Blog action day (Malagasy version)


Raha aminn’izao fotoana izao, na firenena mahantra na andalam-pandrosoana na mandroso, dia samy vaky loha avokoa fa betsaka tokoa ny tsy nety raha ny mikasika ireo setrasetra izay nataontsika tamin’ny natiora, ary izany dia lasa niteraka fitadiavana vahaolana amin’ny fanenana ny rivotra toxika izay nampiova sy nampikorontana ny fizotran’ ny toetr’andro eran’izao tontolo izao.

Izany rehetra izany anefa dia tsy ho vita mora raha tsy ny rehetra no miara-mandray andraikitra, mifanentana, mifampitaiza ary mifanoro amin’ny lalana tokony hizorana amin’ny fitandrovana sy ny fitadiavana vahaolana amin’ny fiarovana sy ny fikajiana izany zavaboary izany.

Raha nahazo fanasana hamonjy ny fivoriana lehibe tany New York, notanterahin’ny firenena mikambana na ny ONU momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tenako, avy amin’ireo namana tao amin’ny OXFAM sy ny TCK TCK TCK amin’ny maha mpitoraka bilaogy sy amin’ny maha mpitandro sy mpiaro ny tontolo iainana mavitrika (activiste) ny tena, dia ireto misy tarehimarika sy ala olana tsotsotra tiako ho zaraina aminareo eto, izay finiavana avy amin’ireo firenena samihafa, nentina nozaraina sy nampahafantarina an’izao tontolo izao, amin’ny fahavononan’izy ireo ny hiady ny fanenana ny rivotra toxika izay manimba ny “couche d’ozone”, ka lasa miteraka fahavoazana sy fiovaovana tanteraka raha eo amin’ny lafiny ara-toetr’andro.

Maro dia maro tokoa ireo finiavana sy faniriana, koa araka izany dia ho zaraiko aminareo eto  izany faniriana goavana avy amin’ireo firenena rehetra nandray anjara tamin’ny fivoriana tany New York izany.

  1. Ny hafatra avy amin’ny filoha amerikana Obama dia tsotra, ka dia nolazainy fa ireo mpialokaloka ara-tontolo iainana dia miha-betsaka tokoa satria efa tsy azo hipetrahana intsony any amin’izy ireo noho ny fahasimban’ny tananany, ohatra : lasan’ ny ranomasina ny toeram-ponenan’izy ireo ary MILA OVAINA HAINGANA DIA HAINGANA TOKOA IZY IO.
  1. Ny hany teny tena navesan-danja avy amin’ny filoha Maldiviana dia ilay hafatra nomeny sy nampitainy amin’ireo firenena lehibe sy mandroso indrindra hoe: “IANAREO IREO NO LAKILE AMIN’IZAO OLANA IZAO, ARY MINO AHO FA REHEFA IANAREO NO MANDRAY ANDRAIKITRA DIA MORA AMIN’IREO FIRENENA HAFA NY HANARAKA IZANY.”

“Raha ny momba ny Etats Unis manokana” hoy izy, “hatramin’ny nitondrako teto dia efa ho 8 volana izy ireo no niady tamin’ity resaka fiovaovan’ny tontolo iainana ity, ary tsy mora izany fa dia mila ny fandrasian’andraikitry ny rehetra amin’io asa io.”

  1. AFRIQUE: Raha ny momba ity kontinanta ity ihany koa dia tsotra ny teny nifampizarana tao, dia ny hoe : OMEO FAMATSIANA ARA-BOLA I AFRIKA ARY FANAMPIANA ARA-TEKNIKA, satria mbola betsaka dia betsaka tokoa ny harena ara-javaboary ananany ka tokony harovana fatratra izany. Ary izany teny izany dia avy amin’ny filoha frantsay Sarkozy, ary ny “volonte” sy ny “confiance” no tsy ampy ao aminy, hoy ihany izy.

