DSCF3400

Eny amin’ny farihin’Ambohibao (lac Ambohibao) no misy ity tranobe manarapenitra ity. Nandritra ny fitondrana tetezamita no nipoiran’izy io.

Mahantra sy sahirana tanteraka ny vahoaka malagasy. Nefa, ny tany midadasika, ny harena an-kibon’ny tany, an-dranomasina, an-tanety ary an-hanabakabaka mirarakopana misy eto amin’ity Nosy malalantsika ity, dia tsy manampaharoa. Ny firaisankinan’ny rehetra, eo amin’ny fitadiavana ny rariny sy ny hitsiny dia tokony atao soa iombonana, ho an’ireo taranaka Fara sy Dimby.

Aiza ho aiza ny tohin’ilay tantara Ravatomanga manoloana ny fitsarana?

Raha ny tsiliantsofina dia milamina tsy misy olana ny afera maloton’n’ingahy Mamy manoloana ny fitsarana ankehitriny. Notabatabaina, ho re tany, ho ren-danitra manerana izao tontolo izao fa hitondra fiovana ingahy « comptable » ( Hery Rajaonarimampianina). Izany hono ny antony, nampiakarana an’i  Ravatomanga teny amin’ny fitsarana. Ka, mody nanaovana ireny sarin’ady ireny, mba hanadiovana an’i prezidà, fa mandray andraikitra tokoa ity farany.

Ny fiheverana ny malagasy ho donto sy tsy misy saina dia mampiomehy tokoa. Matetika nefa, ny mpanao politika sy ny mpanao afera maloto teto amin’ity firenena ity dia afabela foana. Ka izay indrindra no tsy tokony hanekena ireo tsy maty manota. Isan’izany, ity afera mitana ny sain’ny maro ity!

Halako bika tsy tiako tarehy

Tsy ny fanaovana « halako bika tsy tiako tarehy » ny tanjona eto. Ny fanairana ny saina sy ny fitaterana manarapenitra ny zava-misy eto an-Tanindrazana no tena tiana hasongadina. Nandritra ny fitondrana tetezamita mantsy, tsy nisy olona tsy niaiky fa dia mpanakarena ary olona tsy azo natao na inona na inona izany Mamy Ravatomanga izany.

Amin’izao ora sy fotoana hanoratana izao, maro ireo olom-pirenena tsotra, no miandry ny tohin’ilay tantara fanondranana Andramena? Mangony fotsiny, ny aferan’i SODIATRANS izay notaterin’i Zakariasy Patrick.

Ny teny famaranana tompokolahy sy tompokovavy, mikasika an’ity deba be ity dia tsotra. Ny mpitsara malagasy, tia kolikoly dia tokony manatsahatra ny fanaovana mazia, mazia eo amin’ny tontolon’ny Tribonaly. Satria, olona manana hazon-damosina sy misy saina raha ny fahafantarana azy ireo. Izany hoe, ilay fahazarana mamoaka didy: « Afaka nohon’ny fisalasalana » dia mila havadika « fanagadrana nohon’ny porofo mivaingana ».

Be Mainty

 


  1. Anonyme

    iza ary hanao an’izany?

  2. Anonyme

    ary ny malagasy ao antananarivo no nanome fahefana azy ireo, ary miandry vahoaka ao koa ho tonga saina , ao ihany no afaka mihetsika fa ny ambiny be tahotra ny polisy mandrahona amin ny basy rah vao mihetsika eo

  3. Anonyme

    aza variana fa maro koa ny mpanao politika mi jouer comedie manao vazaha modi miady hanariana saim bahoaka

  4. Anonyme

    sady mbola mitohy n tetezamita, teo ihany no eo zao

  5. Anonyme

    ny vahoaka madinika voalaza fa mangala pihinanana ary migadra avy hatrany , ny lehibe kosa manandra tsira tsy heloka velively
    Beloha

  6. izay mahazo seza toa mampimonomonea ny gasy, normale be ry zareo raha manao izay tiany hatao satria isika ihany no nifidy, na tsy izaho aza ny teo @ toerany vola adala tompo ko tsy ataoko @ ilay fanaovana azy; hahahaha, mampalahelo aan

    • Anonyme

      aza marary fo @ fananan’olona eh tsara ny malagasy lasa lavitra ry prezda RAVALO efa reraka sy resy aleo mba hisondrotra lavitra ny malagasy manana eh

  7. Francky

    aza malaelo fa manaova politika de ataovy zay azaona fitondrana de amidio mitsy m/car,mpanakarena eran tany @izay ftona zay




Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Joany sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…

%d blogueurs aiment cette page :