Mondialisation ( fanatotoloana ) sa sinoisation?


Raha hiresaka ny fanatotoloana eto Madagasikara isika dia tsotra ny zo ambara fa mapatahotra,raha ny tenako manokana dia tsy nety masaka tato an-tsaiko oe ny fiainana anie dia mivoatra sy manaraka toetr’andro ary miovaova, ny zava misy ankehitriny dia betsaka ny zavatra miova aterak’izany ary  misy lafiny sy ratsy avokoa .

Raha hatomboka amin’ny lafiny tsara ny ady hevitra voalohany dia hita betsaka ny zavatra miova eto amin’ny firenena raha tsy hiteny ny fandrosoany teknolojia ,ny firoboroboany fifanakalozana ara-barotra, ny fifanakalozana ara-kolon-tsaina, ny fanambadiany teratany samihafa ohatra :frantsay miaraka amin’ny malagasy na amerikanina mivady amin’ny malagasy sns any koa lasa mora ny fifandraisana eo amin’ny firenena samihafa fa indrindra dia ny fisokafany saina amin’ny fanekena fa ny fivoarana dia zava-dehibe fa ny tena tsy tokony hadino dia ny tsy fanariana ny maha izy anao,ny tiako tenenina ohatra raha mikasika antsiaka malagasy dia oe tsara raha tsy hariana ny soa notoavina, ny fanajana ny olon-dehibe,ny zoky, ny tsy fanariana ny fiaviana ny tsirairay avy izany oe raha merina ianao dia aza adino ny vakoka maha merina anao,raha betsikeo ianao dia aza ariana ny vakoka maha betsileo anao sns

Ny zava-misy anefa ankehitriny dia ny mifanohitra amin’izany tokoa izay azo lazaina fa tafiditra ao anaty ny lafiny ratsy eo amin’ny fanatotoloana : Raha dinihina izany dia azo laizaina fa tsy zakantsika ve ny fiovana sa isika no tena kely saina no lasa mibaribary be ny tsy firarahina ny maha izy antsika sy ny tsy fanajana ny soa notoavina maha malagasy ohatra ho raisiko eto dia mikasika ireo tanoran-tsika izay tena azo lazaina fa tsy mahazaka ny fisian’ny fandrosoana izay miteraka fiverezan-tsaina tanteraka raha tsy hiteny aho oe rehefa ny terantany na vazaha iray no mitondra vola kely izay lazaina amin’ny teny baiko oe « investisseur sac à dos » dia miroatra any daholo ireo tanora vehovavy ireo manome ny vantany fa tsy ny fitiavany,gaga aho satria dia amin’ireo tovovavy mifanerasera amiko sasany dia misy  no milaza fa aleo pakysse vaza manambola toy izay malagasy be fitiavana anefa tsy misy « action » dia ahoana moa hoy ianareo ny amin’izany ? Raha ohatra koa hiresaka ny antony isika dia voalohany indrindra aloa dia ny tsy fisianay vola ao an-trano izany oe ny fahasahiranany ray amn-dreny ,manaraka izay ihany koa dia azo lazaina fa ny fomba fanabeazana mihintsy no tena misy voa kely ihany koa, ary ny farany dia ny tsy fananana tanjona maty paika sy ny tsy fahamatoran-tsaina any koa lasa mivaron-tena ankolaka sisa no tena hita mahomby.

Azo hadika ihany koa fa ny fangalatahana loatra ny fomba vahiny sasany ihany koa dia tena miteraka loza lehibe ho an’ny firenena iray mihevitra fa tsara ny fisian’izany.

Misy ohatra tena mahagaga tiako resahina kely eto : vao andro vitsy izay dia nisy namana maromaro amerikanina tonga nianatra « anthropologie » teo amintsika ary dia tena liana be tokoa ry zareo ireo ary mihevitra fa ny malagasy dia mbolaanisan’ireo firenena manana ny maha izy azy koa tsara hono raha halalinina sns, fa ny tena nahatalonjana ahy dia ny fitenena ‘izy ireo fa ny tanora an-tan-dehibe tena diso mangalatahaka loatra hono koa any dia tsy fanatany intsony nhy toerana tena misy azy,ny tiany ho lazaina tamin’izay dia oe izahay amerikanina hoy izy dia olona efa tsy dia manana ny maha izy anay intsony raha ny resaka tantara sy ny olmbelona no resahina any koa maha liana anay ny mianatra ny tantara ny hafa sy ny maha olombelona ny anaty firenena iray.

Nolazain-dry zaro tamiko ihany koa fa dia tena manokana vola be ny firenena amerikanina amin’ny fianarana ny atao oe « anthropologie » asa mety mitady sy tia hijery ny tena nipoirany ry zareo angamba ?

Ny tena naha talanjona ahy dia manana « projet estudiantin » maro dia maro ry zareo! Nisy sambo iray ohatra mitondra mpianatra maro dia maro tena efa maha vita manao “tour du monde” mihintsy mba andinihina ireo vakoka sy fombafomba samihafa isaky ny firenena andalovan’dry zareo!

Tompoko lahy sy tompoko vavy mpamaky hajaina roviana ny tanora malagasy izay hoavin’ity firenena ity no vao mba ahazo tombotsoa sy omena sehatra amin’ity resaka fanatotoloana ity satria raha atao bango tokana dia mbola sarintsariny ihany izany fanatontoloana izany eto amintsika.

Raha namaky ny lohanteny etsy ambony moa ianareo dia mety hiomehy satria ny zava misy ankehitriny dia ny sinoisation no tena malaza fa tsy izany fanatotoloana izany !


  1. lava be lotra kamo be hamaky..:p

  2. ianao oi aza mampiomehy eo fa tsssssssss……………….lol!




Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Joany sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…

%d blogueurs aiment cette page :