Archive for the ‘Zon’olombelona’ Category

Alohan’ny hanokafana ny vava sy hitenitenenana foana dia vakio tsara ny asa sarotra na tadiavo ao @ wikipedia ny dikan-teny malalaka mahakasika ny atao hoe ANDEVO raha ny teto IARIVO sy Madagasikara no resahana.

70706615_2364582723755505_4999478881871200256_n

Sary nalaiko teny Anjohy. Antananarivo misandrahaka anaty korontana miampy ny fitsanganan’ireo tranobe manimba ny hasin’ilay tendrombohitra.

« Antananarivo madio ny tanjona ka tadidio » filamatra mbola tsaroako tsara fahiny raha mbola nisy ny fahatogavan-tsainan’ireo mpitondra sy ireo mponina teto Iarivo. Fotoana fohy ihany anefa no nahita mangirana sy filaminana ity tanàna ity raha atao ny jery todika nanomboka t@ fanjanahan-tany.

Sady mampalahelo no mahatezitra tanteraka ny zavatra iainana eto ankehitriny satria, ny ambony lasa ambany, ny ambany lasa ambony. Tsy misy lohany sy vodiny intsony ny lamina any ka atao izay tsy maha te honina ilay tanàna nahalehibe no sady renivohitr’i Gasikara.

Izany ve ny tanjona sa isika mponina no efa maty heritreritra ka lasa kamo lahy sy kamo vavy ampiasa saina @ fitadiavambahaolana? Sa tinareo omena sy ho hanjakainy vahiny ny tanàna dia eto isika rehetra manao andevombazahy? Maro ny fanontaniana azo hapetraka fa ny tena mahavalalanina dia ianareo mpitondra nifandimby mifanilika andraikitra anefa, samy mpangalatra sy tompony kolikoly avokoa. Tsy misy afaka @ izany ianareo Tompokolahy sy Tompokovavy izay nifandimby nitantana ity tanàna ity!

Na mahantra sy sahirana aza isika dia tsy tokony ho maty heritreritra satria tsy « quatre mi » na adala ka tsy afaka mandinika sy mampiasa saina intsony.

FAVELA NA BIDON VILLE

favela_1_

Sary nalaina tao @ Google, FAVELAS any Amérika Atsimo

Ny atao hoe FAVELA dia BIDON VILLE ny filazantsika azy. Trano ratsy bika sy ratsy endrika fa indrindra tsy manaraka ny tokony ho izy ny atao hoe favela. Mitovy tanteraka @ izao ny firafitr’ireo trano misy eto Antananarivo.

Novaina container vitsivitsy ny trano sachet tetsy Ampefiloha ary nankalazaina fa niasa mafy ny minisitriny mponina, mody mitabataba ireo milaza ho azy fa mpiaro ny zon’olombelona hitadiavana famatsiana hamenoana ny paosy sy hisehosehoana @ haino aman-jery fa mpandray andraikitra. Ny sasany indray tompondaka @ fisintonana lakilosy ary milaza ho mpiaro ny ambany tanàna hanaovana racket ny mpanakarena sy ireo olona manantsaina tia ny soa sy ny tsara ary manankatao.

Mahatsikaiky fa dia olona mahantra ara-tsaina avokoa no mameno ny sehatra. Voafitaka @ zavatra tsy misy fotony ny rehetra satria, kamo hanohitra ilay tsy rariny sy tsy mety any ka izay sisa ny takatrin’ny atidohan’ireny karazan’olona hafahafa fiainana sy fomba amam-panao ireny. Na ny mitondra na ny entina dia very fanahy mbola avokoa!!!

Tanàna maloto indrindra fahatelo manerana izao tontolo izao i Antananarivo ary voalohany raha ny eto Afrika no asian-dresaka. Mponina tsy manana olana @ fifangarohan’ny tay sy ny amany @ ranon’ny JIRAMA. Mponina tsy manana olana @ setroka fiara sy moto tsy ampy karakara mameno ny tanàna, miteraka aretin-tratra faobe sy fahasemporana. Mponina tsy manana olana @ fividianana legioma sy voankazo  @ tany. Mponina tsy manana olana @ fividianana hanina masaka masiso sy be menaka tsy misy fotony, mponina tsy manana olana @ fividianana hena tsy anaty fitoerany feno vovoka sy setroka sy ny sisa.

Raha ny tena izy dia olona maty heritreritra ny mponina eto Iarivo ka mila entina sy fehezina ohatran’ny biby mba hanaraka ny rindrandamina izay tokony hapetraka.

SOSOKEVITRA SY VAHAOLANA

71022734_340934486633720_4290878856501395456_n

Sary nalaiko androany 12 septambara teo Antsakaviro, miodina anaty fitohanana ny taxibe iray anaty lalana tery dia tery.

70211849_370703603821110_6935350599298842624_n

Trano manakona ny « point de vue panoramique » eny @ « chalet » Anjohy. Nitsangana tampoka tao anatiny fotoana fohy nanomboka ny fitondrana Tetezamita.

