Archive for the ‘Fitantanana mampiomehy’ Category

Iza moa izy ireo?

Mpanakanto, politisianina henjana amin’ny famadihana palitao, mpanao afera. Raha izay fotsiny no jerena dia hita soritra fa tsy misy, na ny iray aza olona matihanina amin’ny fanaovana politika ny ao anatin’ity antoko na fikambanana ity.

Miaraka amin’i Prezida Rajoelina ny fanalavana ny atao hoe « MAPAR ». Ity voalaza anarana ity moa dia tsiahivina fa ilay rangahy kely, be ambo, matim-boninahitra, tia mikarakara lanonana fa indrindra nalaza tamin’ny fikikisana kapila manjelatra ary tompondaka eran-tany amin’ny rediredy. Tsy azo adinoina ihany koa nefa, fa i Dijaka no lehiben’ny fandrobana sy namporisika, nanao sorona ireo olona maty, voatifitra ny 07 febroary 2009 teny Ambohitsirohitra. Ary farany, tamin’ny alalan’ny basy sy ny tafondro tamin’ny 17 marsa 2009 no nangalany ny fitondram-panjakana. Izay nahatonga ny fampianarana manarapenitra, ny filoloavana ny ratsy ambony loha, ho an’ireo miray Tanindrazana.

Inona ny tanjon’izy ireo?

Raha ny fahitana ny fihetsika sy ny fomba fanehoana hevitra ataon’ireto olona miaraka amin’i Rajoelina ireto dia tsotra. Tsy tia filaminana ary olona tia setrasetra sy tia miantsy ady. Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny satria, olona tsy matahotra ny tody sy kely saina no milaza ho azy fa hitondra ny fiovana eto Madagasikara.

Raha ny fomba amam-panaon’ireto olona mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity mankony, dia ny omaly tsy niova ihany. Izany hoe:  » fametrahana ny lainga tsara lahatra ho laharam-pahamehana, ny fanohizana ny fangalarana ny harem-pirenena avo lenta sy ny fampiasana ny fahefana ho an’ny tombotsoa manokana ary ny fanaovana tsindry azo lena ireo tsy mitovy hevitra. »

Rajaonarimampianina no tompon’ny fahefana?

Raha ny fahitana ny toe-draharaha misy ankehitriny dia miroana tanteraka any amin’ny firaisankinam-pirenena ilay governemanta vaovao, izay hitsangana tsy ho ela. Indrisy mantsy ry mpamaky sy mpanaraka ity blog ity, tsy henatra sy tahotra ho an’ireto ekipan’i Dijaka ireto ny milaza fa tsy mety aminy hono izany.

Raha i Hery Rajaonarimampianina no filoha voafidy dia azo lazaina izany fa izy no tena tompon’ny fahefana farany. Enga anie, ka ho zoky lahy tsy Vomanga ny anao lahy. Aoka ihany koa, ny tantara no hitsara fa raha ny fisainan’ireto olon’i Rajoelina ireto no arahana dia ny tsy hivoahan’i Madagasikara anaty lavaka ihany no mety amin’izy ireo.

Be Mainty.

Publicités

20131021-163332.jpg
Annick Rajaona
Sary: Google

Tsy henatra, tsy tahotra, amin’izao ankatokin’ny fifidianana izao. Ny mbola nanomezana andraikitra any ramatoa « diplomatie en parallèle ».

Nefa, tsy misy tsy mahafantatra isika rehetra fa, eo amin’ny tontolon’ny politika. Rehefa omena toerana, any anaty masoivoho na manao « représentation diplomatique » ny firenena iray, ny politisianina dia « poste garage » no anaran’izany. Indrindra, manoloana izao vanim-potoana mangotraka, andalovan’i Madagasikara izao.

Midika izany fa efa manomboka mitsipaka tsikelikely, ny ekipan’i DJ mpanongam-panjakana. Rehefa avy nanao ny nataony, nitondra henatra ny fifandraisana iraisam-pirenena i ramatoa Rajaona. Dia nomena azy ny fivoahana madio sy manarapenitra.

Indrisy mankony, aoka isika tsy ho voafitaka sy ho voasarika amin’ny tsy misy antony. Satria, ny tantara dia tsy azo hadinoina. Izay indrindra tompokolahy sy tompokovavy, no mahatonga ny tena mahita fa: »Écrire l’histoire, n’est pas une utilité pour les lâches ».


Pakysse mivanaka amin’ny tsy fahatogavan-tsainan’ny RAJOELINA (Disc Jockey) amin’izao vanim-potoanan’ny taona harivo fahatelo izao.

Amin’ny maso mijery dia azo lazaina fa tsy misy azo raisina ny resaka fitantanana ny raharaham-pirenena miaraka amin’ity lehiben’ny DAHALO ity (Andry Rajoelina).

Miaramila, mpanao gazety tradisionaly, politisianina, manam-pahaizana, olom-pirenena sns. Aiza ny andraikitra sy ny toerana misy anareo manoloana izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao?

Amiko rehefa milaza ho azy fa mpitondra ny olona iray dia tokony mahafantatra ny atao hoe: »Gouverner c’est prévoir » fa tsy manao tahaka ny aliaka romotra tsy ampy taolana ka rehefa azo izay notadiaviana dia milaminna tahaka ny kisoa voky apombo.

Mampahonena ary tena mahamenatra tanteraka fa fahevendranana sy loham-boto sisa no takatrin’ny sainy RAJOELINA sy ny FORONGONY. Any vao misy fangatahana izay tena rariny sy hitsiny ataon’ireo olom-pirenena manana ny zo hangataka izany dia ny hery famoretana sy ny didin’ny be sandry no mandeha.

Araka ny naveriko matetika ho an’ireo tapaka sy namana dia tsotra:« Ry HITLER, MUSSOLINI, SADAM, BACHAR AL ASSAD, GBAGBO sns anie nihevitra ny henjana fa ny tantara no nametraka fa ZERO ry zalahy. Ity RAJOELINA ity izany dia mihevitra mihitsy fa misy ilaivana azy? Firenena tsy misy ETAT DE DROIT izany efa tsy lasa intsony. »

Mahalala menatra ianareo manohana be fahatany ny HAT fa manalabaraka tanteraka. MIZENDANA be amin’ny vola tsy nosasarana dia ilay vahoaka aminio mijaly be. Anga izy ity vanim-potoanan’ny fiforetana anaty? »

Hatsipy ny tady eny an-tandrokin’ny omby ary ny teny eny am-pon’ny mahalala fa raha mbola ny fahavendranan’ny RAJOELINA amin’ny resaka fitantanana sy ny fitadiavana ny soa ho an’ny vahoaka no asian-dresaka dia andraso eo i Paoly hoy ny fitenenana.




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    Krîs dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Rapa dans ANDRY RAJOELINA SY ANNICK RAJA…
    friv unblocked dans Atsaharo ny ra-matahora r…
    friv unblocked dans Events! part 1
    friv dans Events! part 1
    Rija dans [Anonyme] Marc Ravalomanana: L…