Raha te ho lasa adala ianao na te hidiran-doza na te ho tapaka lalandra! Omeo any Onitiana Realy sy Beatrice Atallah ny volanao dia ho avy mora aminao foana ireo zavatra voalazako ireo.

maxresdefault

ONITIANA V8

Tsy aiko ny fandehany amin’izao ora sy fotoana hanoratako izao. Ohatrinona ny vola efa voangona any amin’ny ramatoa minisitra Realy sy ramatoa ministra Atallah momba ity resaka DIASPORA MALAGASY tiany andray andraikitra ho any firenena ity! Raha mbola tsy misy izay dia tsara sy deraina ny fihetsika asehonareo ry namana. Aza manome fa efa mivoaka ny fefiloha ny voay amin’izao fotoana izao ary tena mandrapaka sy manaikitra izay hitany rehetra eny an-dalambe ry zareo.

Tandremo ry namana malagasy mitady ravin’ahitra aty ivelany fa mamely miafina be ihany koa ny Trambo sy ny biby Dia. Ary manao izay fomba rehetra hitany hitadiavana vola hamenoana ny paosy sy hitadiavana voninahitra.

Maro amintsika angamba no efa mahafantatra fa nahazo fiarakodia tsy mataho-dalana TOYOTA V8 ny minisitra ny mponina malagasy Onitiana Realy.  Tsy nila niasa ela akory ity farany dia efa miliara ny ao am-paosy vao maika izany fa omenareo fanampiana izy, vola tsy nosasarana fa vola adala tompo. Draisy! « Lavie est belle » na « milay be ny fiainana ».

Mamboly voky, tsy mamboly voky 

Amin’ny ankapobeny, ny politika no sehatra lehibe indrindra handaminana ny fiarahamonina, hitadiavana ny soa sy ny tsara ho any firenena. Rehefa tsy mamely ny politika dia manaraka izay onjany izay ny fandehany toe-draharaha! Eto dia tiako sarihina kely vetivety ny sainareo mpanaraka tsy tapaka ity blog ity fa zavatra mahagaga sy mahatalanjona hatrany ny zava-baovao eo amin’ny fampianarana ny ratsy asehon’ireto politisianina malagasy ireto.

Rehefa avy « niala an’Akatso » dia « miditra an’Ambohidempona » indray isika malagasy! Tsy henatra, tsy tahotra ary fasahiana feno habibiana ny fandikako izao fihetsika asehony ramatoa onitiana Realy izao manoloana ny fividianana ity fiara mitentina aminà miliara ity.

Minisitra misahana ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ianao ramatoa dia sahinao ny mandakà ireo olona ireo any @ ambavafoany! Olona tsotra, sahirana, mila fanampiana avy any aminao. Olona tsy be teny, mahay miharitra ny fery ao aminy. Olona nabadoana amin’ny fomba maro samihafa, manantena ny ho avy mamiratra hatrany sns. Na dia olona maty heritreritra aza ve ianao ramatoa dia tsy mampaninona ny sainao mandinika izao fomba ratsy ataonao izao?

Ekena fa olona tsy niharitra, olona tsy mahafantatra izany atao hoe fahoriam-bahoaka izany ianao ramatoa minisitra. Mampiasa ny haino aman-jery, hitadiavana vola, dera sy laza ary ny voninahitra no tena talentanao! Teny tsara lahatra no betsaka fa ny ataonao dia mitovy amin’ireo namanao teo aloha sy ireo mpiara-miasa, mpangalatra tsy vanona sy tsy valahara, mpanao politika rehetra ireo.

Na mamboly voky na tsy mamboly dia voky hatrany ianareo mpanao politika ireo! Tohizo ny adalana, ataovy  foana izay mety rehetra hangalarana sy hanaovana tsinotsinona ny mpiarabelona aminareo. Asehoy fa ianareo no tompony fahefana dia araraoty tsara sao rehefa very fihinana vao hitsipozipozy tahaka ireny rafotsy be banga ridana, tsy mahavidy solonify ireny ianareo mianakavy ao.