4. Ho an’i la Frantsa kosa izay hany tokana firenena tena nahazo tehaka nirefodrefotra tokoa, dia tsotra ny teny nataon’ny filoha Sarkozy tao dia ny hoe: ZAVA-MISY IO OLANA ARA-TOETR’ANDRO IO, ARY ISIKA NO TARANAKA FARANY (derniere generation) AFAKA MANDRAY ANDRAIKITRA AMIN’NY FITADIAVANA VAHAOLANA AMIN’IZY IO.

Raha ny momba any la Frantsa manokana hoy  izy, dia hatramin’ny taona 2050 dia ahenanay 50% ny famoronana “gaz a effet de serre”.

Ary ny hafatra ho anareo firenena andalam-pandrosoana, hoy ihany izy, dia tsy maintsy 80% izany, ary aza matahotra fa ahazo ny anjaranareo  koa ianareo. (Izy irery aloha hatramin’izao ny filoham-pirenena tena mba nitondra ny feon’i Afrika sy ireo firenena andalam-pandrosoana).

5. Ho an’i CHINE sy JAPON indray, dia ny fanomezana tarehimarika no tena isan’ny zavatra naha-talanjona ny rehetra nandritra ity fivoriana ity, satria raha raisina ny fanapahan-kevitra avy amin’ireo filoha mitondra olona betsaka indrindra eran-tany (oh : CHINE) dia :

l        Fametrahana rafitra maty paika eo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy

l        Tamin’ny taona 2005 ny fanenana no efa hita soritra, ka hotohizana hatramin’ny 2020 izany.

l        Ny fambolena hazo dia hasehon-dry zareo fa tsy olana ny mametraka politika maty paika aminizany, koa ny tanjona dia ny fametrahana 40 millions d’Hectares, izany hoe 1.3 Milliards m3

l        Ary ny farany dia ny fametrahana ny atao hoe “Politique ecologique circulaire”.

Ny teny azo hamintinana ity olana voajanahary ity dia ny tokony handraisana andraikitra haingana dia haingana, satria dia loza efa mipetraka izy io. Tsy tokony hangataka andro intsony isika izay mahatsapa fa manana anjara biriky amin’izany ady izany, ary tsy tokony ho menatra ny hitaiza raha toa ka ilaina izany, satria tena tsy ampy ary tena  mahonena tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao amin’ny fanaovana tsinontsinona sy fanambaniana ny zavaboary.

Raha ny momba an’i Madagasikara no asian-teny, dia efa betsaka ireo fikambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no nilaza sy namoaka ny heviny mikasika ireo karazana loza maro samihafa mitranga eto amintsika, fa dia ny tsy firarahiana sy ny fiadiana seza ara-politika ary ny fanangonan-karena no tena olan’izy ireo.

Raha tanisaiko kely eto izany tsy firarahina sy fanimbana ny zavaboary sy ny voka-dratsy aterak’izany dia:

l        Betsaka ireo ala no simba noho ny fanapahana sy ny famadihana izany ho lasa ”Charbon de bois”

l        Rehefa tapaka ireo hazo ireo dia maro ihany koa ireo biby izay tsy fahita raha tsy eto Dago tahaka ny “Lemurien” sns no maty.

l        Raha tsy hitanisa fotsiny ireo karazam-biby tsy fahita raha tsy eto Madagasikara aho dia eo ihany koa ireo kazarana zava-maniry samihafa izay mbola tsy fahita raha tsy eto Madagasikara no potika amin’ny tsy misy antony.

l        Ny doro tanety moa izay isan’ny olana lehibe indrindra eto Madagasikara sy eto Afrika mihintsy araka ny fahitako azy, dia mbola tsy afaka misaraka amin’ny fomban’ireo manao izany.

l        Ireo kazarana biby an-dranomasina ihany koa dia manomboka manana olana satria maro dia maro tokoa ireo mpihaza azy io na malagasy na vahiny no tonga ary tsy manaja ny lalana misy tokony arahina mifehy ny jono an-dranomasina.

