Archive for the ‘Fiovaovan’ny tontolo iainana’ Category
Raha ny lojika politika misy ankehitriny dia tsy tokony menatra, mihemotra na matahotra i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany, amin’ny fisamborana an’i Andry Rajoelina. Satria, ny mitady ny soa ny mpiarabelona sy ny firenena dia efa nataon’izy ireo vaindohan-draharaha.
Andry Rajoelina lehiben’ny MAFIA Malagasy
Ity oronan-tsary ity dia manazava tsara ny fomba maloto tamin’ny famotehana sy ny fanondranana ny harem-pirenena malagasy. Voatonona ao ny anaran’i Andry Rajoelina. Izay azo lazaina fa lehiben’ny MAFIA malagasy nandritra iny fitondrana tetezamita iny.
Maninona moa tsy Tonga dia ingahy mpikiky kapila manjelatra no samborina? Sa i Mamy Ravatomanga no tena mpilalao ny « télécommande » ka ingahy kely dia sarobakolin’ity farany?
Famonoana olona manarapenitra, niarahana tamin’i Andry Rajoelina ny 26 Janoary sy ny 07 febroary 2009
Raha ny maso mahita, ny saina mandinika dia i Andry Rajoelina no lehiben’ny mpamono olona, nandritra ilay revolision’ny mpanongam-panjakana, ny taona 2009 iny.
Ny tena nahatalanjona ity tantara ity dia ny tsy fandraisana andraikitra nataon’ i Rajoelina. Raha ny lojika mantsy, rehefa mitarika tolona na revolisionina ny olona Iray. Ny lehibe (leader) dia tsy maintsy mampiseho fihetsika fa tsy matahotra ary mahasahy hatramin’ny farany, hatramin’ny fahafatesana.
Nefa, mody nitomany tahaka ireny zaza nosarahana nono ireny ingahy Dijaka ny ampitson’ny 07 Febroary. Ny mahagaga ihany koa, ny 26 Janoary dia tsy nanao izany lery. Inona ny antony sa filalaovana sarimihetsika fotsiny iny ranomaso mody nalatsaka iny? Ny fanontaniana mipetraka ihany koa dia ity: inona ny maha samihafa ireo olona Maty ny 26 Janoary 2009 mihoatra ireo olona Maty ny 07 Febroary 2009? Maninona i Rajoelina tia milalao faty ary maninona ingahy io no tia mandainga?
Be maintsy
Ny fandoroana ny ala, ny fandoroana ny tanety, ny tsy firararahiana sy ny tsy fanajana ny zavaboary, ny fanondranana sy ny fanapahana ireo hazo maro sarobidy. Antony iray amin’ny fiovaovan’ny tontolo iainana eto #Dago
Etsy andaniny ny fitondram-panjakana dia variana miady seza amin’ny fanaovana politika politisianina. Nefa izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany.
Raha ny zava-misy no dinihina dia tsotra ny azo ambara, ny fahantrana no mibahana eo amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy satria ny sakafo anio dia tadiavina anio. Ka izay no antony tsy dia hivakiany loha loatra amin’izany fiovany totr’andro izany.