ANDRY RAJOELINA : Tsy mba menatra ve?

Raha tsy hilaza ilay oham-pitenenany manao hoe : « Tsy famenoana ny banga tsy azo taloha akory ny tetezamita. » Dia gaga sy talanjona tanteraka ny tena raha nihaino any Andry Rajoelina nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nilaza Mankony andriamatoa « filohan’ny repoblika tsy demokratika any Madagasikara» fa tsy fotoanan’ny fangatahana izao andron’ny tetezamita izao.

4 taona aty aoriana dia tsy nisy ny fihovam-pitenenana sy ny fihetsika ary ny fomba fijerin’andriamatoa mpanentana. Ho anay « blogueur activiste » na « journaliste citoyen » miady amin’ny resaka « injustice » sy « pauvreté » dia tsy azo ekena izao zavatra mitranga eto amin’ny firenena izao, fa indrindra ny fomba ratsy izay tiany Andry Rajoelina sy ny forongony hapetraka ho lova an’ny taranaka malagasy.

« Disc » lany herinaratra sy valinteny boraingina sisa ny zavatra takatrin’ny sainy, any ka lasa sahirana ny vahoaka mahazo izany nohon’ny fahaizany mampiasa ny hery famoretana sy ny fanaovana tsinotsinona ny fahafahana maneho hevitra, anatin’ny didin’ny be sandry.

Naneho hevitra satria tsy nety tamin’ny fomba fijeriny ny zavatra ataon’ny fitondrana ankehitriny sy ny miaramila. Nanotrona ny hetsika nokarakarain’ny ankolafy Ravalomanana ny asabotsy 28 Aprily lasa teo dia voasambotra satria namoaka vava ireo miaramila mpitam-basy ity rangahy ity.

ANDRY RAJOELINA : Aoka izay ilay manao be resaka fa tsy vahoaka bado akory ny malagasy !


Pakysse

Ny fanabadoana sy ny fanaovana tsinotsinona ny vahoaka malagasy dia toetra iray tsy ho afaka ao amin’ny Andry Rajoelina intsony. Noho izy manana talentana amin’ny fampiresahana dia rendrika tanteraka anaty haizina ny firenena sy ny vahoaka malagasy any ka ny manao didin’ny be sandry sy ny mampiasa hery famoretana sisa no takatrin’ny sainy sy ny manodidina azy.

Any amin’ny firenena mandroso, rehefa tsy mandeha ny raharaham-pirenena dia ny mametraka fialana no fahendrena tsara indrindra. Eto Madagasikara kosa dia ny mifanohitra ny amin’izay no misy : « 51 taona aty aoriana ny nahazoana ny fahalaeovan-tena, mpitondra be resaka sy mpamitaka ary mpangalatra sy mpanao ratsy no mbola mizizo sy milaza ho azy fa henjana.»

Raha manaiky fa filohan’ny firenena tsy demokratika, amin’izao fitondrana tetezamita hiraisan’ny mpanao politika mpamono vahoaka tsy an-kanavaka, nametraka ny fitondran’ny omaly tsy niova izao i Andry Rajoelina, dia mety hilamina ny fiheveran’ireo olom-pirenena mitady ny soa sy ny tsara fa olona manana fiheritreretana tokoa ilay rangahy.

POLITIKAN’NY FANABADOANA : Hita soritra ihany ny maha filoham-pirenena tsy voafidim-bahoaka any Andry Rajoelina!


Pakysse

Mihezaka ny mandresy lahatra etsy sy aroa fa manana ny rariny i Andry Rajoelina fa indrisy raha mba misy mihaino ! Any ka ny politikan’ny fanaratsiana sy ny famoretena sisa ny zavatra ainy.

Raha ny fijeriko izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao dia fotoana sisa no andrasana dia ho tonga amin’ny fipoahan’ny sarom-bilany indray ny vahoaka malagasy raha minia ny tsy mijery ny zava-misy ireo mpitantana tsy voafidim-bahoaka ireo.

Maro ireo karazana sehatra misy eto amin’ny firenena no mitabataba sy mitaraina fa efa tsy rariny intsony izao zavatra am-piainana ny vahoaka izao.

Ohatra : Ny aretina sy ny fahafatesana azo amin’ny sakafo ratsy kalitao, ny tsy fahandriam-pahalemana, ny fitakian’ireo mpianatra te hianatra sy te hanapitra ny fanadinana izay rahonana amin’ny basy sy ny lakrimozena, ny kolikoly avo lenta misy eo anivon’ireo karazana biraom-panjakana maro samihafa, ny fanaovana tsinotsinona ny harem-pirenena malagasy, ary vao tsy ela akory dia nisy mpianatra maty voatifitra tany Toamasina nohon’ny tsy fisian’ny fanajana ny zon’olombelona avy amin’ny polisy sns.

Ny zavatra mapametraka ny fanontaniana ihany koa dia ity : Inona moa izany ny andraikitra tena sahanin’ny Andry Rajoelina raha tsy hitanisa ireo ohatra voalaza etsy ambony ireo sy ny olana misy eo anivon’ny SMM sy ny POLISIM-PIRENENA raha alefa lalindalina kokoa ny famakafakana?

Raha nihaino ny kabarim-pahatsiarovana ireo olona namoy ny ainy ny 7 febroary ny tena dia gaga sy talanjona tokoa raha nilaza fa teo akaikin’ny vahoaka ny tenany nandritra iny fotoana iny ary akory ny fahatairana raha mbola nilaza ingahy Rajoelina fa mbola eo akaikin’ny vahoaka izy ary tsy hivadika na oviana na oviana aminy ?

ENY ARY FA IZAO : TAIZA IANAO ARY INONA NY FANEHOAN-KEVITRA NOLAZAINAO NANOLOANA IREO OLONA VERY FANANANA SY NAMOY NY AINY MARO BE NY 26 JANOARY 2009? TAIZA IANAO ARY INONA NY ANDRAIKITRA NORAISINAO NANOLOANA ILAY TOVOLAHY MATY VOATIFITRA TSINAHY TENY TALAMATY TAMIN’NY FITSENANA AN’ANDRIAMATOA RAVALOMANANA VAO TSY ELA AKORY IZAY?

Aleo tsy manao lava resaka fa maha be nify hoy ny fitenenana. « Hatsipy ny tady eny an-tandrokin’ny omby ary ny teny eny am-pon’ny mahalala. "