INONA NY MAHA SAMIHAFA IREO OLONA NAMOY NY AINY NY 26 JANOARY SY NY 7 FEBROARY ?


Samy mitady ny rariny daholo ireo mpanao politika amin’ny fitadiavana ny tombontsoa amin’ny hampandrosoana aingana an’i #Madagasikara, mba hialàna amin’ny krizy sy ny fahantran’ny firenena sy ny vahoaka misy ao aminy.

Amin’ny maha mpitolona ny tsy rariny sy ny fahantrana ary miady amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny tena, dia andeha mba haneho hevitra mikasika ny toe-draharaha politika misy eto Madagasikara. Ary ho fanomezam-boninahitra ireo namana vahiny hafa eran-tany mpanaraka ny « blog », dia hadika amin’ny teny hafa ihany koa izany amin’ny fotoana maha mety azy.

Mety ho maro ireo olona mahita ny zavatra soratako hoe mivoana, misy ireo hiombon-kevitra amiko, misy ireo tsy miraharaha, ary mety ho betsaka ihany koa ny hanoso-potaka. Tsy maninona izany fa samy malalaka amin’ny fomba fijeriny avy isika rehetra.

Ho fanehoako ny zavatra ho soratako rehetra, dia mangataka anareo mba hitsidika ireo acrhives eto amin’ny blogko fa tsy misy entanim-po velively akory eto.

Ny tenako moa sy ireo namana maro be maneho hevitra amin’ny alalan’ny « blog », dia azo lazaina fa isan’ireo tena nahita akaiky ny zavatra-nitranga teto amin’ny firenena, ary tsy nisy fiambahambana tamin’ny fizarana vaovao. Na dia teo aza ireo « journalistes traditionnels » sy « medias traditionnels » maro be izay nanao ny asany, dia teo ihany koa ny « journalistes citoyens » mikirakira ny « nouveau media » rehetra, nizara ny vaovao azony sy hitany tamin’ny alalan’ny takelaka misy eto amin’ny « internet », toy ny : WordPress, Flickr, Youtube, Twitter, facebook, sy ireo maro samihafa fampiasa amin’ny fampitana ny vaovao haingana, tahaka ny fampiasana ny « telephones mobiles ».

Ka inty ilay resaka tiako hiadiana hevitra:
« Milaza ny ho avy hitondra biriky amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana ny Asabotsy 19 febroary, ny filoha Rajoelina indray dia niteny tamin’ny alalan’ireo haino aman-jery samihafa amin’ny alalan’ireo olom-panjakana miara-miasa aminy, fa tsy azo ekena mihitsy ny fisian’ny korontana. Misy mpanao politika sasany ihany koa milaza fa tokony efa fotoana izao ny hitondran’ny filoha Ratsiraka ny anjara biriky amin’ny famahana ny krizy misy eto Madagasikara ka tokony efa hody izy. Ny filoha Zafy Albert etsy andaniny dia milaza fa ilaina tokoa ny fampihavanana ireo mpanao politika malagasy. Ireo fikambanana politika zandriny maro be izay milaza fa manana anjara birik,y, dia milaza ihany koa fa manan-kevitra amin’ny hampandrosoana sy hitondrana an’i Madagasikara any amin’ny tsara kokoa ».

Araka izany Tompokolahy sy Tompokovavy, tsy aiko na azonareo mpanao politika ireo na tsia fa mijaly sy leo ny vahoaka malagasy. Mifanaraha ianareo dia andao hanao fifidianana tena mendrika amin’izay

Ny filalaovana sy ny fitondrana ny anaran’ireo olona maro be maty tamin’ireny krizy ireny dia tsy vahaolana mihitsy amin’ny famahana ny krizy misy eto Madagasikara. Ny 7 febroary dia hanaovana fahatsiarovana lehibe eto amin’ny firenena satria nisy olona namoy ny ainy. Ny 26 janoary dia hadinon’izy ireo izany fahatsiarovana izany nefa, maro be ary tena maro be mihitsy ireo olona no nanary ny ainy sy very fananana nohon’ny setrasetra tsy fidiny nahazo azy ireo. Maninona moa raha mba natao nitovy ny fahatsiarovana ary mba nasian-teny kely ihany koa ny momba an’Itompokolahy Ando, ilay namana mpanao gazety namoy ny ainy ?

