Archives de mai, 2010
Raha nanomboka tamin’ny taona 2007 moa no nasian-dresaka ny momba ity "media citoyen" ity teto #Madagasikara dia azo lazaina fa ny fikambanana izay misy ahy sy entiko dia voalohany raha tsy faharoa amin’ny fikirakirana ny fanatanterahana ny atao oe "journalisme citoyen’ izay azo ambara fa nahazo vokatra tsara ary tena tsara tokoa izany ho an’ny firenena malagasy izay tafiditra ao antin’ny "liberté d’expression"
Raha any amin’ireo firenena hafa izay misy mpikambana tahaka ny tena ao amin’ny Rising voices moa dia misy tokoa ny manana olana raha eo amin’ny lafiny "internet" no resahina raha tsy hilaza ny any#Chine,Mongolie sy ireo maro hafatsy ho voatanisa eto.
Raha ny eto #Madagasikara kosa dia mbola tsy tojo amin’izany resaka fanapahana izany fa kosa ny tsindry etsy sy eroa izay tsy azo ialana fa fomba fanao eran’izao tontolo izao fa indrindra aty amin’ny firenena andalam-pandrosoana dia tsy mahitsy misy ihany.
Amin’izao fotoana izao moa dia azo lazaina fa tafita ary tafapetraka ny fikambanana tokoa ny atao oe "media citoyen" ary ireo mpikambana rehetra izay miisa 400 amin’izao fotoana izao manerana ny nosy (mbola mitohy foana ny vulgariastion) dia efa afaka samy mifampizarza sy mampita ankalalahana ny tontolon’ny"blog" sy ireo rohy rehetra mifandray amin’zany koa ny teny azo hatsipy dia ny fisaorana sy ny fankasitrahana ireo mpikambana rehetra ary izany dia ao anatin’ny fanajana sy ny fankatoavana ireo fofkosters mpikambana ao amin’ny Foko Blog Club na ny FBC rantsana foko-madagascar.







