Raha aminn’izao fotoana izao, na firenena mahantra na andalam-pandrosoana na mandroso, dia samy vaky loha avokoa fa betsaka tokoa ny tsy nety raha ny mikasika ireo setrasetra izay nataontsika tamin’ny natiora, ary izany dia lasa niteraka fitadiavana vahaolana amin’ny fanenana ny rivotra toxika izay nampiova sy nampikorontana ny fizotran’ ny toetr’andro eran’izao tontolo izao.
Izany rehetra izany anefa dia tsy ho vita mora raha tsy ny rehetra no miara-mandray andraikitra, mifanentana, mifampitaiza ary mifanoro amin’ny lalana tokony hizorana amin’ny fitandrovana sy ny fitadiavana vahaolana amin’ny fiarovana sy ny fikajiana izany zavaboary izany.
Raha nahazo fanasana hamonjy ny fivoriana lehibe tany New York, notanterahin’ny firenena mikambana na ny ONU momba ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tenako, avy amin’ireo namana tao amin’ny OXFAM sy ny TCK TCK TCK amin’ny maha mpitoraka bilaogy sy amin’ny maha mpitandro sy mpiaro ny tontolo iainana mavitrika (activiste) ny tena, dia ireto misy tarehimarika sy ala olana tsotsotra tiako ho zaraina aminareo eto, izay finiavana avy amin’ireo firenena samihafa, nentina nozaraina sy nampahafantarina an’izao tontolo izao, amin’ny fahavononan’izy ireo ny hiady ny fanenana ny rivotra toxika izay manimba ny “couche d’ozone”, ka lasa miteraka fahavoazana sy fiovaovana tanteraka raha eo amin’ny lafiny ara-toetr’andro.
Maro dia maro tokoa ireo finiavana sy faniriana, koa araka izany dia ho zaraiko aminareo eto izany faniriana goavana avy amin’ireo firenena rehetra nandray anjara tamin’ny fivoriana tany New York izany.
- Ny hafatra avy amin’ny filoha amerikana Obama dia tsotra, ka dia nolazainy fa ireo mpialokaloka ara-tontolo iainana dia miha-betsaka tokoa satria efa tsy azo hipetrahana intsony any amin’izy ireo noho ny fahasimban’ny tananany, ohatra : lasan’ ny ranomasina ny toeram-ponenan’izy ireo ary MILA OVAINA HAINGANA DIA HAINGANA TOKOA IZY IO.
- Ny hany teny tena navesan-danja avy amin’ny filoha Maldiviana dia ilay hafatra nomeny sy nampitainy amin’ireo firenena lehibe sy mandroso indrindra hoe: “IANAREO IREO NO LAKILE AMIN’IZAO OLANA IZAO, ARY MINO AHO FA REHEFA IANAREO NO MANDRAY ANDRAIKITRA DIA MORA AMIN’IREO FIRENENA HAFA NY HANARAKA IZANY.”
“Raha ny momba ny Etats Unis manokana” hoy izy, “hatramin’ny nitondrako teto dia efa ho 8 volana izy ireo no niady tamin’ity resaka fiovaovan’ny tontolo iainana ity, ary tsy mora izany fa dia mila ny fandrasian’andraikitry ny rehetra amin’io asa io.”
- AFRIQUE: Raha ny momba ity kontinanta ity ihany koa dia tsotra ny teny nifampizarana tao, dia ny hoe : OMEO FAMATSIANA ARA-BOLA I AFRIKA ARY FANAMPIANA ARA-TEKNIKA, satria mbola betsaka dia betsaka tokoa ny harena ara-javaboary ananany ka tokony harovana fatratra izany. Ary izany teny izany dia avy amin’ny filoha frantsay Sarkozy, ary ny “volonte” sy ny “confiance” no tsy ampy ao aminy, hoy ihany izy.
4. Ho an’i la Frantsa kosa izay hany tokana firenena tena nahazo tehaka nirefodrefotra tokoa, dia tsotra ny teny nataon’ny filoha Sarkozy tao dia ny hoe: ZAVA-MISY IO OLANA ARA-TOETR’ANDRO IO, ARY ISIKA NO TARANAKA FARANY (derniere generation) AFAKA MANDRAY ANDRAIKITRA AMIN’NY FITADIAVANA VAHAOLANA AMIN’IZY IO.
Raha ny momba any la Frantsa manokana hoy izy, dia hatramin’ny taona 2050 dia ahenanay 50% ny famoronana “gaz a effet de serre”.
