Archives de la catégorie ‘Fomba Fisainana Mivelatra’


Pakysse mivanaka amin’ny tsy fahatogavan-tsainan’ny RAJOELINA (Disc Jockey) amin’izao vanim-potoanan’ny taona harivo fahatelo izao.

Amin’ny maso mijery dia azo lazaina fa tsy misy azo raisina ny resaka fitantanana ny raharaham-pirenena miaraka amin’ity lehiben’ny DAHALO ity (Andry Rajoelina).

Miaramila, mpanao gazety tradisionaly, politisianina, manam-pahaizana, olom-pirenena sns. Aiza ny andraikitra sy ny toerana misy anareo manoloana izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao?

Amiko rehefa milaza ho azy fa mpitondra ny olona iray dia tokony mahafantatra ny atao hoe:"Gouverner c’est prévoir" fa tsy manao tahaka ny aliaka romotra tsy ampy taolana ka rehefa azo izay notadiaviana dia milaminna tahaka ny kisoa voky apombo.

Mampahonena ary tena mahamenatra tanteraka fa fahevendranana sy loham-boto sisa no takatrin’ny sainy RAJOELINA sy ny FORONGONY. Any vao misy fangatahana izay tena rariny sy hitsiny ataon’ireo olom-pirenena manana ny zo hangataka izany dia ny hery famoretana sy ny didin’ny be sandry no mandeha.

Araka ny naveriko matetika ho an’ireo tapaka sy namana dia tsotra:"Ry HITLER, MUSSOLINI, SADAM, BACHAR AL ASSAD, GBAGBO sns anie nihevitra ny henjana fa ny tantara no nametraka fa ZERO ry zalahy. Ity RAJOELINA ity izany dia mihevitra mihitsy fa misy ilaivana azy? Firenena tsy misy ETAT DE DROIT izany efa tsy lasa intsony."

Mahalala menatra ianareo manohana be fahatany ny HAT fa manalabaraka tanteraka. MIZENDANA be amin’ny vola tsy nosasarana dia ilay vahoaka aminio mijaly be. Anga izy ity vanim-potoanan’ny fiforetana anaty?"

Hatsipy ny tady eny an-tandrokin’ny omby ary ny teny eny am-pon’ny mahalala fa raha mbola ny fahavendranan’ny RAJOELINA amin’ny resaka fitantanana sy ny fitadiavana ny soa ho an’ny vahoaka no asian-dresaka dia andraso eo i Paoly hoy ny fitenenana.


Pakysse

Hinoako fa tsy dia ilaina intsony ny andehanan’ny Jeneraly Richard Ravalomanana hisambotra any Remenabila. Satria, ireo namany hafa be galona nanao ny « école de guerre » dia efa maro no lasa any Atsimo anao izay ho hafany amin’izany fitadiavana any Remenabila izany. Miaraka ireo (mercenaire) miaramila frantsay.

Rehefa avy nitafa sy nidinika ary nanao famakafakana ny fiainam-pirenena izahay vahoaka dia tsotra: « Manome baiko anao Jeneraly hisambotra tsy misy fepetra an’ireo DAHALO AMBONY LATABATRA rehetra ireo. »

Mino izahay Jeneraly fa dia fantatrao tsara izany adidy sy andraikitra omena anao izany. Tsy ilaina intsony ny mitanisa fa ny fanomezana tsodrano ho anao amin’ity asa fanavotam-pirenena ity sisa no azo atao.

Koa : « AMIN’NY ANARAN’NY VAHOAKA MALAGASY NO HANOMEZANA FAHEFANA FENO HO ANAO JENERALY. FISAMBORANA AINGANA DIA AINGANA IREO DAHALO BE MANAO IZAY HO HAFANY AMIN’NY FANAPOTEHANA NY FIRENENA, NY FAMONOANA NY VAHOAKA, ARY NY FANAOVANA TSINOTSINONA NY HASIN’NY MAHA MALAGASY. »

Manao sonia eto ambany

Ny fikambanan’ny tafika mpitoraka bilaogy sy ny tafi-bahoaka mampiasa ny « internet »

Ny filohany

Andriamatoa isany tsy matahotra ny ratsy

Sekretera jeneraly

Andriamatoa sy ramatoa isany kakakaka


Sary nalaina tao amin’ny google!

Vao tsy ela izay no nahenoana ny olana nisy teo amin’ny DSK sy ireo karazam-behivaviny. Raha tsiahivina ihany koa ny tantara, dia tsy azo adino ny zava-nisy teo amin’ny filoha amerikanina teo aloha Bill Clinton sy Monica Lewinski.

Ny momba any Andry Rajoelina sy Annick Rajaona indray dia mino aho fa tsy tonga ho azy na fanaratsiana be fotsiny ny antony nivoahan’izany resaka izany.

Raha mahatsapa tena fa olombanona tokoa izy roa ireo dia tokony manazava ny saim-bahoaka fa tsy manao maso be tsy mahita satria ny raharam-pirenena no asian-dresaka eto. Ny resaka mampirafy dia zavatra ratsy ary tsy azo ekena na ara-moraly na ara-tsosialy.

Ny mpisipa, ny mpivady na ireo mpifankatia manao izany zavatra izany aza efa tsy hita izay tenenina koa vao maika fa ireo milaza ho azy fa olomben’ny firenena. Raha tiany Andry Rajoelina sy izao Annick Rajaona izao ny ho madio eo imason’ny olom-pirenena rehetra dia tsara kokoa ny mametraka fialana ho azy ireo satria manalabaraka sy mampahonena raha izany fihetsika izany no marina.

I Annick Rajaona moa tsiahivina fa ilay ramatoa misahana ny serasera iraisam-pirenena eo anivon’ny fiadidiana ny prezidansa izany hoe olona mitovy asa amin’ny ministra mikarakara ny diplaomasia.




  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    Rija Razafy sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur ANDRY RAJOELINA SY ANNICK RAJA…
    Anonyme sur Radio Tana fandaharana Be louh…
    Rindravola Nomenjana… sur WAKE UP your people are slowly…
    Alexandre sur Radio Tana fandaharana Be louh…
    pakysse sur WAKE UP your people are slowly…
    Alexandre sur Radio Tana fandaharana Be louh…
    BIG HEAD sur Radio Tana fandaharana Be louh…
    Anonyme sur Radio Tana fandaharana Be louh…
    touvenant sur WAKE UP your people are slowly…
    Danon sur Do I hear Election Bells …
    pakysse sur Do I hear Election Bells …
    Danon sur Do I hear Election Bells …
    pakysse sur Do I hear Election Bells …
    Danon sur Do I hear Election Bells …

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.