Raha tiantsika ny hanavotra ity tananan’Antananarivo sy ny mponina ao aminy ity dia mila hatsahatra ny fanaovana lafika ny vahoaka ary tsy tokony ampiainana ireto farany intsony ny fiainan’andevo.

 

 

 

 

 

 

64819943_336171213946361_254963182974533632_n

Voalohany teo @ Tantaran’ny BORBIRBORITANY FAHA DIMY no nisy an’izany MAPAR na TGV na IRD izany nandresy ny TIM raha ny tarehy marika no jerena. Miala tsiny aho fa tsy maintsy hanokabava kely satria, resaka fampandriana andrisa ny filazana fa manana ny maha izy azy ny TIM ao aminio boiboritany io @ izao fotoana izao.

 

 

Raha tsiahivina vetivety dia ny tenako izay manoratra eto no nahazo ny andraikitra hitondra ny anaran’ny « directeur de campgane » ny solombavambahoaka Guy rivo Randrianarisoa t@ taona 2014. Tsy teto an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana taminio fotoana io. Nanao ny ainay tsy ho zavatra izahay t@ fampandaniana ny « candidat » Jean Louis Robinson sy andriamatoa Randrianarisoa tao @ boroboritany faha dimy satria, natambatra ho iray ny fididianana filoham-pirenena sy ny fifidianana solombavambahoaka nandritra ny dingana faharoa.

Na dia nisy aza ny « candidat » nitovy firehana nilatsaka ho fidiana dia tsy naharesy an’i Guy rivo velively ry zareo. Tataka ny elelanelambato nisy teo @ MAPAR sy ny TIM satria, 7900 voix izany t@ taona 2014. Raha tsy nandrotsaka an’andriamatoa Constant Raveloson ny pomba azy dia nanao paodroa ny TIM.

pré-campagne tao Andraisoro ny taona 2014

pré-campagne tao Andraisoro ny taona 2014

 

 

Nandritra ny dingana faharoa ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, izay nifanatrehan’andriamatoa Andry Nirina Rajoelina sy andriamatoa Marc Ravalomanana dia nasain’i Guy Rivo Randrianarisoa nisahana ny boriboritany faha dimy indray mandeha ny tenako, ka voatendry ho « directeur de campagne » fanindroany.

Tsy nisy ny minisistra nidina, tsy nisy ny filoha Ravalomanana nanampy, tsy nisy mpanakanto, tsy nisy lehiben’antoko na ireo birao politika nidina nampiseo tarehy na nanohana anay. Ary tsindriko tsara fa tsy nisy an’izany Fetra (solombavambahoaka voafidy @ izao fotoana izao) sy Naina izany tonga nitsidika anay tao na dia fantako azy ny solombavambahoaka Fetra, satria, izy no nitazona ny lisitra faharoa ny TIM t@ taona 2014. Mafy ny ady natrehana satria, betsaka no nitsikera sy nanimpy odin’akondro fa indrindra ny fiantrehanay ny tandroka nasehon’ingahy raholdina sy ny pombany. Tsy nanakana anay ny hiasa izany satria, t@ vokam-pifidianana dia nitarika indray ny TIM tao ary 4673 ny elanelambato teo @ Andry Nirina Rajoelina sy Marc ravalomanana

Fifidianana filoham-pirenena - Ambatomainty 2018 - 5è

Fifidianana filoham-pirenena – Ambatomainty 2018 – 5è

 

T@ ity fididianana solombavambahoaka ity kosa dia nahamenatra ny vokam-pifidianana satria dia resiny MAPAR ny TIM anefa, dia feno olobe nanampy tao. Ary ny voalohany t@ izany dia ny filoha Ravalomanana. Nilatsaka dia nilatsaka ny valim-pifidianana satria dia lasa 1243 ny elanelambato teo @ TIM sy ny IRD ka nitarika ny IRD. 

Raha i Guy Rivo samy irery moa no vetavetainareo tsy olana  fa tadidio fa marobe izahay no niara nisalahy sy nitondra anjara biriky tao aminio borbiboritany faha dimy no nataonareo tsinotsonona. Ny fahendrena hoy ny Zoky Guy Rivo dia ny mangiana fa aleo zalahy hanao izay hitany fa mety aminy.

Io ny vokatra io fa dia resin’andriamatoa Naivo Raholdina ny TIM anefa , be vava sy niseo nilay fa any aminy ny base sy ny etsetra. Raha izahay, tena niasa mafy tao no nanohitra iny fifidianana tsy misy fotony nataonareo tao bel’air iny dia tadidio fa mbola i Guy Rivo ihany no narotsaka nitondra ny anaran’ny TIM tao.