l        Ireo loto amin’ny tsy fanajana ny tanana, ireo fiara mamoaka setroka maloto tsy tokony handeha intsony nefa mbola mandeha, sy ny tsy fahampian’ny lalandrano izay tokony handehanan’ny maloto samihafa misy eto an-drenovohitra, dia mbola olana mipetraka ihany koa, sy ireo maro samihafa tsy voatanisa…

Ny hany teny tokana sy vahaolana miraikitra sy maharitra raha ny fahitako azy, dia tokony hatomboka amin’ny fanabeazana (education civique) aloha, satria na hisy aza ny volabe hatontona dia tsy hiditra amin’ny sain’ireo olona mihintsy raha tsy fantany aloha ny voka- dratsy haterak’izany fiovaovan’ny tontolo iainana izany, ary izany dia tokony hampiarahina amin’ny fandraisana andraikitra haingana, fa tsy lany andro amin’ny resabe tsy misy tanjona (parle peu,passe a l’acte) fa andao hiaraka hitaiza sy hiaro ny zavaboary mipetraka isika, dia mino aho fa raha ny rehetra no manana fisainana ny hitandro izany dia ho mora foana ny hampihena io CO2 misy io.


  1. pakysse

    lelike @jogany asa oi, asa oi

  2. Marina izany baina ah … tolon’ny olon-drehetra io ary tsy maintsy miainga amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana ny tsirairay handray andraikitra ihany no vahaolana aingana aloha atr’eto.

  3. Ramaroson Michel

    Bonjour ,

    Voici 2 articles parus dans les journaux de Madagascar , concernant des INFOS D combien important de L’ENVIRONNEMENT / BIODIVERSITÉ ….qui tient une place primordiale => (ÉQUILIBRE DE L’ECO-SYSTÈME MONDIALE ….en raison du Réchauffement Climatique de notre chère vieille PLANÈTE TERRE ….jusqu’à en menacer l’AVENIR de l’HUMANITÉ o^pu vivent quelques milliards d’individus!!……

    1/ – CAFE : La 3e Assemblée Générale à Madagascar

    Soumis par admin le lun, 16/09/2013 – Midi Madagascar

    http://www.midi-madagasikara.mg/sites/default/files/styles/400px_wide/public/main/articles/magro-10.gif?itok=Ycvm7cIV
    ———//

    Madagascar a été choisi pour abriter la 3e Assemblée Générale des membres du Consortium Africain des Fonds pour l’Environnement ou CAFE. D’autant plus, la Fondation Tany Meva qui a initié la création de ce réseau des Fondations africaines pour l’environnement avec la Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar, assure cette année la présidence du CAFE. L’objet de cette réunion consiste à renforcer la capacité des membres sur la stratégie de gouvernance et à tisser des relations entre eux via des échanges. « J’encourage les fondations à tirer profit de cette formation afin qu’elles puissent obtenir plus de crédibilité pour devenir des partenaires stratégiques des bailleurs de fonds bilatéraux et multinationaux », a déclaré le secrétaire général du ministère de l’Environnement, Manganirina Randrianarisoa, lors de l’ouverture de cette cérémonie samedi dernier à l’hôtel Ibis Ankorondrano. La réunion des membres du CAFE se poursuit jusqu’au 21 septembre 2013 à Antsiranana.

    Navalona R.

    http://www.midi-madagasikara.mg/economie/cafe-la-3e-assemblee-generale-madagascar#sthash.gnuczSyb.dpuf

    ===========================//===================

    Aeticle 2/ – FONDS POUR L’ENVIRONNEMENT
    Madagascar accueille le sommet du « Cafe »

    *PHOTO: Fenosoa Andriamahenina (à g.) et Beboarimisa Ralava lors de la conférence de presse, hier

    ——————-//

    L’assemblée générale du Consortium africain des fonds pour l’environnement se tiendra à Tana à partir de demain. La Grande île préside cette organisation.

