Iza moa izy ireo?

Mpanakanto, politisianina henjana amin’ny famadihana palitao, mpanao afera. Raha izay fotsiny no jerena dia hita soritra fa tsy misy, na ny iray aza olona matihanina amin’ny fanaovana politika ny ao anatin’ity antoko na fikambanana ity.

Miaraka amin’i Prezida Rajoelina ny fanalavana ny atao hoe « MAPAR ». Ity voalaza anarana ity moa dia tsiahivina fa ilay rangahy kely, be ambo, matim-boninahitra, tia mikarakara lanonana fa indrindra nalaza tamin’ny fikikisana kapila manjelatra ary tompondaka eran-tany amin’ny rediredy. Tsy azo adinoina ihany koa nefa, fa i Dijaka no lehiben’ny fandrobana sy namporisika, nanao sorona ireo olona maty, voatifitra ny 07 febroary 2009 teny Ambohitsirohitra. Ary farany, tamin’ny alalan’ny basy sy ny tafondro tamin’ny 17 marsa 2009 no nangalany ny fitondram-panjakana. Izay nahatonga ny fampianarana manarapenitra, ny filoloavana ny ratsy ambony loha, ho an’ireo miray Tanindrazana.

Inona ny tanjon’izy ireo?

Raha ny fahitana ny fihetsika sy ny fomba fanehoana hevitra ataon’ireto olona miaraka amin’i Rajoelina ireto dia tsotra. Tsy tia filaminana ary olona tia setrasetra sy tia miantsy ady. Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny satria, olona tsy matahotra ny tody sy kely saina no milaza ho azy fa hitondra ny fiovana eto Madagasikara.

Raha ny fomba amam-panaon’ireto olona mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity mankony, dia ny omaly tsy niova ihany. Izany hoe:  » fametrahana ny lainga tsara lahatra ho laharam-pahamehana, ny fanohizana ny fangalarana ny harem-pirenena avo lenta sy ny fampiasana ny fahefana ho an’ny tombotsoa manokana ary ny fanaovana tsindry azo lena ireo tsy mitovy hevitra. »

Rajaonarimampianina no tompon’ny fahefana?

Raha ny fahitana ny toe-draharaha misy ankehitriny dia miroana tanteraka any amin’ny firaisankinam-pirenena ilay governemanta vaovao, izay hitsangana tsy ho ela. Indrisy mantsy ry mpamaky sy mpanaraka ity blog ity, tsy henatra sy tahotra ho an’ireto ekipan’i Dijaka ireto ny milaza fa tsy mety aminy hono izany.

Raha i Hery Rajaonarimampianina no filoha voafidy dia azo lazaina izany fa izy no tena tompon’ny fahefana farany. Enga anie, ka ho zoky lahy tsy Vomanga ny anao lahy. Aoka ihany koa, ny tantara no hitsara fa raha ny fisainan’ireto olon’i Rajoelina ireto no arahana dia ny tsy hivoahan’i Madagasikara anaty lavaka ihany no mety amin’izy ireo.

Be Mainty.




    Laisser un commentaire

    Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

    Logo WordPress.com

    Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

    Image Twitter

    Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

    Photo Facebook

    Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

    Photo Google+

    Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

    Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Joany sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…

%d blogueurs aiment cette page :