 

 

Ny teniko dia tsotra, rehefa tsy mety aminareo andriamatoa Randrianarisoa dia alefaso manao CHEF VILLA ao Faravohitra na mirotsaka any MANJAKANDRIANA ho fidiana ben’ny tanàna. Amiko manokana dia tsy mendrika ny dakàna ara-politika ambavafoa tahaka izao na inona toetrany na inona ny zava-misy tao aminareo tao. Tsy misy lafatra @ POLITIKA fa izahay aloha dia nahita « expérience » tsara niaraka taminy satria, hatreto dia izy irery ny olobe tena nasahy nanome fahafahana ny tanora andray andraikitra mafonja tao @ TIM tao. Raha tsy hilaza aho ny nanangananay ny ANTOKO TANIKO MADAGASIKARA ny taona 2013/2014, ny nanekeny ny tenako sy ireo namako hikarakara ny fifidianana tao @ BORIBORITANY FAHA DIMY ary farany teo ny nanomezany sehatra anay ny @ hitondrana anjara biriky tao @ Kaominina Antananarivo Renivohitra t@ ilay tetik’asa TEAM BUILDING PROJECT.

Izay aza Tompoko olobe ao @ TIM fa dia « ambava homana, ampo miheritreritra. »  fa dia tena makaleo tanteraka ny mijery ilay ady an-trano ao aminareo @ ity fanariana ireo olona manana « éthique » sy « fidelité » @ filoha Ravalomanana sy ny antokony ity.

 

une_con_citation-600x315

Photo: Google!

Raha atao dika politika ny kabarin’andriamatoa Rakotoarisoa, t@ namoahana iny vokam-pifidianana fiodinana voalohany iny dia hita soritra ny nanomezany lesona ny mpandrava sy ny mpampiady foko. Mazava ho azy, tsy ho zakany atidohan’ireo mankasitra ny ratsy ireny teny feno fananarana ireny. Eto isika rehetra, hiandry ny fientanampon’izy ireo @ famafazana ny lainga tsara lahatra sy ny fanasana vangy ny atidohan’ireo mpankafia ny kaikitra bangarindana.

Olondehibe tsy tia manabe ny pombany, zaza ratsy taiza, mpitarika romotra. Ireo ny zavatra azoko lazaina mikasika an’ireto fikambanan’ny mpandrava ireto! Ary ny mahagaga dia ilay Andry Nirina Rajoelina mihitsy no lohalaharana voalohany @ tsy fitiavana manabe ireo mpanaradia azy. Asakasak’ireo izay resy lahatra @ fitiavana miloloa ny ratsy fa ny amiko manokana aloha dia efa fantako fa any @ andriamatoa Marc Ravalomanana no mandeha ny vatoko @ 19 desambra ho avy izao na tsy lafatra aza ity rangahy ity sy ny manodidina azy.

Raha hiverenana vetivety iny vokatra ofisialy iny dia tsotra ny azo ambara. Feno lesoka ny fikarakarana nataony CENI ary mila manaiky ny rehetra fa ilaina ny fitoniana eto @ firenena. Na izany na tsy izany, ilaina ny mitaiza ireo mpanaraka ny “candidats” roa tonta mba ho lasa fitaratra eo @ fiarahamonina ary mila mahay manao jery todika ny lasa mba hanatsarana ny ho avy isika rehetra.

Felaka teha-maina miampy daka avody hoy ry zalahy no nahazo an’ingahy Rajaoanarimampianina sy Rajoelina ary ireo “candidats” apombo saingy, safosafo feno fitiavana kosa no nandrasain’ny HCC ny fanapahan’kevitra nataony antoko politika TIM t@ nanesorany ny fitoriany.

Izay aza ny zavatra azo ambara t@ ity indray mitoraka ity fa dia mankasitraka tanteraka ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa @ ireny fanabeazana miabo natolony ho an’i Andry Nirina rajoelina ireny.

 

 

 




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Erreur, le flux RSS est probablement en panne. Essayez plus tard.
  • Commentaires récents

    Cyber-censure : Mada… dans LA SOCIÉTÉ MOOV MADAGASCAR TUE…
    Helatra dans NY RAZAMBEKO
    PATRICIA RAKOTOMALAL… dans Veloma lesy namana Ando a…
    Pakysse: Activist as… dans Atelier sur le micro-blogging…
    Pakysse: Activist as… dans Radio Tana fandaharana Be louh…
    Pakysse: Activist as… dans UNICEF Photography Workshop wi…
    Pakysse: Activist as… dans RapidSMS in #Madagascar-Mobile…
    Pakysse: Activist as… dans Inauguration Du Nouveau Centre…
    Pakysse: Activist as… dans Workshop on photography
    Pakysse: Activist as… dans GLOBAL VOICES, RISING VOICES,…
    anonyme dans Triste Fin Pour Ma Grand-…
    Krîs dans Iza no mbola mila any RAJOELIN…
    rasoa dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…
    Jean-Marc Rolland /… dans QUE L’ORDRE DES MEDECINS TRAIN…