    Un grand rendez-vous environnemental à Mada­gascar. 
    La Grande île accueille durant une semaine la troisième assemblée générale du Consortium africain des fonds pour l’environnement (CAFE). Ce réseau regroupe seize fondations œuvrant dans le domaine de l’environnement dans quatorze pays africains. Deux d’entre eux travaillent au pays dont la Fondation Tany Meva, qui en assure la présidence jusqu’à cette année et la Fondation pour les aires protégées et la biodiversité de Madagascar. 

    « Les décisions sur les fonds destinés à l’environnement sont prises par un groupe de décision. Ce consortium permet de parler d’une voix commune qui est celle de l’Afrique, au sein de ces groupes », souligne Fenosoa Andriamahenina, président du Cafe. 

    Mais l’un des objectifs majeurs de ce consortium est surtout de constituer un réseau pour améliorer le partage de contacts, d’informations et d’expériences entre ses membres. Ces domaines sont capitaux pour la bonne marche de ce mécanisme, notamment au niveau de la levée de fonds. Grâce aux rencontres  qui se tiennent à travers ce réseau, les fondations et les bailleurs de fonds potentiels, par exemple, ont l’occasion de discuter et de trouver des domaines de convergences d’approches. Dans le cas de cette assemblée générale, par exemple, plusieurs bailleurs de fonds qui travaillent dans le secteur environnement, seront présents, dont la Banque mondiale ou bien le Programme des nations unies pour le développement (Pnud). 

    Renforcement de capacité

    Il y a également le volet renforcement de capacité. Grâce au Cafe, ses membres bénéficient régulièrement de formation et d’assistance. Beboarimisa Ralava, directeur exécutif de la Fondation pour les aires protégées et la biodiversité de Madagascar, a témoigné des bénéfices que son organisation a pu tirer d’une formation sur le marketing communication. Ces renforcements de capacité peuvent également toucher des domaines très techniques comme le fonctionnement de la levée de fonds, par exemple. 

    « Les échanges d’expérience avec les autres fondations sont très importants. Ce genre de rencontre organisée par le consortium est vraiment très utile », précise Beboarimisa Ralava. 

    Pour en revenir au programme de l’assemblée générale, la cérémonie d’ouverture se tiendra à l’hôtel Ibis demain. La suite se passera  à Antsiranana, à partir de lundi, d’ailleurs, la compagnie nationale Air Mada­gascar est l’un des partenaires majeurs de l’évènement. Des ateliers de renforcement de capacité figureront au programme ainsi que des discussions sur la mise en place  de standards de qualité, en matière de fonds environnementaux. 

    Mahefa Rakotomalala

    Vendredi 13 septembre 2013 – Express Madagascar

    http://www.lexpressmada.com/fonds-pour-l-environnement-madagascar/46470-madagascar-accueille-le-sommet-du-cafe-.html

  1. 1 Blog Action Day : FOKO Bloggers promote local actions for Climate Change « foko-madagascar

    […] Pakysse from Antananarivo Ny teny azo hamintinana ity olana voajanahary ity dia ny tokony handraisana andraikitra haingana dia haingana, satria dia loza efa mipetraka izy io. Tsy tokony hangataka andro intsony isika izay mahatsapa fa manana anjara biriky amin’izany ady izany, ary tsy tokony ho menatra ny hitaiza raha toa ka ilaina izany, satria tena tsy ampy ary tena  mahonena tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao amin’ny fanaovana tsinontsinona sy fanambaniana ny zavaboary. […]




Laisser un commentaire


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Cyber-censure : Mada… dans LA SOCIÉTÉ MOOV MADAGASCAR TUE…
    Helatra dans NY RAZAMBEKO
    PATRICIA RAKOTOMALAL… dans Veloma lesy namana Ando a…
    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…