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany, amin’ny fisamborana an’i Andry Rajoelina. Satria, ny mitady ny soa ny mpiarabelona sy ny firenena dia efa nataon’izy ireo vaindohan-draharaha.

Andry Rajoelina lehiben’ny MAFIA Malagasy

Ity oronan-tsary ity dia manazava tsara ny fomba maloto tamin’ny famotehana sy ny fanondranana ny harem-pirenena malagasy. Voatonona ao ny anaran’i Andry Rajoelina. Izay azo lazaina fa lehiben’ny MAFIA malagasy nandritra iny fitondrana tetezamita iny.

Maninona moa tsy Tonga dia ingahy mpikiky kapila manjelatra no samborina? Sa i Mamy Ravatomanga no tena mpilalao ny « télécommande » ka ingahy kely dia sarobakolin’ity farany?

Famonoana olona manarapenitra, niarahana tamin’i Andry Rajoelina ny 26 Janoary sy ny 07 febroary 2009

Raha ny maso mahita, ny saina mandinika dia i Andry Rajoelina no lehiben’ny mpamono olona, nandritra ilay revolision’ny mpanongam-panjakana, ny taona 2009 iny.

Ny tena nahatalanjona ity tantara ity dia ny tsy fandraisana andraikitra nataon’ i Rajoelina. Raha ny lojika mantsy, rehefa mitarika tolona na revolisionina ny olona Iray. Ny lehibe (leader) dia tsy maintsy mampiseho fihetsika fa tsy matahotra ary mahasahy hatramin’ny farany, hatramin’ny fahafatesana.

Nefa, mody nitomany tahaka ireny zaza nosarahana nono ireny ingahy Dijaka ny ampitson’ny 07 Febroary. Ny mahagaga ihany koa, ny 26 Janoary dia tsy nanao izany lery. Inona ny antony sa filalaovana sarimihetsika fotsiny iny ranomaso mody nalatsaka iny? Ny fanontaniana mipetraka ihany koa dia ity: inona ny maha samihafa ireo olona Maty ny 26 Janoary 2009 mihoatra ireo olona Maty ny 07 Febroary 2009? Maninona i Rajoelina tia milalao faty ary maninona ingahy io no tia mandainga?

Be maintsy

 

 

image

Sary: nalaina tao amin’ny Google; Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo miaramila mpanogam-panjakana

Mihevitra fa mbola ilaina eto amin’ny firenena, ny fomba amam-panao maloto sy ny fisainana jiolahimboto. Raha tsy mitandrina tsara nefa, i Hery Rajaonarimampianina mivady. Raha ny fomba amam-panaon’i Dijaka sy ny manodidina azy no jerena. Afaka fotoana fohy, dia mety ho avy eny Tsimbazaza, Ambohitsirohitra ary Iavoloha ny tafondro sy ny basy ary ireo mpikarama an’ady mitam-piadiana isan-karazany.

Lasa mpampianatra politika ny mpikarakara lanonana

Talanjona sy variana ny rehetra, raha nanome fanazavana amin’ny tokony ho atao, eo amin’ny lafiny ara-politika ingahy Rajoelina. Orakoraka sy tabataba feno fifaliana no nandraisan’ireo mpankafia azy tamin’izany. Raha izay tokoa mantsy no arahina! Tokony ho hajaina sy ekena izany ve ny fangalarana ny harem-pirenena sy ny fanaovana kolikoly, ny famonoana olona, ny lainga tsara lahatra sy ireo ratsy rehetra isan-karazany nanabeazany ny vahoaka malagasy, nandritra ny fitantanany ny fitondrana tetezamita.

Very tadipoitra ka lasa mivoaka sy miditra tahakan’ny lelon-jaza

Sarotra dia sarotra tokoa ny toerana misy an’ingahy mpikiky kapila manjelatra ankehitriny. Sady very ny vola, very ny seza fa indrindra tsy araka ny nampoiziny ny fiodin’ny raharaham-pirenena. Ny loha malemy tsy mikatona sa ny tadipoitra tsy tapaka tsara no mahatonga azy mivoaka sy miditra tahakan’ny lelon-jaza?

Diniho sy lalinanio lalina ihany (inona ny dikanio?)

Diniho sy lalinanio lalina ihany hoy ingahy mpanentana. Ny maha mpikarakara lanonana an’i Rajoelina, sa ny maha mpandroba fitondrana, no mahatonga azy miteniteny foana tahaka izao.

Fehiny, very seza i Andry Rajoelina ka lasa romotra be. Mila mailo i Hery Rajaonarimampianina mivady.

Be mainty




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    professional landsca… sur c est quoi ce Foko Blog club…
    Mahay teoria daholo… sur Radio Tana fandaharana Be louh…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…