Archive for the ‘MAPAR’ Category

image

Toavina Ralambomahay, mpanohitra

Mpahay lalana, mpanoratra Boky, mpanao gazety. Toavina Ralambomahay dia tanora mpanao politika, nanangana ny antoko  « Humaniste et écologique ». Ny fomba fijeriny ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao miaraka amin’ny andraikitra tokony ho raisin’ny tsirairay manoloana ny fiainam-pirenena  no zaraina aminareo.

1 – Afaka omenao fanazavana ve ireo mpanaraka ity blog ity momba ny antoko « humaniste et écologique » Ny amiraly Ratsiraka mantsy raha ny fahafantaran’ireo be sy ny maro no nivohy io fotokevitra io. Misy hifandraisany ve?

Marina mihitsy izany ! betsaka ny hevitra hitovizana tahaka ny Provinces/Régions autonomes, ny Fanagasiana (Malgachisation des cadres, de la langue d’enseignement ao anatin’ny 10 taona, ary ny actionnariat-salariés ho an’ny malagasy sns), ny fitakiana ny îles Eparses, ny fijoroan’i Madagasikara aminy foto-kevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (politique étrangère tous azimuts. Tohizako, manaja ny fihavian’ny tsirairay sy ny finoan’ny tsirairay, miady ho an’ny fitoviana ny samy malagasy sy ny samy olom-belona, ny fahazoan’ny tsirairay fianarana (éducation pour tous), fitsaboana (Santé pour tous) izay miahy ny maha-olona (humanisme), momba ny fisarahan’ny fanjakana sy ny fivavahana (laïcité), sns.
Fa azoko koa fa betsaka ny fery na « traumatisme » avy amin’iny Rangaha iny. Ny tsara no mila tohizana satria tena mbola lavitra ny lalàna. Ny Vina moa dia efa nozaraina ary efa misy fanazavana maro eo amin’ny Facebook
.

2 – Hatraiza ny fahafataran’ny olona ny fotokevitra « Humaniste et écologique » ary misy firy ianareo amin’izao fotoana izao no mpikambana?

Tena vitsy ! 0,70% ; vato 484 ary faha 12 izahay tamin’ny kandidà 32 tamin’ny fifidianana solom-bavam-bahoaka farany teo (Tana V). Te hiofo ho antoko izahay satria tena vizaka an‘ireo mpanao politika ankehitriny. Izahay no nanohitra voalohany ity fitondrana ity teo anivon’ny ministera ny ati-tany (tamin’ny faha 17 febroary2014). Mikasa ny hanomana ny fifidianana ben’ny tanana izahay ary mitady olona mitovy fijery 55 ho lisitry ny Mpanolo-tsaina ary loha lisitra iray. Ny tenako dia mikasa ny hirotsaka ho anisan’ireo mpanolotsaina. Vonona koa izahay hiditra anaty listra mifangaro satria tena mafy be ilay fifidianana. Mazava fa olona mitovitovy fijery ireo mpiray lisitra ireo.

3 – Araka ny fanazavanao sy ny maha mpanohitra anao ny fitondrana Rajaonarimampiana. Raha ny antoko « Humaniste et écologique » ve no mahazo ny fitondrana dia tena hisy tokoa ilay fiovana andrasanan’ny olom-pirenena tsotra. Ary inona izay fiovana izay?

« Ny olom-pirenena tsotra » ihany no manao izay fanovana tiany. Ny antoko dia fitaovana fotsiny ihany. Ny olon-tsotra dia tsy tokony hanantena an’iza na iza afa-tsy ny tenany ihany. Ny fidirana amin’ny antoko kosa no fomba ahafahan’ny olon-tsotra mampahafantatra, mitaky ary maka fitondrana mba anaovany io fiovana io. Izahay tsy mangataka an’iza na an’iza Hino fotsiny ihany, fa iasa !
Tsy mba izahay no ampianatra ny olom-pirenena tsotra hahatoky ny mpanao politika na ny mpitondra ! fiaraha-miasa herim-po sy ezaka, no tadiavina.

4 – Ny MAPAR dia miaraka amin’i prezidà Andry Rajoelina fa manohana ny programan asan’ny Hery Rajaonarimampiana. Ny TIM dia karakarain’ingahy Rajemison rakotomaharo nefa ity farany dia manana ny antoko MAMAFISOA? Ny fahitanao izany fomba fanaovana politika izany raha tsy hitanisa ireo fotsiny isika?

Tsy azonay intsony ny fomba fanaovana politika…ka aleo mijoro amin’izay fa tsy variana mamakafaka…ny tena mamizaka koa dia ireo mpanome lesona ! tsy aleo ve ampiarina !

5 – Hafatra farany ho an’ireo mpanaraka?