Ny teny farany, dia: “ny 7 Aogositra 2010 dia saika namoy ny aiko aho, satria nisy jiolahy 7 tonga namaky ny trano fonenako ary nanan-kevitra ny hangalatra, ary dia nitifitra tsy niambahamba. Niaro tena aho, hany ka tsy tanteraka ny asa ratsin’izy ireo”. Fotoana izao ny ahatsapanareo, fa ny vahoaka, indrindra ny tanora Malagasy, dia “JEUNESSE CULTIVEE” fa tsy bado, ka tsy mahafantatra ny tokony hataony.

About these ads

  1. rakoto

    Valiako tsotra ny fanontanianao momba ny olona maty 26 Janvier sy 07 Fevrier. Tsy misy ny mahasamihafa azy. Samy natrehiko izy roa. 26 Janvier: Gardien MBS de Ra8 tany Anosipatrana no nitifitra olona t@ basy, mety efa nahazo baiko t@ tompon’ny Radio; 07 fevrier ny garde presidentiel no nitifitra. Izany hoe: i Ravalo daholo ny ao mbadika, tsisy maha-samihafa azy. Tsara raha mody izy mba manefa ny anjarany fa tsy anavahana olona ny fonja

  2. pakysse

    @rakoto Ny tenako sady tsy mpomba ny atsy na ny aroa. Ny tenako izao dia nanatrika ihany koa.

    Miala tsiny aminao aho ra namana faa ny 26 janvier dia maro be dia be ireo olona no namoy ny ainy. Mody faninaa ny mpitondra, maro ny simba fananana. Mino aho fa dia hitanao ireny faty (sanatria) azo raisina tamin’ny sotro kely ireny tao @ trading tetsy Analakely, faty niraradraka teny amin’ireny magasin voroba maro be ireny.

    Samy nisy ny maty ka tsy tokony havadika politika mampiomehy tahaka izany izy io. Ho gaga ianao iray andro any rehefa hisy olona hamoaka ny cote maloto (video sy sary) amin’ny tsy fanekena ataon’ireo mpanao politka ireo.

    Momba ireo zavatra lazainao eo ambony dia mankasitraka ny fomba fijerinao ny tena.

  1. 1 Tweets that mention INONA NY MAHA SAMIHAFA IREO OLONA NAMOY NY AINY NY 26 JANOARY SY NY 7 FEBROARY ? « Pakysse -- Topsy.com

    [...] This post was mentioned on Twitter by Pakysse, Pakysse. Pakysse said: [New blog post] INONA NY MAHA SAMIHAFA IREO OLONA NAMOY NY AINY NY 26 JANOARY SY NY 7 FEBROARY ?: Samy mitady ny… http://bit.ly/g0Oh1C [...]




Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s


  • Catégories

  • RSS Pakysse au somment de l’ONU sur le Changement Climatique

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Foko on Twitter

  • RSS Foko Blog Club

    • Une erreur est survenue ; le flux est probablement indisponible. Veuillez réessayer plus tard.
  • Commentaires récents

    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Radison sur Andry Ralijaona: Former Secret…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Julie sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    hanitriniaina sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    hanitriniaina sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    kim sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    RSAA sur ANDRY RAJOELINA SY ANNICK RAJA…
    dadafara mahefa sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…
    Anonyme sur Tranobe mijoalajoala an’…
    RSAA sur TRANO BE ANY ANDRY RAJOELINA A…

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Rejoignez 27 autres abonnés