IZANY VE NO ATAO EO DEMOKRATIA? FA MANINONA NO NANKATONA NY VIVA TéLé?


Raha sendra iny namoaka ny hevitry ny filoha teo aloha iny ny televizionina tsy miaknina “ VIVA” ny aliny ny asabotsy lasa teo dia iny alina iny ihany ny fitondram-panjakana malagasy dia namoaka didy ny hikatonan’io televizionina io.

Ny tena mahagaga dia 4 andro alohany fanasana ireo mpanao politika rehetra izay fangatahana avy amin’ny filoham-pirenena ny hametrahana ny rafitra mifehy ny fanaovana politika eto aintsika dia nampisho izao zavatra izao indray ity fitondrana ity, raha ny hevitry ny maro dia mbola tsy tafita ary tena tsy ao mihintsy ny demokratia eto amintsika satria jadona azo hilazana izao ary ny tena maha menatra dia ilay fitenenana oe firenena demokratika isika koa anefa ny mifanihitra amin’izany no tena misy? asa ny demokratia ny olon-tonkana ve sa..?

Tsy ela tao arian’izay zava nitranga izay dia efa niray sahAdy ireo mpanao gazety ary nanomboka androany dia efa nisy ny fandaharana vaoavo tao amin’ny onjam-peo ny “VIVA” izay ahitana ny mpnao gazety ( Rolly Mercia avy ao @ “ la verite”, Lalatiana avy ao @ “ radio antsiva” ary mpanao gazety iray hafa ihany koa), iazao zavatra izaomoa dia noho ny firaisan-kinan’izy ireo noho ny antsojay mahazo ireo namana mpanao gazety ireo.

Raha iny nanontaniana iny moa andriamatoa Andry Rajoelina dia nilaza izy fa dia gaga sy talanjona oe maninona no nisy onjam-peo hafa namoaka iny fanehoana ny filoha Didier Ratsiraka iny no tsy nakatona fa maninona izahay izay mba mihezaka ny mampita ny vaovao rehetra misy no tonga dia nankatona?

Ry mpamaky hajaina raha atao ny fandinihina dia tsapa fa mbola ho ela vao hisy ny demokratia ary raha tanora tahaka antsika izao no mihezaka ny mandray ny andraikiny tandrifiny avy dia mety hiova ihany ity toe-tsaina jadona ity.

I Pakysse manokana dia mankahery ireo namana tanora maro be mpanao gazety ao @ VIVA ary mankasitraka satria tanora mitovy amin’ny tena ireo ary rehefa atao anie ny fandinihina dia ny tanora no tena hoavin’ity firenena ity fa tsy ireo efa voky andro tsy manaiky ny hevitry ny tanora.


  1. NENYSah

    JADONA tena JADONA!
    Tsy mahazaka Demokrasia.Te hanjakazaka; manao ady ankafetsena fotsiny, miatsara ivelatsia .Tsy eo intsony tokoa mantsy Rvd Père Rémi Ralibera, koa manainga anareo Tanora aho:MITSANGANA, MAHEREZA!
    (izaho tsy mpanao gazety, sady tsy tanora fa efa lazony ihany)

  2. pakysse

    mankasitraka betsaka any ra Nenysah e.

  3. Izao koa aloha dia somary gaga ihany satria ny asabotsy ao nanandrana nijery Viva fa ehh dia nanontany tena hoe mety hanova zavatra angamba ry lerony hoe hanavao zany. Kanjo rehiko eny ambony betax (radio viva no nandeha tamin’io) hoe nakatona hono ny viva tv. Oka oa leh!! trop be zany, dia nangila-tsofina tsara nihaino ny antony sy ny antsipirihiny.
    Ny tena marina aloha tsy hitako lay fandaharana eh fa na dia izany aza efa maro ny zavatra hitako mikasika an’lay izy tamin’ny gazety sy tv hafa alohan’ny nandefasan’ny viva tv azy.

    -> mitovy daholo ny mpanao politika rehetra refa mahazo seza.

  4. pakysse

    @tahina izay mihintsy mitovy daholo ireo faa isiska tanora lesy no tena avenir no azo lazaina ihany koa fototra ny firenena mihintsy raha ny fahitako azy.

  5. >FA MANINONA NO NANKATONA NY VIVA TéLé?

    Satria manelingelina … tsy any amintsika ihany no ahitana an’io fa ireo firenena « sadasada » rehetra eran-tany.

    Rehefa tsy manan-kavaly ireo mpitondra eo an-toerana dia zary ny fanampenam-bava no ataony mba hanatsaharana ny fanontaniana. Ny tantara anefa dia mampiseho fa ireo fanontaniana tsy voavaly dia mipetraka any ihany fa tsy adino … ary mitaky valiny na ho ela na ho haingana.

    « Aza ny lohasaha mangina no heverina fa Andriamanitra ao ambonin’ny loha. » Mba nihevitra azy ho natanjaka koa anie ny fitondran-dRatsiraka [baby Doc tany Haïti, Mobutu, ets…] teo aloha izay e … mihodina hatrany anefa ny tany … sy ny tantara.

  6. pakysse

    Marina tantereka ny anao ra Tomavana amin’ilay oe  » Aza ny lohasaha mangina no jerena fa ilay Andriamanitra ao ambony loha »

  7. toavina

    juste pour vous informer de la parution du livre « Madagascar dans une crise interminable » aux ed. L’Harmattan.




Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Joany sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…

%d blogueurs aiment cette page :