Padesma, Katolika, Côtiers


Amin’izao zava-mitranga eto Madagsikara izao dia tsara ny mampahalala ny tantara ho antsika rehetra. Tsy afa-misaraka amin’ny tantara mantsy isika. Misy rafitra efa napetraky frantsa hatramin’izay ho an’i Madagasikara ary mbola ezahany ho tazomina hatramin’izao. Satria ny ao antsain-dry zareo dia ho azy i Madagasikara ary ny Malagasy dia hiasa ho azy. Fantatsika tsara ny tantaran’ny Padesm, izay côtier no maro aminy. Efa nipetraka teto koa ny resaka hoe raha katôlika dia misy mamofompofona frantsay ary nyProtestana dia Anglisy no ao aorinany. Sanatria tsy hampiady fiangonana akory fa mampahafantatra ny zava-nisy fotsiny.

Raha nahatadidy isika dia toy izao hatrany ny « frofil » napetraky ny frantsay ho filohan’ny Repoblika teto Madagasikara, tsy maintsy « Katôlika-Côtier-Taranaka Padesm« . Ary ny Merina kosa dia nokendrena ho hitondra ny tetezamita fotsiny ihany. Ny tanjony amin’izay dia tsy afa-mandroso i Madagasikara raha tsy i frantsa. Tsy nampoiziny anefa ny naha Filoha an’i Ravalomanana izay sady tsy katôlika no tsy côtier ary tsy padesm koa, efa nazava moa ny pôlitika niarahan’io filoha io sy frantsa. Tsy manohana olona be fahatany akory isika fa mamoha ny saintsika rehetra manao hoe: Iza sy Inona no tokony ataontsika? Tsy hevitra fotsiny fa tonga dia « Action ».

Tamin’ny repoblika voalohany (1960-1972) dia Ingahy Philbert Tsirananana nitondra izay Katôlika-Côtier- Padesm(KCP), rehefa niala teo izy dia Merina, ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa no nitondra ny Teteza-mita teto 1972-1975. Misy olona tokony ho vonoina fa manelingelina anefa ao Madagasikara ao hoy i frantsa fa mitady hamerina ny rafitra fokonolona izay napetraky ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, dia ny kolonely Richard Ratsimandrava izany, voatifitra tamin’ny (11fev1975). Ka mety hampandroso an’i Madagasikara izany. Izany hoe filoham-pirenena herinandro monja. Nitsangana indray ny fitondrana miaramila izay notarihan’i Jeneraly Andriamahazo izay merina ary nanomana izay ho filohan’ny repoblika Katôlika-Cotier-PadesmK dia Ratsiraka izany. Nisehao indray anefa ny tolona 1991 dia nijoro indray ny fitondrana teteza-mita nentin’ny merina dia i Guy willy Razanamasy izany, izay nanomana ho filoha Katolika Cotier Padesm dia i Zafy Albert indray. Arakao ve aloha ilay tantara e?. Nitranga indray ny fanonganana io filoha io dia i Ratsirahonana Norbert, izay merina indray no nitondra fotoana fohy nikarakara fifidianana, ary nitady indray Katôlika-Côtier-Padesm, dia ny fiverenan-dRatsiraka izany(1996-2001). Nitady merina hitondra ny teteza-mita indray ny frantsay hanomana filoha Katolika-Côtier-padesm, tsy tanteraka anefa izany fa nibilisatra ka Protestanta-tsy padesm tsy côtier, dia io zavatra sy fanonganam-panjakana misy ankehitriny io. Izay mazava ho azy fa Frantsay ny ao aoriana. Niezaka nanangana fitondrana teteza-mita ka i Andry Rajoelina merina no mitondra izany izay hanomana filohan’ny repoblika Tanindrana katôlika padesm, dia mazava ny karatra ry mpamaky namana sa ianao mbola manana ho tenenina. Ho tohizako sa ho tohizanao indray?.

Tapitra ny 15 mars anie ny fotoana hijanonan-dRatsiraka sy ny namany any frantsa e! Araka ny filazan’ny filoha frantsay Sarkozy.

Galasam


  1. mafy ny mahazo fa toa hoentin-javatra ny malagasy ankehitriny ny hany mba tokony hatao dia mivavaha mafy

  2. ariniaina

    efa malaza be eto am tanana oe ho avy am alahady eto Dago i Ratsiraka an.Tsaho ve? ohatran’ny toa ho marina ra zohina ny tantara

  3. pakysse

    @kritiky tena marina ny anao fa ho an’izay manana finoana dia ilaina tokoa ny vavaka fa kosa ho an’ireo mbola tsy dia ao loatra dia asa oe inona ny tena iankinany?

    @ariniaina tena tsy dia aiko loatra ny momba izay f mila jerena tsara aloha ny fahamarinany.

  4. Hanitra

    Moramora ery ny milaza fa ao ambadik’izao mitranga rehetra eto Gasikara izao ny Farantsay. Azoko ekena aloha fa tsy lanin’ny Frantsay mihintsy ingahy Ravaloman (niseho ho mafy loha koa moa izy: norohasiny lahy ny masoivoho, tena mba sahy ihany izy, izao ny vokany).
    Amiko dia mila misaina tsara vao manao zavatra: tsy nety ihany ny paikan-dRavalo nitady hiala an’ny France (ilaina foana ny coopération avec les autres, nanantena an’i Etats-Unis i Ravalo anefa tsisy vokany, tsy afaka nanampy azy Etats-Unis, voahongana ihany izy). Conclusion: aza maika be loatra ny androaka Frantsay

  5. malala

    Ny gasy dia kely loha tsy misaina. Tsy takatrin’ny atidoha akory fa na Frantsay na Amerikana na Anglisy dia mitovy daholo ny eo: izay hananany tombotsoa, izay afaka hivarotany ny vokatra, ary izay kely saina mety hozarazaraina. Zarazaraina amin’ny fivavahana (silamo e, jiosy e, katolika e, protestanta e…), zarazaraina amin’ny resapihaviana (merina e, cotier e…). Ny mpanao politika koa moa etsy andaniny dia alikakelimbazaha mianatra tsara ny fombany, ka mampiazarazara ny kely saina sasany ihany koa. Inona kay no ombanareo an’ireo mpanao politika ireo? Efa teo ireo antaonany maro izay, tsy hita izay natao fa voa maika nandetika ny firenena. Inona no mampisy ady? Fa maninona no isika mianankavy no hifandatsadrà amin’ny zavatra tsy misy dikany toy ny fanomezana fahefana (donc VOLA) ho an-dry zareo?
    Ny tsy takatry ny sain’ny Gasy sasany, dia eo imason’ny vahiny ianao, na Cotier na Merina, na Katolika na Protestanta, tsy misy mandraharaha an’izany fa Nègre ianao. Nègre bête en plus fa mahantran sady kely saina satria efa nègre nefa mbola raciste ihany koa. Mitomany Amerikana e, hihomehezandry zareo fotsiny satria efa hifanarahana ny azy. Afrique= ho an’i Frantsa. Amérique du Sud= ho an’i Amerikana. Zarazarao anjakaina hoy ny Ntaolo. Mbola tsy azondRamalagasy ihany hatramin’izao.




Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Joany sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…

%d blogueurs aiment cette page :