Toerana hifandimbiasana io Tompokolahy sy Tompokovavy. Mihevera tena fa mampahonena tanteraka ny fihetsika sy ny fomba amam-panao asehonareo. Tsindriko etoana fa tsy mahafaty na mahamenatra ny mampiseo monkodoha sy mitazona ny teny nomeny amin’ny fitadiavana ny soa sy ny tsara ho an’ny firenena sy ny mponina ao aminy. Rehefa misy ny fahadisoana dia tokony mahay miala tsiny,  tsy tokony atao mipetraka eny amin’ny sisi-tosy ny azafady fa ampiasaina isan’andro amin’ny asa aman-draharaha izay nankinina taminareo.

Diaspora malagasy

Raha eo amin’ny lafiny ara-ekonomika dia marina tokoa fa manana ny maha izy azy ireo malagasy sasany, mpila ravin’ahitra ivelany Nosy. Raha ny ohatra aty Amerika Avaratra no zaraiko aminareo dia tahaka izao ny fandehany (Mitovy amin’izao ihany ny fandehany raha expat na olona manana asa tsara mipetraka any Afrika, Asie sy Europe ny malagasy iray tsara karama sy fivelomana).

Eo anelanelan’ny $40 000/an – $80 000/an ny atao hoe « classe moyenne ; Mihoatra ny $80 000/an ny saranga ambony na mpanakarena, mpanefoefo izay 1% ny mponina raha ny aty Canada no asian-teny.

Ny tiako lazaina dia ity: Maro ny malagasy mipetraka aty Amerika no manana ny maha izy azy. Raha ny fitadidiko dia taty mihitsy no nanao antso avo ny governemanta @ tokony andraisany Diaspora malagasy anjara @ fanarenana ny firenena.

Dia hoy aho manoro hevitra sy manipy ny teny any aminareo tapaka sy namana Diaspora malagasy ireo manao hoe: TSIA!

TSIA ny valiny satria olona misy saina sy hendry ianareo ireo ka mitandrema fa fisolokiana avo lenta ny anaranio hataka ataony governemanta-ny MAFIA malagasy io.

Mankalaza,

Pakysse

  • activist blogger
  • #T4D:Technology 4 development ; #M4D:Madagascar 4 development 

  1. Anonyme

    Izahay teto La Réunion nanome 2400€ t@ tondra-drano (500€ no nomen’ny avy any Etazonia) fa tonga soa aman-tsara t@ nandefasana azy ny vola. Tsy nisy nihodina. Hatramin’ny iray centime hitan’ny masonay fa natolotra ho an’ny renim-pianakaviana sahirana. https://www.facebook.com/marvin.henikaja/media_set

    Momba ny 4×4, ny minisitra rehetra efa manana daholo. Ny mponina irery no tsy nanana fa fiara manokany foana no nentiny mandra-pahazo an’iny V8 iny. Sady nanao audit izy vao nividy. Fananam-panjakana entina mitsidika ny mponina any @ toerana faran’izay lavitra iny V8 iny (jereo ny vidéo) ary misoratra @ Minisitera rahateo fa tsy @ anaran’ny minisitra manokana akory. Mijanona ho fananam-panjakana rahatrizay miala izy. Rehefa tsy misy porofo d aza milaza olona ho mpangalatra. https://www.facebook.com/1050537391624037/videos/vb.1050537391624037/1089477664396676/?type=2&theater

    Fanamarihana farany lehibe indrindra : miasa ny Ministra fa tsy mikabary. Ireto ny liens.


    https://www.facebook.com/media/set/?set=a.1073136582697451.1073741850.1050537391624037&type=3

  2. pakysse

    Tsy ny kabary tsara lahatra no handeha hanekenay ny resaka ataonareo mpanao politika tia voninahitra sy mpangalabolam-panjakana ireo! Raha nahomby sy niasa tokoa ramatoa minisitra dia efa ela no foana ny olona mihinana fako sy mitsindroka zoridira.

    1 – Ny $500 izay nomeny diaspora avy aty Amerika Avaratra dia tsotra. Mahamenatra no sady mampahonena fa ireny no atao hoe seho ivelany! Tsy henatra, tsy tahotra ny zavatra nataonareo fa dia olona traboina efa be mpanome fanampiana no mbola nanaovana teny tsara lahatra sy fandresen-dahatra teny Andohatapenaka.

