Ny fanagasiana ny rafitra eo amin’ny ambaratonga voalohany


Tena mety hiteraka olana lehibe tokoa ny fanagasiana ny ambaratonga voalohany satria dia hametraka taranaka tsipozipozy eo amin’ny lafiny fianarana ity fanjakana ity satria raha atao ny fandinihina dia tokony mba nanentana ny vahoaka an-taonany maro aloa izay vao tena naroso ny tranga tahaka izao satria amiko dia ho very fahaizana tokoa ireo zaza mpianatra any amin’ny sekolim-panjakana noho ny antony maro raha tsy hitanisa ilay oe rehefa tapitra ny fito taona voalohany koa hiditra amin’ny taona faha enina izany dia miverina amin’ny tenim-bahiny ireo ankizy izay mihevitra fa nahazo tombony noho ny hafa!

Raha banjinina ny zavatra tahaka izao dia tsotra ny azo ambara dia ny oe fanaovana tsinotsinona ny Malagasy,raha naheno tamin’ny haino aman-jery ny tenako dia toa oe fanandramana aloa no atao amin’ity taom-pianarana 2008/2009 ity satria dia fianarana ambany fiadidiany CISCO eo amin’ny 20 aloa no hampiarana izany! Tsy rariny ary tena tsy misy fiheverana tokoa tompoko ny zavatra tahaka izao satria dia izay baiko avy amin’ny mpamatsy vola rehetra izao ve dia tokony ho ekena avokoa, raha tsy hanome ohatra aho oe mba tokony nikoan-doha tamin’ireo mpampianatra sy manam-pahaizana aloa niara nandinika oe ahoana ny fomba hametrahana izany rafitra izany sns

Na tsy izany kosa anefa dia azo lazaina fa misy lafiny tsara ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy amin’ny ankampobeny ihany izao fanagasiana izao fa eo amin’ny fanantaterahana azy no tena maika loatra,raha dinihina anie ireo firenena mandroso rehetra ireo dia samy manana ny teniny ary tena azo lazaina fa ambony izany tenim-pirenena izany any amin’ny misy azy avy any!

Ho famehezana izay rehetra izay dia mino aho fa tsy ny ahabado ny zaza Malagasy ny tanjona fa ny hitady ny soa sy ny fampandrosoana.

Publicités

  1. afaka manoume famintinana mazav v ianareo




Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    http://goanalyze.inf… sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Heaven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Irish sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Randi sur RT@Leo Politika Maloto: Intern…
    Jeana sur ANDRY RAJOELINA : Un charlatan…
    Etta sur Misaotra an’i Silo
    Stretch sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Coralie sur March 20, 2009
    Velvet sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Carley sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Lucinda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Micheal sur BARCAMP MADAGASCAR
    Peggy sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Letitia sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Lola sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…

%d blogueurs aiment cette page :