TANANAN’NY MPANAO RATSY I MADAGASIKARA
Maty nohon’ny tsy fisian’ny FAHANDRIAM-PAHALEMANA tamin’ny 12H50 teo Antanimena, andro atoandro be nanahary izao!
Na inona lazain’ny mpanao politika na inona lazain’ny ANDRY RAJOELINA ka raha mbola masahy milaza fa mandroso sy milamina i Madagasikara dia miala tsiny aho fa resaka manidina sy mampiomehy izany.
Ahoana tokoa raha ny iray aminareo MPANAO POLITIKA mpangalatra, mpanao kolikoly, mpanabotry firenena sy mpamitaka vahoaka ireo no mahazo an’izao zavatra mahazo anay olom-pirenena mitady ny soa izao?
MANKAHERY NY FIANAKAVIANA SY IREO NAMANA AKAIKY ANY RA TOMPOKOLAHY RANGA NY TENAKO SY IREO AKAMAKO MARO BE TSY MANAIKY ARY TSY TIA NY ZAVATRA TAHAKA IZAO A









janvier 13, 2012 at 7:36
… resaka mbola tsy fandre izao ary tsy mbola fahita mihitsy ary angaha raha hoe resaka mandendaka avy dia mitifitra
miandry izay ho resaka amin’ny fahitalavitra rahariva isika fa tena mahontsa a, ahoana ny zanany, ny vadiny (raha misy), ny fianakaviany … inona no ataon’ny “Fanjakana” (ilaozana mitamatama sy mirentirenty fotsiny)
MIrary fionona feno. Ny Tompo Homba anareo