    2 – Raha olona manana »conscience » sy mahay miasa, manao sosialim-bahoaka dia tsotra ny azo ambara @ ity resaka 4*4 TOYOTA V8 tao @ RASSETA ity.

    – Asehoy ny carte grise fa any ministera tokoa ilay fiara ary aza matahotra ny manao izany!

    – Aleo manofa fiara na mijery ireo fiara marobe ao @ ministera entina mitety ny faritra. Na mandeha taxibrousse midina any ambanivohitra mitety any Madagasikara. Fomba fisainana sy fomba amam-panao efa ao anaty Tompoko ny toetra tokony hananana, indrindra ho anio ministera iray io. Tsy hanao lava teny izahay fa tsy ho laozan’izay olona miseo ho azy ho dadany foana i Madagasikara. Saingy indrisy, olona matikambo sy be resaka ary mpangalatra ny volam-panjakana hatrany no misy. Ary aza hadino ihany koa fa na misy na tsy misy ny fanampiana dia olona mahay miharitra ny malagasy!

    Ny anay dia tsotra: Ho ataonay hatrany ny « campagne de sensibilisation » raha mbola manao resaka tsy mangarahara ny politisianina malagasy. Ho resenay lahatra ireo malagasy manerana izao tontolo izao, @ tsy hanomezana vola anio ministera iray io! Na misy fanampiana Tompoko, na tsy misy ny fanampiana dia ny omaly tsy niova hatrany ny fomba amam-panaonareo politisianina tsy misy valera, mpisoloky sy mpangalatra ny volam-panjakana rehetra ireo.

    Vahoaka mijaly, mahantra sy sahirana ary mihinana zoridira sy fako no betsaka hatramin’izay ka hatramin’izao!

  3. Rals

    Ary ny fampiasana ny 4×4 ihany no fanenjehana mivaingana ataonao, fa tsy misy porofo hafa fa dia Fanaratsiana sy Fanenjehina fotsiny. I Beatrice Atallah aza no tena faikany, nahatafita tamin’ny halabato ireo mafia ho tonga eo amin’ny fitondrana tsy asianao teny akory. Onitiana nihezaka nanao izay vitany, hanavotra ny gasy sahirana no henjehinao toy ireo be fialonana miseho tia tanindrazana kanefa manenjika ireo miasa ho an’ny tanindrazana, tsy misy olona tonga lafatra fa avelao izay hanampy ny madinika hanampy, na hangalatra aza izy hanao izany, tsy mba nankafia ny tantaran’i Robin des Bois angaha ianao?

  4. Manohy

    Mety ho marina ny voalazanao fa tany amin’ny zavatra hafa no tena niompanan’ny saiko. Ny teny Malagasy ampiasainao dia tena maro loatra ny diso. Fanampariaham-pahefana no izy, anoratako (filazam-potoana ankehitriny io), fahasahiana fa tsy fasahiana, hadalana fa tsy adalana, eritreritra fa tsy heritreritra, niaritra,mokon-doha fa tsy monkodoha…
    Tsy handroso mihitsy i Madagasikara na hitabataba ary isika raha tsy mipetraka ny hasiny.

    • pakysse

      Olona te ho dadany hafa ihany koa ve ity miafina @ solon’anarana ity? Aza ny teny diso no jerena fa ny hevitra zaraina. Raha ilaina ny mpampianatra ny teny malagasy dia afaka mijery izany fa hatreto aloa dia tsy ilaina izy. Azonay an-tsaina ihany ity olona manoratra ity. Olona te ho mpandika teny nefa ny teny ampiasiny ihany koa aza dia feno diso tanteraka.

      Ilay fampiasanao ny « vanim-potoana ankehitriny » izay lazainao dia efa misy diso. Tsy any ny ady hevitra fa ny toe-tsaina te ho afaka nefa ohatrany mbola tsy afaka tsara no mahagaga eto

  5. haitsika malgachie loatra ny manaratsy olona!mampalahelo ny toe-tsaina




Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Joany sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…

%d blogueurs aiment cette page :