Kolikoly avo lenta!


Raha niantso ny tena ity namana akaiky iray mba hilaza ny halahelony tamin’ny kolikoly nataon’ny « chef de service  » ny SUT tetsy amin’ny « comissariat de police » Tsaralalana, dia tsy nisalasala ny tena ka tonga dia nanaiky avy hatrany ny hamoaka ity resaka ity.

Raha ny fiandohan’ ity tantara ity dia resaka disadisa teo anivon’ny mpivady izay eo ampisaraham-panambadiana. Raha ny momba ilay olona niaran’ny tsy rariny no lazaina dia miasa any am-pitan-dranomasina ary manam-boninahitra ambony, izany  hoe tsy tokony azo samborina fotsiny amin’izao satria misy ny atao hoe « code d’honneur ».

Ny 13 septembre raha iny handeha haka « visa » iny ilay manam-boninahitra dia nisy ny polisy 4 mirahalahy tonga dia nanisy « menottes » azy avy hatrany tsy nisy resaka satria hono misy ny « mandat d’amener » avy amin’ilay « chef de service » ny SUT. Ny tena mandreraka amin’ity tantara ity dia ilay fanaovana tsinontsinona ny maha olombelona satria na ny kely aza dia nohajaina ny maha olombelona, ary ny manaraka tena ratsy dia ny tsy firaharahiana ny maha manam-boninahitra ilay ra namana.

Roa andro niditra « violon » ra namana ary rehefa nandeha ny famotorana rehetra dia nilamina tsara ihany ny tantara satria nahazo ny rariny izy ary amin’izao fotoana izao dia azo lazaina fa afa-baraka tanteraka ilay « comissaire » sy ny forongony.

Ny maha avo lenta ity kolikoly ity moa  dia ny fiarahana nitsikombakomba teo anivon’ny tribonaly sy ny polisy, »procurerur » sy « comissaire » no tompon’izao tsy fahaiza-miaina izao ary noho ny fahamarinana tsy mety maty dia mora loatra ny nandresy ny ratsy na dia efa novonoina sy natao daholo izao herisetra ara-batana sy ara-tsaina izao.

Asa raha izany tokoa no atao oe firenena tan-dalana?

Publicités



    Laisser un commentaire

    Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

    Logo WordPress.com

    Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

    Photo Google+

    Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion /  Changer )

    Image Twitter

    Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion /  Changer )

    Photo Facebook

    Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

    Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    Krîs dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Anonyme dans TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Rapa dans ANDRY RAJOELINA SY ANNICK RAJA…
    friv unblocked dans Atsaharo ny ra-matahora r…
    friv unblocked dans Events! part 1
    friv dans Events! part 1
    Rija dans [Anonyme] Marc Ravalomanana: L…

%d blogueurs aiment cette page :