Archive for the ‘Hajo Andrianainarivelo’ Category

imageIzy no Henry Rabary Njaka aminy; ilay mpisolo vava nitory, nefa tsy naharesy ny namana blogger Alain Rajaonarivony

Ny zavatra mahatalanjona eto Madagasikara, dia ny fitiavan’ireo politisianina mirediredy, miseo milay te ampiseo fa manana loha malemy efa mikantona, nefa ny mifanohitra ny amin’izay no hita soritra. Izany hoe: « poakaty, tsy misy valera, eo amin’ny sehatrin’ny fitadiavana ny soa sy ny tsara ho an’ny firenena ary ny vahoaka ao aminy. »

Raha tsiahivina vetivety, ho antsika namana sy tapaka mpanaraka ity blog ity. I Henry Rabary Njaka dia ny tale kabinetran’ingahy filoham-pirenena, tsy manana rafitra ara-politika Hery Rajaonarimampianina.
Ho anareo izay tsy mahalala tsara an’ingahy tale, dia izy ilay mpisolo vavan’i Hajo Andrianainarivelo. Ilay mpisolo vava, tsy naharesy (Tsy nahazo gain de cause) nitory ny blogger namana Alain Rajaonarivony, izay monina any Frantsa. Nikasika ny tantaran’i Tompokovavy Nadine Ramaroson (Miala tsiny amin’ny fianakaviana, manonona ny anarany tompokovavy)

Raha atao dika tsotra moa izany dia mpisolo vavan’ireo tery saina ny anton’asan’i Henry Rabary Njaka. Ny antony hilazana izany, dia ny fasahian’ity olombelona iray ity milaza fa amin’ny maha tany tan-dalana an’i Madagasikara, dia tsy olana ny fanagadrana mpanao gazety tradisionaly (mpiasany gazety tradisionaly Matin) rehefa mihoatra ny fefy. Izany hoe: « Rehefa tsy mety amin’ny sitrapon’ny mpitondra ny fanehoana ny hevitra, dia azo atao ny manao, ny didy jadona »

Fihetsika mampahonena tanteraka, raha olona tsy niaina, miseo mahafantatra ny zava-misy eto amin’ny firenena no andeha ampiseo ambo, sy mampiasa voambolana tsy manaraka ny vanim-potoanan’ny taona arivo fahatelo.

Hoy ry zalahy tapaka sy namana ao amin’ny takelaka « facebook » Leo Politika Maloto mikasika ny fitondrana Rajaonarimampianina, manao hoe : ».. »

« Hatsipy ny tady eny an-tandrokin’ny Omby, ary ny teny eny am-pon’ny mahalala » ry ngahy gasin’andafy mpisolo vavan’ireo tery saina. Soa ihany fa solafaka ianao ka maniry anao, hahay hamindra, ra Henry Bary Njaka. Rehefa manao zavatra na maneho hevitra dia mba ataovy misy famakafakana lalina fa tsy manao « politique partisane » ariary zato am-pandriana akory.

Rehefa tsy mahazaka ny fahafahana miteny dia mitondrà penina sy taratasy, fa tsy olana ho ahy ny hanome lesona maimaim-poana, nohon’ny fitiavako mizara ny soa sy ny tsara ho an’ireo mpiarabelona amiko. Ary aza adino rangahy fa Samy nosoran’ny reniny menaka eto, ka tsy Gasy Vao Tonga (GVT) no andeha hampianatra anay ny atao hoe tany tan-dalana eto Madagasikara.

Raha tianao ny mitady rihatra, tia hanindry, hampiasa io fahefana kely tsy misy fototra eo am-pelantananao io. Alefaso fa masahy mandray andraikitra hatrany amin’ny fahafatesana ny tena nohon’ny fitiavan-tanindrazana. Ary raha mbola tsy mahafantatra ny asa, efa nataoko sy nosahaniko niaraka ireo olom-pirenena tsotra lasa « journalistes citoyens » miisa 500 manerana ny Nosy, niaraka nampiroborobo ny tontolon’ny blogging, WEB2.0 teto amin’ny firenena ianao. Dia afaka ampafahantariko izany!

Tsy dia fombako sy toetrako, ny mampidera taimby. Fa raha ilaina dia afaka mifampizesta isika. Izaho sa ianao no nahavita zavatra betsaka, nitondra fanovana teto amin’ny firenena, amin’ny fampiasana ny internet (Changement social/Réseau social). Teo amin’ny lafiny fampiroboroboana ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny.

Ny teny famaranana dia tsotra: Rehefa tsy zakanareo ilay fitondrana, dia aza miseo Milay. Tsy  tokony amin’izao vanim-potoana izao intsony, no misy olombelona miditra Any am-ponja nohon’ny fanehoana hevitra.

Pakysse
activist blogger
#T4D: Technology 4 Development
#M4D: Madagascar 4 Development

Andry Rajoelina est le mal incarné d’un homme non élu.

Puisque les connivences mafieuses ne sont plus à l’abri des regards, Andry Rajoelina est atteint d’une intense folie des grandeurs. En effet, le Disc Jockey et la Haute Autorité de la Transition utilisent la Justice pour le compte personnel de ses acolytes, l’Etat Major de l’armée Malagasy au devant de la scène politique pour la promotion de l’oppression, les perquisitions sans aucun mandat judiciaire dans des résidences privées à la recherche de bombes artisanales ou de caches d’armes, les arrestations arbitraires hors du commun, un gouvernement incapable d’assurer la sécurité des personnes et des biens.

Dans les circonstances présentes, beaucoup de Malagasy souffrent des dérives mafieuses de ce régime. Un Haja Resampa dont la capacité de nuire est tellement célèbre que l’on se demande s’il n’a pas perdu la raison. Un Mamy Ravatomanga inculpé dans une affaire stupéfiante de trafique de bois de rose, qui ose mettre en évidence la suprématie de sa puissance financière devant un juge pourri, sans scrupule, accusant à tort l’activiste environnemental Zakariasy. Un Hajo Andrianainarivelo paranoïaque qui a eu l’audace de trainer en justice un simple journaliste citoyen/blogueur activiste. Une Annick Rajaona incapable de respecter les normes de la hiérarchie diplomatique etc.

Les différentes exactions commises par la bande de Rajoelina font partie de nos us et coutumes. De ce fait, deux VIDEO mettant en examen le DJ et consorts pour la prison à vie sont à votre disposition.

Preuve numéro 1: À plusieurs reprises, le terme « MAFIA » est utilisé dans ce documentaire. Andry Rajoelina cité comme premier responsable des affaires de bois précieux à Madagascar!

Preuve numéro 2: Le Colonel Charles accusant Rajoelina de putschiste




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    Heaven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Irish sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Randi sur RT@Leo Politika Maloto: Intern…
    Jeana sur ANDRY RAJOELINA : Un charlatan…
    Etta sur Misaotra an’i Silo
    Stretch sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Coralie sur March 20, 2009
    Velvet sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Carley sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Lucinda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Micheal sur BARCAMP MADAGASCAR
    Peggy sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Letitia sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Lola sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Patty sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…