Fotoana izao isafidianan-tsika ny 20 taona manaraka. Raha tsy mitandrina isika dia ny HVM-MAPAR sy Zanak’i Dada indray no hitondra antsika ho an’ny 20 taona manaraka raha ireo no maharesy amin’ny fifidianana ben’ny tanana sy mpanolotsaina. Ho feno azy indray ny antenimieran-doholona ! ny haute Cour de Justice ! ny fiadidiana ny tanana ! efa azy ireo moa izao ny Governemanta, ny HCC, ny Antenimiera. Ka sao lahy sempotra eto indray isika ka iafara eny an-dalambe indray…
Raha mila zavatra hafa isika, dia andao iaraka ka ianao no tompon’ny ho avinao.

Publicités

image

Sary: nalaina tao amin’ny Google; Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo miaramila mpanogam-panjakana

Mihevitra fa mbola ilaina eto amin’ny firenena, ny fomba amam-panao maloto sy ny fisainana jiolahimboto. Raha tsy mitandrina tsara nefa, i Hery Rajaonarimampianina mivady. Raha ny fomba amam-panaon’i Dijaka sy ny manodidina azy no jerena. Afaka fotoana fohy, dia mety ho avy eny Tsimbazaza, Ambohitsirohitra ary Iavoloha ny tafondro sy ny basy ary ireo mpikarama an’ady mitam-piadiana isan-karazany.

Lasa mpampianatra politika ny mpikarakara lanonana

Talanjona sy variana ny rehetra, raha nanome fanazavana amin’ny tokony ho atao, eo amin’ny lafiny ara-politika ingahy Rajoelina. Orakoraka sy tabataba feno fifaliana no nandraisan’ireo mpankafia azy tamin’izany. Raha izay tokoa mantsy no arahina! Tokony ho hajaina sy ekena izany ve ny fangalarana ny harem-pirenena sy ny fanaovana kolikoly, ny famonoana olona, ny lainga tsara lahatra sy ireo ratsy rehetra isan-karazany nanabeazany ny vahoaka malagasy, nandritra ny fitantanany ny fitondrana tetezamita.

Very tadipoitra ka lasa mivoaka sy miditra tahakan’ny lelon-jaza

Sarotra dia sarotra tokoa ny toerana misy an’ingahy mpikiky kapila manjelatra ankehitriny. Sady very ny vola, very ny seza fa indrindra tsy araka ny nampoiziny ny fiodin’ny raharaham-pirenena. Ny loha malemy tsy mikatona sa ny tadipoitra tsy tapaka tsara no mahatonga azy mivoaka sy miditra tahakan’ny lelon-jaza?

Diniho sy lalinanio lalina ihany (inona ny dikanio?)

Diniho sy lalinanio lalina ihany hoy ingahy mpanentana. Ny maha mpikarakara lanonana an’i Rajoelina, sa ny maha mpandroba fitondrana, no mahatonga azy miteniteny foana tahaka izao.

Fehiny, very seza i Andry Rajoelina ka lasa romotra be. Mila mailo i Hery Rajaonarimampianina mivady.

Be mainty

imageChristine Razanamahasoa, mpikambana MAPAR

Sary: Google

Lojika, raha lasa mpanao kolikoly, pandromba sy mpamono olona ary mpandainga ny fiarahamonina malagasy. Raha ny fomba fiteny sy ny fomba fisainana ary ny fomba amam-panaon’ireto solombavam-bahoaka, miaraka amin’ilay mpikiky kapila manjelatra ireto no fakafakaina lalina. Izany hoe, ny ratsy hatrany no tiana atao mibahan-toerana.

Nitomany tahaka ireny aliaka mitady valala ireny ingahy Dijaka sy ny forongony tamin’izany fotoana. Rehefa nomena azy ireo nefa ny sehatra, hita soritra fa nikatso tsy araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena. Ankehitriny, niova ny toe-draharaha nohon’ny fahatongavan-tsaina faobe be misy eo amin’ny tsirairay, mitady ny soa ho an’i Madagasikara sy ny mpiarabelona aminy.

Fehiny, Tsangan’olona ratsy lelafina, tsara raha atao mitovy amin’ilay boka mitaingina seza ny MAPAR.

Be mainty




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

    Erreur : Twitter ne répond pas. Veuillez patienter quelques minutes avant d'actualiser cette page.

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Harinjaka Ratozamana… sur Harinjaka Ratozamanana (Part 1…
    Harinjaka Ratozamana… sur #Foko Madagascar depuis 2007 /…
    Harinjaka Ratozamana… sur GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    immobilienkredit sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    kredit vergleich sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    autofinanzierung sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://immobilienkre… sur BARCAMP MADAGASCAR
    Ratovo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    mzar su sur Tsy dokam-barotra ity fa ny ka…
    music marketers sur BARCAMP MADAGASCAR
    bizinfo18 sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Rasoarimanana sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    http://goanalyze.inf… sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Heaven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Irish sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…