Ady hevitra momba ny fanadiadihana nataony Toavina Ralambomahay momba ny fikambanana ara-politika sy ny fahitany azy (Fizarana voalohany amin’ny teny malagasy)


dscn2697Raha vao iny nahita ny ady hevitra nafana iny tao amin’ny bilaoginy Mialy s’enfout ny tenako momba ny fanadihadiana nataony Toavina momba ireo karazana fikambanana ara-politika dia tonga dia nanapaka hevitra ihany koa ny hametraka ady hevitra mafana ato amin’ny bilaogiko.

Ny zavatra hitako voalohany aloha dia ny teny nafana nifanaovaany Rajiosy sy Toavina ary teo amin’ny Toavina sy Mialy s’enfout ihany koa araka izay dia mba mangataka ny tena tsy dia hifamely be sy hifamoaka teny mavesatra satria ny karazana toerana tahaka izao dia betsaka no manaraka no sady tsara ihany raha mifampitaiza isika amin’ny fomba fitenenana satria “ virtuel” moa izy ity no sady mba aleo asiana ethique tsotsotra ihany na dia mbola vitsy aza ny mifankalala.

Raha ny momba ny hevitro rehefa avy namakafaka sy nandinika dia tsotra ny azo ambara ary izany dia tsy fitorahana voninkazao ho an’ny mpanadihady na oe zavatra tahaka izany fa kosa amin’ny saina liana sy amin’ny fomba fijery tsotra dia azo lazaina fa mahafinaritra ny fandraisana andraikitra tahaka izao ary izany noho ra Toavina mbola ao anaty ny fahatanorana no tena tiako asian- resaka.

Izaho moa tsy dia tia manao resaka “diplomite” loatra satria samy manana ny fahaizany sy ny traikefany avy isika mpitoraka bilaogy rehetra koa araka izany na dia somary nandingana kely ny ambaratonga ambony teo amin’ny lalana aza ny tena dia hitako fa misy fahamarinana kely na dia mbola tsy aiko tsara aza ny fomba fandehany fanadihadiana ara-politika eo amin’ny lafiny ara-fikambanana.

NY ZAVATRA KELY HITAKO FA SOMARY NANDRERAKA NY SAINA RAHA TEO AMIN’NY NITONDRANA ITY ADY HEVITRA ITY DIA NY FIFANESOANA TEO AMIN’IREO KARAZANA OLONA VOATONONA ETSY AMBONY IREO SATRIA RAHA NY FAHAFANTARAKO NY TSIRAIRAY AVY DIA TSY TOKONY MITENY ZAVATRA TAHAKA IRENY FA KOSA REHEFA SAMY TSY MATATY DIA TSY TOKONY MANEHO HEVITRA SATRIA MAHA MENATRA NO SADY LASA MAMPIDINA NY LANJANY BILAOGY. TSY DIA TENA OE FANARATSIANA NA ZAVATRA MIFANANDRIFY AMIN’IZANY FA KOSA MBA TIA MANOME TORO HEVITRA FOTSINY ARY NY TENAKO IHANY KOA RAHA MISY ZAVATR TSY METY DIA AFAKA OMENA TORO-HEVITRA FA TSY MANDAHY IZANY VELIVELY AKORY.

Tiako ny mampahafantatra ny rehetra fa na iza na iza koa mbola ao anaty ny fahatanorana na iza naiza tsy ao anaty ny fahatanorana koa masahy mandray andraikitra sy ao anaty ny fisainana fa tsy entiny fo raha eo amni’ny resaka ady hevitra dia vonona foana ny tenako ny hanampy izany olona izany no mbola vonoa ihany ny hifanakalo hevitra lalina dia lalina tokoa.

Ho famaranana ny ady hevitra dia tiako ny hanimpy hevitra kely any ra Toavina: Fantako ny fitiavan’ialahy politika ary izany dia tahaka ny tenako ihany fa kosa tsy aleo ve tsy dia raisina amin’ny fo ny ady hevitra tahaka izao satria hitako oe mampiomehy be ihany indraindray raha vao ny fo no entina hitondrana ady hevitra sa ahoana hoy ialahy?

Mankasitraka antsika rehetra ary mankalaza ihany koa.

Misaotra tompoko.




    Laisser un commentaire

    Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

    Logo WordPress.com

    Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

    Image Twitter

    Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

    Photo Facebook

    Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

    Photo Google+

    Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

    Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Joany sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…

%d blogueurs aiment cette page :