Resaka tsy maha voky e!


Ny zavatra tena tiako tenenina eto dia ilay momba ilay resaka racisme tena diso tafaoatra aton’ireo mpanao politika sasantsany eto amin’ny firenena.raha ny hevitro manoka dia tsotra satria tsapa fa tena efa lany andro daholo izy ireo no sady tsy ampy fiheverana satria aiza moa koa ny ressaka fampiadiana foko indray no banjinina.

Raha tsiahivina ny tantara ry mpamaky isany dia efa ela ireo mpanaoa politika ireo no nihezaka namohy io resaka io fa tsy nety naha voasarika ny maro ary tiako ihany koa ny mampatsiahy fa raha izany no atao hitadiavana seza dia mbola ela vao ho tafavoaka ny lavaka isiska.

Olona iray ve no manao ny ataony dia ny rehetra no tenenina amin’ny fomba maloto fa tsy alehany,mampiomehy ihany satrai raha ziany anie no banjinina eto amin’ity firenena ity dia tsy ho lasa fa di ny omaly tsy niova ihany no ady eo sady hitako fa resaka natao ho an’ny olona tsy ampy saina sy tsy fahlalana firy ny resaka tahaka izao.

Ny any amin’ny tany mandroso tahaka any Etas-Unis sy Frantsa aza tena efa nandao izany resak izany raha tsy hiteny fotsiny ny filoham-pirenena frantsay izay tsy tena olona pure fa dia olona nisafidy ny hionina ao la frantsa ary eo ihany koa ny any etas-unis izay manao ny primaire amin’izao fotoana izao ny antoko demokraty satria dia mety ho lasa oe mainty ny filoham-pirenena any raha sanedra ny tampoka tsy maha lehilay ireo amerikanina ireo.

Izany ve tompokolahy sy tompkovavy dia mahalasa saina anstika oe raha tianareo loatra io seza sy voninahitra ary rendrarendra io dia atovy « strategie politique  » hafa fa raha ny resaka « racisme » dia efa ela no sady makaleo no tsy ahazo olona amin’io ianareo.

Marina fa tena betsaka ny tsy mety ataon’ireo mpitondra ireo manoloana ny fiainam-pirenena fa ny mpanohitra koa tena manonao foana be loatra no sady miteniteny foana be loatra koa raha banjinina izany dia samy manana ny fahadisoany izy ireo!est andaniny moa ny mpitondra manao izay tiany atao ary mihevitra ny tompon-teny fatratra ary etsy ankilany ny mpanohitra izay mahita fa betsaka loatra ny tsy ara-drariny fa ny tena mampiomehy ahy dia teny nataon’ny filoha teo aloa dia ny ilay profesora fa hatramin’izao hono izy dia manaiky fa filoham-pirenena ny mpitondra ankaehitriny.aiza kosa ranagahy an!?mba olona manana ny maha izy azy ihany fa dia miteniteny foana loatra e.

Raha ny tenanko manokana dia tena olona liana amin’ny ady hevitra politika fa kosa tsy tia manao politika satria tena tsy misy azo raisina sy tsy misy lesona tantereka ny zavatra omen’ireo mpitondra nifanesy hatramin’izay any ka lasa ny tanora izay tena tokony andray sy tokony hoavin’ity firenena ity dia alsa tsy raitra satria dongin’ireo goaiak lahy daholo ny toerana na dia efa hita za oe tokony adneha misotro ronono satria raha tena atao anie ny « analyse »dia na fitadidian’ireo antitra be ireo ary efa manody azy koa ahoan moa no mbola ametrahany ao an-tsaina oe hitondra sa dia loham-boto fotsiny no tena ao an-dohan’izy ireo.


  1. ie, resaka poli-fika daholo … fikafika iarovana ny tombotsoan’ny tena manokana fa tsisy fitsinjovana ny vahoaka mandady harona na dia ‘i’ aza. Ohatran’ny hoe mijery teatra sisa ny tena, mpilalao an-dapihazo daholo amiko ny ankamaroan’ny mpanao polifika. Tsisy marina fa misaro-tava daholo!

    Izany hoe tsy azo atao ny mi-ignorer azy tanteraka … dia ahoana marina aza no ahafahan’ny tanora miditra an-tsehatra? Ry tgv izao ireny ohatra tafiditra, asa manao ahoana? sa moa independant izy?

  2. pakysse

    jereo fotsiny ny ataon’dry zareo any TGV fa dia tena mampahonena ny sakan isan’karazany,tena tsy mety fa ny tsara fotsiny dia ny fisian’ny tnora tahaka izao masahy mandray andraikitra manohatra ny tsy mety ataon’ny mpitondra.
    tena marina ny anao f aiza moa ny tanora no asahy anao politika ?.satia tsotra ny valiny dia ny fanagonan-karena fa tsy ny miasa no tena tanjon’izy ireo.

  3. Ny releve koa tsy maintsy miditra an-tsehatra amizay fa ny goaika antitra tsy maintsy hanjavona indray andro any. Sahy aloha tgv e, omeko credit kosa izy am io. Tokony asina antoko politika vaovao an’ny tanora mihitsy mivoy aina vaovao. Ianao izany tsy mazoto? Le mandeha irery aloha sarotra fa raha miara-mirona no mahomby kokoa …

  4. pakysse

    raha izaho tena tia politika be fa raha hiseo milay eto tsy mety fa aleo miaraka @ be sy ny maro dia ny tanora tahaka antsika izany sa ahaona?

  5. Lanto

    andeha hatory aho aloha ry zareo afa @manaraka mamaly a,manana ho hambara aho,slt

  6. tena marina fa ny tanora anie no ho avin’ny firenenea e! jereo ohatra Barack Obama, na maro aza ny milaza hoe tsy ho lany izy fa mba efa fivoarana zany, @maha mainty azy sy mahatanora, ry Mc Cain @zany goaika antitra, tsy efa hanao béquille iny! mahatsiravina ny volofotsiny, sal@ hoe ho latsaha raninivy izy rehefa hitako @télé. Ndray, ratsy zany a! tsara aloha ny haton’i tgv e! oviana koa mba nisy maire gasy nifankahita t@ maire de paris, parisy an! tsara, ohatra ho an’ny tanora!

  7. tena marina tokoa izany Mitia fa saingy indrisy isika moa tsy any etats unis dia izay fotsiny no tena oan be fa raha miaraka daholo isiska tanora rehetra manohitra ny tsy mety ataon’ireo antitra be ireo dia izay vao tena hisy ny fivoharana.
    Misaotra nay tgv aloa nitarika ny lalan’ny tanoré




Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    pakysse sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    doda sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Bisa sur DIASPORA MALAGASY: Aza omena a…
    jose sur Ny mpiambina ny tananako dia t…
    Prysca sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    anjara steven sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    raloo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    ralooo sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Abi sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Joany sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    fnavalona sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Iza no mbola mila any RAJOELIN…

%d blogueurs aiment cette page :