Ary ny hafatra ho anareo firenena andalam-pandrosoana, hoy ihany izy, dia tsy maintsy 80% izany, ary aza matahotra fa ahazo ny anjaranareo koa ianareo. (Izy irery aloha hatramin’izao ny filoham-pirenena tena mba nitondra ny feon’i Afrika sy ireo firenena andalam-pandrosoana).
5. Ho an’i CHINE sy JAPON indray, dia ny fanomezana tarehimarika no tena isan’ny zavatra naha-talanjona ny rehetra nandritra ity fivoriana ity, satria raha raisina ny fanapahan-kevitra avy amin’ireo filoha mitondra olona betsaka indrindra eran-tany (oh : CHINE) dia :
l Fametrahana rafitra maty paika eo amin’ny lafiny ekonomika sy sosialy
l Tamin’ny taona 2005 ny fanenana no efa hita soritra, ka hotohizana hatramin’ny 2020 izany.
l Ny fambolena hazo dia hasehon-dry zareo fa tsy olana ny mametraka politika maty paika aminizany, koa ny tanjona dia ny fametrahana 40 millions d’Hectares, izany hoe 1.3 Milliards m3
l Ary ny farany dia ny fametrahana ny atao hoe “Politique ecologique circulaire”.
Ny teny azo hamintinana ity olana voajanahary ity dia ny tokony handraisana andraikitra haingana dia haingana, satria dia loza efa mipetraka izy io. Tsy tokony hangataka andro intsony isika izay mahatsapa fa manana anjara biriky amin’izany ady izany, ary tsy tokony ho menatra ny hitaiza raha toa ka ilaina izany, satria tena tsy ampy ary tena mahonena tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao amin’ny fanaovana tsinontsinona sy fanambaniana ny zavaboary.
Raha ny momba an’i Madagasikara no asian-teny, dia efa betsaka ireo fikambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no nilaza sy namoaka ny heviny mikasika ireo karazana loza maro samihafa mitranga eto amintsika, fa dia ny tsy firarahiana sy ny fiadiana seza ara-politika ary ny fanangonan-karena no tena olan’izy ireo.
Raha tanisaiko kely eto izany tsy firarahina sy fanimbana ny zavaboary sy ny voka-dratsy aterak’izany dia:
l Betsaka ireo ala no simba noho ny fanapahana sy ny famadihana izany ho lasa ”Charbon de bois”
l Rehefa tapaka ireo hazo ireo dia maro ihany koa ireo biby izay tsy fahita raha tsy eto Dago tahaka ny “Lemurien” sns no maty.
l Raha tsy hitanisa fotsiny ireo karazam-biby tsy fahita raha tsy eto Madagasikara aho dia eo ihany koa ireo kazarana zava-maniry samihafa izay mbola tsy fahita raha tsy eto Madagasikara no potika amin’ny tsy misy antony.
l Ny doro tanety moa izay isan’ny olana lehibe indrindra eto Madagasikara sy eto Afrika mihintsy araka ny fahitako azy, dia mbola tsy afaka misaraka amin’ny fomban’ireo manao izany.
l Ireo kazarana biby an-dranomasina ihany koa dia manomboka manana olana satria maro dia maro tokoa ireo mpihaza azy io na malagasy na vahiny no tonga ary tsy manaja ny lalana misy tokony arahina mifehy ny jono an-dranomasina.
l Ireo loto amin’ny tsy fanajana ny tanana, ireo fiara mamoaka setroka maloto tsy tokony handeha intsony nefa mbola mandeha, sy ny tsy fahampian’ny lalandrano izay tokony handehanan’ny maloto samihafa misy eto an-drenovohitra, dia mbola olana mipetraka ihany koa, sy ireo maro samihafa tsy voatanisa…
Ny hany teny tokana sy vahaolana miraikitra sy maharitra raha ny fahitako azy, dia tokony hatomboka amin’ny fanabeazana (education civique) aloha, satria na hisy aza ny volabe hatontona dia tsy hiditra amin’ny sain’ireo olona mihintsy raha tsy fantany aloha ny voka- dratsy haterak’izany fiovaovan’ny tontolo iainana izany, ary izany dia tokony hampiarahina amin’ny fandraisana andraikitra haingana, fa tsy lany andro amin’ny resabe tsy misy tanjona (parle peu,passe a l’acte) fa andao hiaraka hitaiza sy hiaro ny zavaboary mipetraka isika, dia mino aho fa raha ny rehetra no manana fisainana ny hitandro izany dia ho mora foana ny hampihena io CO2 misy io.
Commentaires récents